Malek Jandali, mpitendry piano Syriana : “Mila fahalalahana ny tena zava-kanto”

Efa mivoaka ao amin'ny  Syria Untold ihany koa  ity lahatsoratra ity

Raha nidina an-dalambe ny Syriana tamin'ny Martsa 2011, dia tsy ho fanoherana ny fahefan'ny fianakaviana Assad ihany, fa noho ny tsy fisian'ny mangarahara nandritra ny folo taona. Ny haikanto amin'ny ankapobeny sy ny mozika, no tena mitàna anjara lehibe amin'ny fikorosofahan'ny zava-drehetra niaraka tamin'ny revolisiona : Hitan'ny Syriana ihany anefa fa afa-miteny izy ireo.

Nifampiresaka tamin'i Malek Jandali mpamoron-kira sy mpitendry piano malaza ny ‘Syria Untold’ mahakasika ny nipoiran'ny endrika haikanto sy mozika vaovao ao Syria. I Jandali, izay namorona ilay hira “Watani Ana” (Ny tany niaviako) hatramin'ny niandohan'ny revolisiona, ka nitantara taminay izay anjara birikiny ho an'ny firenena: Mozika ho an'ny fahafahana sy ny hitsiny, Mozika ho an'ny Syria vaovao.

Hira fanevan'ny Syriana, vahoaka afaka

Ny asakanton'ny Jandali farany, rakikira mitondra ny lohateny hoe “Hira fanevan'ny Syriana, vahoaka afaka”, ka nadikany hoe “hira faneva avy amin'ny vahoaka, ary ho an'ny vahoaka.” Niara-niasa tamin'ny orkestra kanto feo avy any Rosia sy ny mpanao redon-kiran'i Opera avy any Kairo izy hanatontosany ny hira, satria heveriny fa mendrika omena hira faneva misolo tena ny vahoaka ny Syriana.

”Manambara ny tantaran'ireo Syriana an-tapitrisany voakasika amin'ny fikomiana ankehitriny ny hira faneva: maritiora, vehivavy, ankizy ary ireo mpitsoa-ponenana. “Betsaka ny tantara, ary izahay, mpanakanto, indrindra ny mpihira dia mananjara afa-mihoatra ny fetra ara-tsosialy sy politika ary ny sisintany ara-jeografika, ka mivantana any amin'ny mahaolombelona, ao am-pon'ireo ankizy ireo.” hoy Jandali. “Mety ho feo, fa tsy akon'ireo ankizy ireo isika”. Ny mozika, izay fiteny manerantany, no afaka mitantara ny zava-mitranga sy maneho ny endrik'olombelona eo ambonin'ny fanaovana sorona sy ny tantaran'ireo ankizy be herim-po ireo.”

Nekena tamin'ny taona 1938, ny hiram-pirenena Syriana ankehitriny “Humat al-Diyar” (Mpiambina ny firenena). Niova vetivety kosa izany tamin'ny 1958, rehefa nanangana ny Repoblika Arabo Mitambatra niaraka tamin'i Ejypta i Syria, saingy izany no famantarana ny firenena hatramin'ny 1961.

Syrian pianist and composer Malek Jandali. Source: Malekjandali.com

Malek Jandali mpitendry piano sy mpamoron-kira syriana: Loharano: Malekjandali.com

Nilaza i Jandali fa tsy nanana vinavina hanao hiram-pirenena vaovao izy tamin'ny namoronany ity “Hira fanevan'ny Syriana, vahoaka afaka” saingy voninahitra ho azy kosa anefa raha hanapa-kevitra amin'izany ny Syriana. Mivelatra amin'ny teny “Syria” sy “fahafahana” izy, fanovozan-kevitra roa tsy hita amin'ny hiram-pirenena:

Syrie, Syrie ! Patrie des personnes libres et pays de la liberté. Syrie, Syrie ! Pays des blés d'or

Syria, Syria ! Firenen'ny vahoaka afaka ary toeran'ny fahafahana. Syria, Syria ! Tananan'ny varimbazaha volamena

Tao Alemana no teraka i Malek Jandali, saingy nandrato ny fianarany tany Homs, fiaviany. “Isa-maraina, dia terena hiventy sy hitadidy ireo teny tarigetran'ny fitondrana izahay,” hoy izy, ary nampiany fa “mampifandray ny faneva, ny firenena sy ny hiram-pirenena amin'ny fitondrana sy ny fianakaviana Assad,” ny fitondrana Assad ary i Syria ihany koa dia atao hoe “Syria an'i Assad”. Nilaza izy fa nitombo tao anatin'ny fihatsarambelatsihy : midera ny jadona nataon'i Assad tany an-tsekoly, mialoha ny hodiany any an-trano ao amin'ny fianakaviana iza manohitra ity fitondrana mahery setra ity.”

Fanenjehana ny zavakanto sy ny kolontsaina

“[Ireo mpanao didy jadona, amin'ny ankapobeny] no matahotra ny zavakanto sy mozika, izay fitadiavana ny marina sy ny tsara. Raha milaza ny fahamarinako aho izany, dia ho vonoina, hampijaliana na voaroaka,” hoy izy, amin'ny filazany ihany koa fa eny amin'ny hajia, eny amin'ny rindrina, ny kahie sy ny sekoly amin'ny fomba fibodoana ny faritra malalaka ao Syria, ny kolontsainy, eny fa na ny tantarany aza ny sarintavan'ny mpanao didijadona Assad.”

Mirona any amin'ny tafika avokoa ny ankamaroan'ny fanovozan-kevitra ao amin'ny hiram-pirenena. Fa maninona isika no tsy mba miresaka ny famoronana syriana toy ny abidia sy ny mozika, toy izay ny tafka sy ny ady ?” hoy ny fanontanian'i Jandali.

“Tany amin'ny moron-dranomasin'i Syria no nipoiran'ny mari-peon'ny mozika tranainy indrindra, sy ny abidia “ougaritique”, izay noheverina ho voalohany amin'ny sivilizasiona. Saingy raha tokony hanome voninahitra ny haren'ny tantaran'ny firenena ny hiram-pirenena, dia nitsipalotra tany amin'ny miaramila, “mpiambina ny firenena”.”Fa ny zava-manahirana,  ny tafika arabo syriana, raha ny marina kokoa ireo jiolahimboton'i Assad, no niavian'ny faharavan'ny fireneko syriana sy nahavita heloka an'ady mandripaka olombelona nandritra ny 29 volana. Mihoatra ny 185 000 no maty, mihoatra ny 6 tapitrisa no nitsoa-ponenana tao anatin'i Syria aryatsasaka tapitrisa lasa ivelany, ary izany dia eo imason'izao tontolo izao !”

Roa taona izay, no namoronan'i Jandali ny rakikirany hoe “Echoes from Ugarit (Ako Avy any Ougarit),” izay tiany hanomezana aina indray ny mozika nohadinoin'i Syria. Rehefa tafaverina teny amin'ny tany niaviany nandritra ny folo taona tsy nahateo azy izy dia nanolotra tetikasa tamin'ny minisiteran'ny kolontsaina sy tamin'ny orkestra mpahay mozikan'i Syria, , saingy nisedra fandavana. Milaza i Jandali fa voatery izy nangataka fahazoan-dalana avy any amin'ny Lapan'ny filoha.

Nandany valo volana vao nahazo ny fahefana ara-piarovana sy ireo karazana fahazoan-dalàna rehetra mba mitendry ny mozika syriana ao Syria,” hoy izy. “Izany no maneho ny fahalòvan'ny rafi-pitondrana, ny fomba faneren'izy ireo ny nila ravinahitra ivelan'ny firenena tahaka ahy sy ianao tratran'ny fanaratsiana na voaompa.”

Koa satria mandeha any amin'ny mifanohitra amin'ny tian'ny minisiteran'ny kolontsaina sy ny orkestran'ny mpahay mozika ny fampisehoana n,okarakarainy, dia nampangaina ho mpitsikilo i Jandali. “Te hanakana ahy hiroso lalindalina kokoa amin'ny tetikasa tahaka izany aho rahatrizay. Matahotra ny fahalalana ry zareo ary matahoatr any hisehoan'ny marina.

Mahatsapa ity mpanao mozika ity fa tsy Syria irery no manenjika ny fomba fanehoan'ireo mpanakanto, fa ny tontolo arabo iray manontolo rehetra no manao izany. Nataony ohatra amin'izany ny “lakandranon'i Suez” ao Ejypta sy ny fanafarana an'i Verdi, mpamoronkira italiana, tamin'ny redon-kira opera “Aida” nandritra ny lanonam-pitokanana. “Fa maninona isika no tsy nanana mpanao redon-kira opéra arabo ho fankalazana ny fitokanana ny lakandranon'i Suez ? Fa tsy ny razantsika ve no namorona ny mozika ?” hoy ny fanontaniany.

“Ompa amin'ny mpihira arabo izany,” hoy izy. “Aiza ireo amboaram-peonkirantsika, ireo mpiredon-kirantsika? Isika no mpamorona saingy tsy manam-peo.”

Taranaka Mpanakanto Vaovao

Milaza i Jandali fa matahotra ny “fahefana malefaka” izay afaka manova ny toe-tsain'ny olona ny mpanao didy jadona, izany no mahatonga azy sorena amin'ny mpanakanto sy ny manampahaizana. Efa niharan'izany fanenjehana izany manokana izy. Na dia efa nandao ny fireneny nandritra ny taona maro aza izy, dia mbola nandroba ny tranony imbetsaka ireo manam-pahefan'ny fitondrana ary midaroka mafy ireo havany akaiky (ray aman-dreny) ho valimbontan'ny asam-panoheana ataony. Saingy niteraka firoboroboan-taranaka artista vaovao ny revolisiona, izay niala tamin'ny taona ampolony nnanaovana ny propagandim-panjakana hita amin'ny vokatra artisitika.

“Tsy maintsy misy ny fahalalahana hamokatra. Mila fahafahana ho amin'ny haikanto tena izy, ho amin'ny fahalalàna sy ny kolontsaina, ho amin'ny fivoarana sy ny fandrosoana. Raha tsy misy fahafahana dia tsy misy na inona na inona.”

Jandali ihany no mpanohana ara-bolany tamin'ny famokarana ny tsangan'asany rehetra hatramin'ny nanombohan'ny revolisiona. Nomeny hanampiana ireo ankizy syriana mijaly, amin'ny alalan'ny fampisehoana gala manerana izao tontolo izao ny fotoanany sy ny mozikany. Ary manontany ity mpanakanto hoe “rahoviana re ireo fikambanana syriana vao hihetsika sy hanohana ireo mpanakanto syriana vitsy izay mirona any amin'ny olona mitady fahafahana sy ny zo fototra”.

Toy izao ny dikan'ny tononkira farany nataony, “Hira Faneva syriana an'ny vahoaka afaka”:

Syria, Syria ! firenen'olona afaka sy tanin'ny fahafahana

Syria, Syria ! tanin'ny varimbazaha volamena

O ry fireneko, ankanin'ny sivilizasiona, nanome aingam-panahy ny mpanoratra ny vakokany

Tanindrazan'ireo olona mitana ny teniny, fonenana farany ifaharan'ny maritiora

Mamirapiratra farany Ny masoandrontsika no manazava ireo nodimandry, miakatra eny amin'ny lanitra avo ny voromaherintsika

O ry fireneko, Onin'ny hatsaram-panahy

Ny voninahiny voarakitra amin'ny vatofisaka sy ny vatotsangana

Tanin'ireo mpaminany, ny abidia ary ny mozika

Mivavaka amin'Andriamanitra izahay mba tsy handaozany ny fireneko, ny fianakaviako

Ireo fototr'olivan'ny razambeko, sy ny tanan'ny ankizy

Syria, Syria ! firenen'olona afaka sy tanin'ny fahafahana

Syria, Syria ! firenen'olona afaka sy tanin'ny fahafahana

 

Azo jerena amin'ny Syria Untold ihany koa ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.