LAHATSARY: Diabem-Pireharehana 2013 Ao Vietnam

Nanatontosa ny diaben'ny rehareha faharoa, miaraka amin'ny lohahevitra hoe “milofo amim-pireharehana’, mampiseho ny fihanaky ny fiaraha-monina LGBT ao amin'ny firenena sy ny fahavononan'izy ireo hitaky fitovian-jo bebe kokoa i Vietnam tao Hanoi. Naharitra telo andro ny hetsika izay ary nahitana fandefasana horonantsarimihetsika, resaka mikasika ny vatsim-pianarana, fampahafantarana torolalana momba ny fitoviana eo amin'ny sehatry ny asa, ary fifaninanana mitondra bisikileta natrehan'ireo olona maherin'ny telonjato.

Ny tanjon'ny Viet Pride 2013 dia ny hiady amin'ny fanavakavahana ary hampanjaka ny zon'ny LGBT:

The year 2012 marked the first Pride festival in Vietnam, a country in which homosexuality remains taboo. For the first time ever, Vietnam saw the rainbow flag freely waving at its capital’s streets, bringing tears to the eyes of many Vietnamese LGBTs. Like Pride elsewhere in the world, Viet Pride joins the global call to end prejudice, discrimination, shame, and invisibility on the grounds of sexual orientation and gender identity. Together with Pride, the LGBT movement in Vietnam has never been stronger.

However, equality and dignity for LGBT people has yet to become reality. Misunderstanding and social stigma is still widespread. Insinuation, ridicule, parents’ disapproval, and humiliation are experiences familiar to many LGBTs. In schools, families, offices, and factories, their dignity and security are still compromised. Many LGBTs, especially youth, live in fear of being disowned, despised, or treated differently.

Nanamarika ny Fetiben'ny Rehareha voalohany tao Vietnam ny taona 2012, firenena izay mbola fady ny miresaka momba ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana. Voalohany eo amin'ny tantara no nahitan'i Vietnam sainan'ny avana mikopakopaka eny an-dalambe ao andrenivohitra, ka mahalatsa-dranomaso ireo LGBT vietnamiana marobe. Tahaka ny rehareha rehetra maneratany ny “Reharaha Viet” ka mandray anjara amin'ny antso manerantany hampitsaharana ny fitsarana an-tendrony, ny fanavakavahana, ny henatra ary ny fiafenana eo amin'ny sehatry ny fironana ara-pananahana sy ny maha-lahy sy vavy. Miaraka amin'ny Rehareha, mbola tsy mafonja tahaka izao ny hetsika LGBT tao Vietnam.

Na dia izany aza, mbola tsy tanteraka ny fitovian-jo sy ny fahamendrehana ho an'ireo olona LGBT. Mbola mihanaka ny tsy fifankahazoana sy ny fanilikilihana ara-tsosialy. Fanendrikendrehana, finesoesoana sy ny tsy fankatoavan'ny ray aman-dreny, ary ny fanalam-baraka no fiainana andavanandron'ireo LGBT marobe eo anivon'ny fianakaviana. Mbola voatohitohina ihany koa ny hajany sy ny tsy fikasikasiha-tanana azy ireo any an-tsekoly, eo anivon'ny fianakaviana, any anaty birao sy orinasa any. Maro amin'ireo LGBT, indrindra ireo tanora no miaina ao anatin'ny tahotry ny fanilikilihana, ny fahafaham-baraka ary ny fanavakavahana.

Mampiseho ny sombiny tamin'ny hetsika ity lahatsary fohy ity:

Ity lahatsary ity kosa dia mampiseho ny fikarakarana rehetra nandritra ny fanokafana ny lanonana:

Miavaka tamin'ny diabem-pitondrana bisikileta ny diabem-pireharehana Vietnama araka ny hita amin'ity lahatsary ity:

Pride March bicycle rally. Photo from Facebook of Tinh Yeu Trai Viet

Hetsika mitondra bisikileta nandritra ny Diabem-pireharehana. Sary tao amin'ny Facebookn'ny Tinh Yeu Trai Viet

Photo from @viettan

Sary avy amin'i @viettan

Faly tamin'ny fanombohan'ny hetsika i Trần Dũng Vũ (Soo):

Also present at the festival was the “Equal offices” campaign to community and press – a campaign took place since April in which more than 105 foreign and domestic enterprises joined with the aim of positive change the way enterprises look at LGBTs.

Overall it was a great weekend, surrounded by community, friends and allys and I am very much looking forward to Viet Pride 2014. I hope you will come and check it out for yourself next year.

Hita tao amin'ny fanentanana ihany koa ny “fitovian-jò am-birao” ho an'ny fikambanana [orinasa] sy ny gazety. Fanentanana nanomboka tamin'ny volana Aprily izay nahitana fandraisana anjaran'ny orinasa vahiny sy ao an-toerana maherin'ny 105 hikendrena hanova ho tsara ny fomba ijeren'ireo orinasa ny LGTB:

Tamin'ny ankapobeny dia herinandro mahafinaritra izany, nohodidinin'ireo fikambanana, namana sy mpiara-dia ary tena miandry fatratra ny Viet Pride 2014 aho. Manantena aho fa hoavy ianao ary hijery ifotony izany amin'ny taona hoavy.

Pratibha Mehta ao amin'ny Sampam-baovao Thanh Nien News nanoratra momba ireo olana atrehin'ny LGBT ao Vietnam:

While the law doesn’t criminalize homosexuality, LGBT people are not protected when their rights are violated.

Together we must challenge negative stereotypes, and dispel toxic myths. We have to help people understand why we must stand up against homophobic and transphobic violence and discrimination.

Na dia tsy manameloka ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana aza ny lalàna, tsy voaaro ireo olona LGBT rehefa voahitsakitsaka ny zon'izy ireo.

Tokony hiara-hiady amin'ny fitsarana an-tendrony isika ary hampisava ny finoanoam-poana manapoizina. Tokony hampiantsika ireo olona mba hahafantatra ny antony hitsanganantsika hanohitra ny herisetra fankahalana pelaka sy ireo nanova ny taovam-pananahany (transsexuelle).

Vonona handinika ny volavolan-dalàna mankatò ny fanambadian'ny samy pelaka ao amin'ny firenena ireo solombavambahoaka ao Vietnam. Saingy nanazava ny antony mahatonga an'i Vietnam tsy vonona amin'ny fanomezan-toerana ny fanambadian'ny olona mitovy taovam-pananahana i Valentine Vu :

…majority of the population still holds prejudice against homosexuality being a disease, in fear of it being contagious, and afraid of losing face value if a friend/family member is gay.

The nation’s conservative base still recognizes homosexuality as a taboo act and not as a personal identity, more disparities between the people would happen resulting in further isolation of gay families if gay marriage is recognized without any foundation to properly support it.

… Mbola manana fiheverana diso ny fahapelahana ho aretina ny ankamaroan'ny vahoaka, ary matahotra fa sao mifindra izany, ary matahotry ny ho very hasina ihany koa raha misy pelaka ny namana na ny olona ao amin'ny fianakaviana.

Ny fiarahamonina mpandala ny nentin-drazana ao amin'ny firenena dia mbola mandray ny fahapelahana ho fady fa tsy mampiavaka manokana, mbola hitombo ny elanelana eo amin'ny olona noho ny fitokana-monina lavitra kokoa atao amin'ireo fianakaviana pelaka raha toa ka hankatòavina araka ny lalàna ny fanambadian'ny mitovy fitaovam-pananahana tsy manana fikambanana mpanohana azy ireo manokana amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.