Ejipta : Tifirina, Samborina ary Rahonana Ny Mpanao Gazety

Kendren'ny polisy, izay miomana ho amin'ny fanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana manohana ny mpirahalahy miozolomana [gv-mg], ny mpanao gazety ao Ejipta amin'izao 14 aogositra izao.

Naparitaky ny polisy ireo Sit-in roa samy an'ny mpanohana ny filoha naongana Mohamed Morsi, mpikambana hatry ny ela ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana, ary notapahina ho herintaona ny fe-potoana niasany tamin'ny 3 jolay taorian'ny fihetsiketsehana goavana nitakiana ny fialàny sy ny fitakiana hanatanterahana alohan'ny fotoana ny fifidianana. Miovaova araka ny loharanom-baovao moa ny isan'ny maty sy maratra vokatr'izany.

Tao anatin'ny herinandro maromaro izao ny mpanohana an'i Morsi sy ny Mpirahalahy Miozolomana no nilasy teo amin'ny kianja Rabaa Al Adawiya, ao Nasr City, sy ao amin'ny kianja Al Nahda, akaikin'ny Oniversiten'i Kairo, nitaky ny hamerenana ny “ara-drariny” na ny famerenana an'Atoa Morsi eo amin'ny toerana maha-filoha voafidin'i Ejipta azy.

Niezaka ny hiditra any Rabaa Al Adawiya hijery ny zavamisy ao ny masoivohon'ny Reuters ao Kairo, Tom Finn. Nisioka izy :

Voasambotra [aho].

Nampiany :

Miaraka amin'ny mpaka sary roa, nalain'ny miaramila ny fakantsariny ary nofafany avokoa ny sariny.

Tony fitenenana ny miaramila, amin'ny filazany fa manao ny asany, miady amin'ny mpampihorohoro ary manompo ny tanindrazantsika.

Navotsony izahay

Nisioka avy eny amin'ny manodidina an'i Rabaa i Bel Trew :

Mihodikodina ambonin'ny lohanay ny angidimby. Mahare feombasy avy amin'ny andaniny rehetra amin'ny arabe. Maheno hoe misy mitifitra ny mpanao gazety.

Tsy ela dia tratra ao anatiny koa izy :

Misy mitifitra anay amin'ny balam-borona raha miezaka ny ho any amin'ny sit-in ao Rabaa, mitorovoka miafina ao ambadiky ny fiara.

Nampiany:

Misy mitifitra anay amin'ny balam-borona, tratra kely i @leloveluck sy @alastair_beach (fa tsy maninona) . Nitsoaka ny lozan'ny firaka aho. Tsara vintana.

Tratran'ny toy izany ihany koa i Abigail Hauslohner avy ao amin'ny Washington Post.

mitoraka etona mandatsa-dranomaso amin'ny mpijery sy ny mpanao gazety ny polisy, mitifitra bala tena izy aminay ry zareo. Voafandrika izahay.

Norahonan'ny manamboninahitra polisy iray ihany koa izy :

Efa niteny tamiko ny manamboninahitra polisy iray fa ‘nihantsy’ azy tamin'ny fanoratako tao amin'ny notebook-ko, ary miteny izy izao : “Raha mbola mahita anao aho dia hotifiriko ny tongotrao”.

Tao amin'ny sioka iray mampanahy no nilazany koa hoe :

Ho lany bateria ny iPhone-ko. Nilaza amin'ny Al Jazeera teny anglisy i Mohamed Soltan avy ao amin'ny vondron'ny mpanohitra ny fanonganam-panjakana fa nahita mpakasary voatifitra nandritra ny fanaovany mivantana.

Tafavoaka avy tao am-bava ady ny mpanao gazety ao Kairo Samer Al Atrush :

Mmn, aleoko mandeha. Bandy iray vao voatifitra folo metatra miala amiko monja

Mbola mitohy ny fitantaranay momba an'i Ejipta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.