Ejipta : “Tena naheno bala nandalo tambonin'ny soroko aho”

Nisy nitifitra ny mpanao gazety sady mpaka sary ejipsiana Mosa'ab Elshamy, nisy bala iray nananontanona ny sorony, ary nisy nangalatra ny fitaovam-piasany fony izy nahasahisahy nandeha nankany Rabaa Al Adawiya, izay nanesorana an-kerisetra ny sit-in mpanohana an'i Morsi tao Kairo ny andron'ny 14 aogositra 2013.

Notantarainy tamin'ny alalan'ny andian-tsioka an-tserasera ny nahazo azy, ahafahantsika mamantampantatra mialoha hoe tahaka ny ahoana ny nitranga tamin'ny marainan'ny nanesorana ny sit-in notontosain'ny Mpirahalahy Miozolomana tao Nasr City.

Tsy sarotra ny nitady ny sit-in tao Rabaa :

Maro ny setroka mainty avy ao Rabaa. Saika hita hatraiza hatraiza rehefa ao Nasr City

Tratran'ny etona nandatsa-dranomaso aloha izy rehefa tao :

Tonga ihany ato Rabaa. Tsy zaka ny etona mandatsa-dranomaso

Nozarainy tao amin'ny rakitsary iray ao amin'ny flickr ny zava-mampihoronkoditra hitany tao. [Fampitandremana : Mety hanafintohina ny sary sasantsasany, indrindra ny vatana mangatsiaka ao amin'ny trano fandraisam-paty]

Tahaka ny eny ambava ady ny toerana aloha indrindra ao Rabaa. Efa naharitra enina ora amin'izao fotoana izao ny fifandonana.

Manakaiky indrindra ireo mpitifitra miafina any ambadika any i ElShamy :

Ny tsy fahanfatarana izay iavian'ny tifitra no ratsy indrindra. Miafina ambadiky ny zavatra akaiky indrindra aloha, dia manantena izay mba tsara indrindra…

Fa mbola ao an-toerana ihany izy ary manohy manapika sary hatrany na dia mihamafy aza ny fifandonana :

Mihamahery vaika ny fifandonana..

Nisy bala nandalo ny ambony sorony. Nisioka izy :

Tena nahare bala nandalo ny ambonin'ny soroko mihitsy. Nahare fisamonomonona tahaka ny moka goavana mandeha toy ny halakin'ny hazavana. Mampitaintaina.

Izany sy ny balam-basimborona zakainy ao an-damosiny no nampihemotra an'i Elshamy :

Izany sy ny poti-balamborona telo nahavoa ahy tao an-damosina no nanapahako hevitra handeha.

Saingy mbola tsy afa-bela izy na izany aza.

 An-dalana hiala an'i Rabaa aho no nifanehitra tamin'ny “andrimasom-pokonolona” izay nangalatra ny fitaovam-piasako. Soa ihany fa nataoko tao anaty bakiraroko ny “carte-mémoire”-ko.

Aza ilaozana fotsiny ny rakitsarim-panadihadian'i ElShamy momba ny fifandonana tamin'ny 14 aogositra ao amin'ny kaontiny flickr ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.