Kerala Fanjakana Atsimo Andrefan'i India : Fihotsahan'ny Tany Nahafaty Olona No Nateraky Ny Oran'ny Talio

Ny oram-be nivatravatra tany Kerla, fanjakana atsimo andrefan'i India sy ireo fihotsahan'ny tany nifanesisesy dia nahafatesana olona 15 fara-fahakeliny, miaina ao anaty toetr'andro ratsy indrindra nateraky ny talio tao anatin'ny folo taona io faritra io.

Ny orana nirotsaka farany, nanomboka tamin'ny 4 Aogositra 2013, no niteraka ny safodrano tsy mbola nisy toy izany nandritra ny telo andro, ary nahatonga faharavana mitentina  Rs. 19.53 crore (3.22 tapitrisa dolara Amerikana ). Nanimba ny làlam-be mankany amin'ny seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena any Kochi, ka nahatonga ny fikatonany  nandritra ny andro vitsivitsy ilay rivotra talio. Sidina 126 izay misy mpandeha an'arivonyy no nofoanana tamin'izany.

Niaina ny fotoanan'ny talio ratsy indrindra tao anatin'ny folo taona, niaraka tamin'ny hafainganan'ny fiakaran'ny rano nanafotra ny faritra sy ny fihotsahan'ny tany izay tena loza mananontanona tokoa i Kerala. Namono olona maherin'ny 1.000 ireo tondradrano sy fihotsahan'ny tany tao avaratr'i India tany ampiandohan'ny fotoam-pahavaratra.

Saingy matetika dia fotoana manan-danja sy misy tombony ho an'ny fanjakana ny fotoanan'ny talio izay mbola mitohy mandrava an'i Kerala amin'ity taona ity. Voafidin'ny gazety boky National Geographic ho iray amin'ireo toerana 50 ho tsy maintsy tsidihana i Kerala, noho ireo honahonany mahafinaritra sy ireo talio. Tena tadiavin'ny mpizaha tany fatratra ny fotoanan'ny talion'i Kerala noho ny hatsarany miaraka amin'ny orana izay manova ny endriky ny tontolo iainana.

Raisin'ny Keralita tsara miaraka amin'ny haisoratra, sary sy hira fankalazana ny oram-be h ao anatin'ny kolontsaina foana ny orana. Miankina tanteraka amin'ny oran'ny talio ny herinaratra sy ny fambolena any Kerala. Misy mihitsy aza ny vondrona Facebook noforonin'ny Keralita natao ho an'ny orana. 

In South Kerla an unidentified man sitting on a car submerged in flood water

Lehilahy iray mipetraka eo ambony fiara iray dobo rano any Kerla atsimo. Sary avy amin'i Aji Jayachandran. Fizakà-manana Demotix (6/8/2013)

Fa hafa ny tamin'ity taona ity. Nanomboka tamin'ny volana Jona, mbola tsy nitsahatra ny roa volan'ny orana tsy ankijanona. Vetivety  dia feno hatrany amin'ny haavony ireo tohodrano, hany ka voatery nosokafana ny hidin-drano mba hisorohana ny fihoarany, izay mampisavoritaka ny olona mivelona manakaiky ny renirano sy ny farihy. 18 tongotra mialohan'ny  hanokafana ny hidin-drano sisa dia ho vaky ilay tohodrano lehibe, ny tohodranon'i Idukk.

Nihoatra 40 isanjato ny rotsak'orana tamin'iny roa volana iny ka nahatonga ny fanjakana ho latsaka anaty korontana tanteraka. Notaterin'ny gazety Hindu fa manodidina ny 2.100 eo ho eo ireo olona nafindra ho any amin'ny tobinà tra-boina 36 hatramin'ny nahatondraka ny faritr'i Thiruvalla taluk. Ny fambolena no tena voa mafy, tsy tratra ny fangalàna ny caoutchou ary lasan'ny rano ny vary vao nambolena telo na efatra herinandro tany aloha.

Ampahafantarin'ireo mpiserasera amin'ny haino aman-jery sosialy amin'ny alàlan'ny sary avy any ny zava-misy miaraka amin'ny filazàna fepetra raisina sy ny faharavan'ny tontolo iainana.

Nandefasan'i Renuka, monina any Alwaye faritra izay tena mahery ny safodrano, sary betsaka tao amin'ny Google Plus-ny izay maneho ny haavon'ny reniranon'i  Periyar noho ny orana. Monina manamorona ilay renirano izy ary matahotra ny zavatra mety hiseho raha mbola mitohy herinandro vitsivitsy ny orana.

Women and children watching the rising waterline. Image courtesy: Renuka Arun, used with permission. https://plus.google.com/u/0/113471416255727012804

Zaza amam-behivavy mijery ny fiakaran'ny rano. Sary avy amin'ny Google+ nomen'i  Renuka Arun, nahazoana alàlana.

Nitondran'i Sapta Varnangal fanehoan-kevitra ny zava-misy any Muvattupuzha:

Reko fa dobo rano ny tranon'ny reniko any muvattupuzha akaikin'ny moron-drano. Tsy mbola nisy tahaka izany nandritra ny talio nahazatra.

People who live in the opposite shore observing the rising river. Image courtesy: Renuka Arun, used with permission. https://plus.google.com/u/0/113471416255727012804

Olona monina ery am-pita mijery ny fiakaran'ny rano. Sary avy amin'ny Google+ nomen'i Renuka Arun, nahazoana alàlana.

Niatrika ny zava-dratsy nateraky ny orana miaraka amin'ny fihotsahan'ny tany namono olona maro i Idukki. Nosoratan'i Harish Vasudevan tao amin'ny Facebook-ny fa azo atao tsara ny niala iny fihotsahan'ny tany iny, raha toa ka natao tsara ny asa fananganana manaja ny tontolo iainana fa tsy fanomezana alàlana izao karazana fananganana foto-drafitrasa  rehetra izao no natao:

ഇടുക്കിയിലെ രാഷ്ട്രീയ നേതൃത്വമോ സാധാരണ മനുഷ്യരോ സർക്കാരോ ഇതുകൊണ്ടും പഠിക്കാൻ പോകുന്നില്ല. ഇടനാട്ടിൽ നടപ്പാക്കുന്ന ‘വികസനം’ അപ്പടി മലനാട്ടിലും നടപ്പാക്കുന്നതിന്റെ ഫലം തോരാമഴയിൽ മണ്ണിടിച്ചിലായും വരും. മലനാട്ടിൽ മണ്ണ് ഇളക്കുന്നതിനും ഖനനത്തിനും എതിരെ നടപടി വേണമെന്ന് ഗാഡ്ഗിൽ കമ്മിറ്റി റിപ്പോർട്ട് പറഞ്ഞപ്പോൾ ആ റിപ്പോർട്ട് കത്തിച്ച ബിഷപ്പിനും പള്ളിക്കാര്ക്കും, റിപ്പോർട്ട്നെ എതിർത്ത സർക്കാരിനും പ്രതിപക്ഷത്തിനും ഇപ്പോൾ നാട്ടുകാരോട് മറുപടി പറയാനുള്ള ബാധ്യതയുണ്ട്.

Samy tsy misy afaka maka lesona amin'iny faharavana iny na ny firehana ara-politika any Idukkis na ireo vahoaka. Tontosa ireo tetikasa fampandrosoana tany Idukki niaraka tamin'ireo karazan-tany izay samy manana ny firafiny. Fihotsahan'ny tany sy faharavana no vokany nandritra ny fihavian'ny orana. Nanao tatitra ny Komitin'ny Gadgil  fa ilaina atsahatra ny fitrandrahana ny tany. Notsipahan'ny mponina any Idukki, ao anatin'izany ny mpitondra fivavahana sy ny mpitondra fanjakana ilay tatitra. Fa ankehitriny, tsy maintsy miatrika mitondra valin-kafatra ho an'ny vahoaka izy ireo.

Nelson Joseph, mponia iray ao Idukki, dia nitsipaka ilay filazàna, tamin'ny fitenenany hoe Tsy noho ny asa fanorenana akory no mampihotsaka ny tany:

Nelson Joseph താങ്കൾ പറഞ്ഞു വരുന്നത് ഇടുക്കിയിൽ ഉരുൾ പൊട്ടുന്നത്, അവിടെ നടത്തുന്ന വികസന പ്രവർത്തനങ്ങൾ കൊണ്ട് ആണെന്നാണോ? ഞാൻ ഒരു ഇടുക്കികാരൻ ആണ്. അറിയാൻ മേലഞ്ഞിട്ടു ചോദിക്കുവ എന്ത് മണ്ണാങ്കട്ട വികസനം ആണ് അവിടെ നടത്തിയിട്ടുള്ളത്? ഇപ്പോൾ ഉരുൾ പൊട്ടിയ സ്ഥലങ്ങളിൽ ഒരു തരത്തിലുള്ള, വികസനങ്ങളും ഇല്ല. മൂന്നാറിലേക്കു ഉള്ള ഒരു വഴി മാത്രം ആണ് അവിടെ മനുഷ്യ നിർമ്മിതം ആയുള്ള വല്ല്യ സംഭവം. ഈ വഴികൾ വരുന്നതിനു മുൻപ്, എന്തിന് മനുഷ്യർ അങ്ങോട്ട് കടന്നു ചെല്ലുന്നതിനു മുൻപേ അവിടെ ഉരുൾ പൊട്ടൽ ഉണ്ടായിട്ടുണ്ട്. അത് എന്ത് വികസനത്തിന്റെ പേരില് ആണ്? പരസ്ഥിതി വാദം ഒക്കെ നല്ലത് തന്നെ. പക്ഷെ ഇങ്ങനെ ഒരു ദുരിതം വരുമ്പോൾ വസ്തുതകൾ മനസ്സിലാക്കാതെ, വെറുതെ എല്ലാം വികസനത്തിന്റെ പ്രശ്നം എന്ന് പറയുന്നത് ശരിയായ പ്രശ്നങ്ങൾ ചര്ച്ച ചെയ്യുന്നതിനെ വഴി തിരിച്ചുവിടുന്നതിന് വേണ്ടി ആണോ എന്ന് പോലും സംശയിക്കുന്നു. ഗാഡ്ഗിൽ റിപ്പോർട്ട് പ്രാക്ടിക്കൽ അല്ല.

Iza no niteny fa noho ny fampandrosoana no nahatonga an'i  Idukki hiatrika toe-javatra tahaka izao ? Avy any Idukki aho, ary tiako ho fantatra fampandrosoana toy inona no natao tany ? Tsy misy fampandrosoana ara-poto-drafitr'asa tany. Làlan-tokana mankany Munnara no any tamin'ny fotoana nitrangan'ny fihotsahan'ny tany. Eny fa na dia talohan'ny fanombohan'ny nitoeran'ny olona tany aza dia efa nisy ny fihotsahan'ny tany. Ekena ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny rehetra, fa tsy rehefa misy faharavana hita sy tsy misy  fanadihadiana mazava ny tena zava-misy. Mivaona ny tatitry ny Gadgil .

Mametraka laharan'ny antso an-tariby ao amin'ny Facebook-ny i Prasanth Gulfu avy any  Alwaye raha toa ka miha-ratsy ny toe-draharaha :

Amin'ny vonjy taitra rehetra, iangaviana hiantso, satria eto akaikin'ny renirano. Aoka isika hiatrika ny zava-misy ary ho malina. Antsoy ny  9946732042

Ireto misy lahatsary amin'ny YouTube mampiseho ny safodrano, tahaka ity lahatsary ity  nakarin'i Real High Definition ity :

Nampiantrano resaka mahaliana momba ny talio tahaka izao ny Twitter.

Nokianin'i Hafiz Rasheed (@hfz_r), injeniera, ny fanimbàna ny ala sy ny fiovaovan'ny toetr'andro :

Nahatsiaro ny fotoam-pialan-tsasatra fanaony any Kerala rehefa mandritra ny safodrano tahaka izao i Anna MM Vetticad (@annavetticad), mpanoratra, mpanao gazety sady mpampianatra, mahazatra ny olona tonga mitsidka amin'ny alàlan'ny làkana :

Kuttanad, India. 26th June 2013 -- A boat as pictured here is floating on the road submerged in flood water.

Lakana iray mitsingevana eny amin'ny arabe atsingevan'ny safodrano any  Kuttanad, Kerala. Sary avy amin'i  Aji Jayachandran. Fizakà-manana Demotix (26/6/2013)

Mohan Kannan (@mohankan), manampahaizana manokan'ny HR Process Outsourcing , dia nitatitra ny zava-misy any Muvattupuzha:

Taterin'i Nidheesh MK (@ReporterNid),mpanao gazety, fa safotry ny rano tanteraka i  Aluva :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.