Naato Ao amin'ny Tambajotra Fanaraha-maso ny Fanadiovam-bola i Madagasikara

malagasy Ariary and Euros via  Teraka Andriatsoa blog - Public Domain

Vola Malagasy Ariary sy Euros ao amin'ny bilaogin'ny Teraka Randriantsoa – Valam-Bahoaka

Lambo T. no mitatitra [fr] ao amin'ny tranonkalan'ny La Gazette de La Grande Ile fa naato ao amin'ny Vondrom-pitsikilovana Egmont misahana ny fitantanam-bola ny Samifin [mg], sampan-draharaha misahana ny fanadiovana ny sehatry ny fitantanana ara-bola sy miady amin'ny fivezivezen'ny vola miampita sisintany tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Ny Egmont dia tambajotra iraisam-pirenena manara-maso ny fanadiovam-bola sy ny fanohanana ara-bola ny fampihorohoroana. Nohazavain'i Lambo T. fa tsy nahavita nandroso lalàna enti-miady amin'ny fampihorohoroana sy ny fikambana-jiolahy iraisampirenena ny fitondrana ankehitriny ka izany no nitarika ny fampiatoana ny Samifin.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.