Vaky ny Ady Tany Amin'ny Fiangonana Silamo Saodiana Rehefa Nanozona an'i el-Sisi ny Pretra

Vaky ny ady tany amina fiangonana silamo any Riyadh nampifanohitra ireo Saodiana sy Ejiptiana rehefa nanozona ny Jeneraly Abdel Fattah el-Sisi, Minisitry ny Fiarovana Ejiptiana, ny mpitarika fivavahana Saodiana iray nandritra ny toriteny tamin'ny fifavavahana androany Zoma. Lasa nihanaka io ady io, izay navoaka tao amin'ny YouTube, ary mbola mitohy ny fifandirana amin'ny alalan'ny teny ao anaty aterineto.

Lasa resaky ny tontolon'ny bilaogy Saodiana io lahatsary maharitra 46 segondra io androany, izay navoaka tanatina kaonty maro ao amin'ny YouTube. Dika iray, navoakan'i umum0707 androany, dia nisy nijery maherin'ny 750.000 tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity. Mampiseho lehilahy iray miakanjo amin'ny fomba Saodiana manala ny agal, saron-dohany, ary nidaroka lehilahy iray hafa, Ejiptiana iray tao anatin'ny fiangonana silamo Al Ferdous, taorian'ny nitsikeran'ity farany ny fanozonana an'i el-Sisi. Nanaraka izany ny sakoroka:

https://www.youtube.com/watch?v=un_l5tvTNe8

el-Sisi, izay sady Praiminisitra lefitra voalohan'i Ejipta amin'izao fotoana, dia nitana anjara toerana ambony teo amin'ny fanonganana ny Filoha teo aloha Mohamed Morsi, mpikambana ao amin'ny Rahalahy Silamo.

Mametraka rohy mankany amin'ilay lahatsary ao amin'ny Twtter i Mohamed Al Omarary maneso [ar]:

@MdAlomar: هذا العراك هو الدليل الأول على الفوضى التي قد تحدث في حال نزل الخلاف من تويتر للشارع http://youtu.be/un_l5tvTNe8 #عراك_جامع_الفردوس

Ity ady ity no porofon'ireo korontana mety hitranga raha mirotsaka an-dalambe ny fifandirana ao amin'ny Twitter

ilaza i Ibrahim Al Rasheed fa tsy misy tokony hisabatsabahan'ilay pretra anatin'ny raharahan'ny Ejiptiana mihitsy :

Mahafantatra kokoa ny raharahany ny vahoakan'i Ejipta ary fihetsika ratsy avy amin'ilay pretra ny mametraka ny tenany ho mpiaro ny Ejiptiana

Ny hafa kosa manome sosokevitra ny amin'ny fanatrehana ireny pretra reny amin'ny hoavy.

anoratra i Yazeed Al-Mogren:

Amin'ny manaraka, tokony vakin'ireo mpivavaka ny valanoranon'ny pretra amin'izay mahazo anatra tsara izy ka tsy hampiditra ny heviny ara-politika anatin'ny toriteny intsony

Ary nanampy izy:

nilaza izy ireo fa nosamborina ilay pretra. Ahoana ny momba ilay biby nanapaka ny lamesa masina tao amin'ny fiangonana sy nidaroka ireo Ejiptiana tany? Raoviana izy ireo no hosamborina sy hotsaraina?

Tsy mahita antony mety hiteraka fihetsika maherisetra ny mafana fo Waleed Sulais.

Tsia ho an'ny herisetra. Tokony hatao am-pilaminana ny tsy fitovian-kevitra ara-politika, ary ny fampiharana herisetra sy ny fanomezana antony an'izany, dia tsy azo ekena mihitsy na ahoana na ahoana

Manampy izy:

Tsy azo ekena ny manozona ny hafa ary ny fidarohana olona na iza na iza manohitra izany dia tsy fahamendrehana. Manana ny voninahiny ny vahoaka.

Manamarika i Aziz:

Ary mampifandray ireo teboka i Mazeed Bandar. Voalaza ho sady nanozona an'i el-Sisi no nanozona ihany koa ny filoha Syriana Bashar Al Assad ilay pretra. Mitoraka bitsika izy:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.