Ny Fanenjehan'ny Fitondrana Shinoa Ireo Tranonkala Mahaleotena “Tsy Ara-dalàna”

Tranonkala “tsy ara-dalàna” mihoatra ny 100 no nakaton'ny fitondrana Shinoa hatramin'ny fanombohan'ny volana mey. Maro ny mihevitra fa izao fanenjehana izao dia mikendry ireo tranonkala mahaleo tena mpiaro ny fahalalaha-pitenenana any amin'i Shina Tanibe.

Araka ny Sampan-draharaham-Panjakana misahana ny fampahalalam-baovao an'aterineto, nakatona ireo tranonkala 107 ireo [zh] noho ny tsy fahazoany alalana amin'ny fomba ofisialy hijoro sy handeha, lazaina fa misoloky ny governemanta sy ny sampan-draharaha ofisialy amin'ny fampiasana ny voambolana “Shina” sy “vahoaka” amin'ny anarany.

Tsy fahazoan-dalana hiasa sy lisansa ho an'ny tranokalam-baovao

Ny tranokalam-baovao izay te-hamoaka votoatin-doharanom-baovao dia tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana amin'ny fanaovana izany araka ny napetraky ny Sampan-draharaham-panjakana misahana ny Vaovao an'Aterineto, nanankery tamin'ny Septambra 2005. Ny tadiavin'ity didim-pitondrana ity dia ny hiantohana fa ny vaovao zarain'ny vavahadim-pampahalalam-baovao dia avy amin'ireo fehezin'ny fanjakana irery ihany sy ireo media ekena ny loharanom-baovaony, tahaka ny Gazetim-bahoaka, vaovaon'ny Xinhua ary ireo sehatra hafa izay mivandravandra sy miavaka tokoa ny propagandin'ny manampahefana. Maro amin'ireo tranonkala iharan'ny fanenjehana no tsy nahazo fahazoan-dalana.

Ny tranonkala hafa maro indray tsy nanoratra ny valany [domaine] araka ny tokony ho izy. Mba ahafahana miasa ara-dalàna any Shina, rehefa manoratra ny valany, dia tsy maintsy mahazo ny lisansa avy amin'ny Minisiteran'ny Indostrian'ny Fampahalalam-baovao ireo mpanolotra votoaty an-tserasera. Rehefa tafapetraka ireo zavatra ireo, dia tsy maintsy mamaly ny zavatra takian'ny governemanta amin'ny fanesorana votoaty na mombamomba ny mpisera ny webmasters.

Miteraka sakana maro izay matetika maha-tapi-dala-kaleha ho an'ny tsirairay na vondron'olona kelikely ireny fepetra isan-karazany ireny. Maro no tsy ampy loharanom-bola hampifanarahana amin'izay takian'ny governemanta amin'ny fanesorana votoaty na angona momba ny mpisera satria lasa asa manokana feno ho an'olona iray na vitsivitsy izany. Ny hafa indray tsy mahavita mahaloa ny lisansa lafo dia lafo hahafahana mamoaka votoaty an-tserasera.

Mba hidifiana amin'ireo fombafomba maro atao eny amin'ny birao ireo, dia misy ny sasany misafidy hiditra ho “sampana an'aterineton'ireo” andry na fikambanana ireo. Amin'izao fotoana izao, maro ny tranonkala tsy miankina no misoratra anarana ho “sampana an'aterineto” an'ireo fikambanana mijoro ka hiteraka voina manahirana ny fanenjehana mivantana ireo “sampana an'aterineto” ireo.

Filazana fa fisolokiana

Ampangain'ny manampahefana ihany koa ny sasany amin'ireo tranonkala ireo ho misoloky olona, andrim-panjakana ary fikambanana amin'ny alalan'ny fitarainana, fanarahamaso ny kolikoly ary ny asam-piarovan-jò an-tserasera.

Misy tokoa amin'ireo tranonkala enjehina ireo no mibizina amin'ny alalan'ny fanaovana tolotra famafana ireo votoaty ho an'ny fikambanana na olo-tsotra, ka avy amin'izany no hanesorany ireo fanamarihana na fanehoa-kevitra manala baraka izay mampalahelo ny mpanjifany. Misy ny tranga ireo mpanao tolotra famafana ny votoaty ihany no mamoaka ireo lahatsoratra manala baraka, ka avy amin'izany no handraisany sara mba hanesorana ilay votoaty.

Saingy ny ankamaroan'ireo lazaina fa “asam-pisolokiana” dia fandraisana an-tanana ataon'olo-tsotra hamoahana ny kolikoly ataon'ny manampahefana sy mpikambana ao amin'ny antoko. Tamin'ny Jolay 2013, nobahanana [tsy ho hita any Shina] ilay mpanaitra momba ny kolikoly Zhu Ruifeng ao amin'ny Remin Jianduwang izay voasoratra ao Hong Kong. Voampangan'ny manampahefana Shinoa tsy indray mandeha ihany ho mirotsaka ao amin'ny fisolokiana i Zhu.

Fampiasana tsy nahazoana alalana ny voambolana “Vahoaka”, “Shina” ary “Shinoa”

Ireo tranonkala mampiasa ny voambolana tahaka ny “vahoaka”, “Shina” ary “Shinoa” raha milaza ny tenany dia heverina ho “misandoka” ary dia azo tsaraina ho “tsy ara-dalàna”.

Fepetra malaza amin'ny fisoratana anaram-pikambanana tsy miankina [ONG] ny tsy fahafahan'ny fikambanana mampiasa ireo voambolana ireo afa-tsy hoe eo ambany fanaraha-mason'ny fitondrana Shinoa na antoko komonista shinoa ilay fikambanana. Ankehitriny moa dia nohitarina amin'ny tontolon'ny serasera izany didim-pitondrana izany.

Ho fanamarinana ny fanenjehana, milaza ny manampahefana shinoa fa mandiso hevitra ny olona ny tranonkala toy ny “Feon'ny Vahoaka” (人民之聲) na “Fiantsenan'ny Vahoaka” (人民購物網), “Vaovaon'ny Vahoaka”(人民要聞) satria mampihevitra diso fa ao anatin'ny rantsan'ny solombavan'ny Antoko antsoina hoe “Gazetim-Bahoaka” ireo tranonkala ireo. Ny vahaolana dia ny fanakatonana miaraka ireo tranonkala rehetra ireo.

Anisan'ny maro amin'ny tranonkala nakatona ireo miezaka ny manokatena ho amin'ny zo ara-dalànan'ny olom-pirenena sy miady amin'ny kolikoly, ka ao anatin'izany ny Zo an'aterineto araka ny Lalànan'i Shina (中国法制权益网), Dinika miady amin'ny kolikoly Xiaoxiang (潇湘反腐论坛), Fiarovana Ny Zo an'Aterineto Voafaritry ny Lalàna (法律维权网), Rafitra Fanaraha-maso Ara-dalàna an'i Shina (中国法制监督网), Fanaraha-maso ny zon'ny vahoaka (人民权利监督运行网), Tatitry momba ny fitsarana (法制报道网), Fanangona-tsoniam-bahoaka (人民信访网), ary ny fikambanana maro hafa mitovitovy amin'izany.

Araka ny naoty navoakan'ny manampahefana ao amin'ny governoràn'i Xianyang [zh], ikendrena hanakatonana ireo tranonkala tsy miankina mampiasa mpanao gazety hanao matoan-dahatsoratra ny fanentanana telo volana natao. Raha tsaraina avy amin'ny lisitra fanenjehana, maro ny mpiserasera Shinoa no mino fa ny olom-pirenana sy tranonkala mpanara-maso mahaleo tena no lasibatra mba hitarihana indray ny olona ao Shina ho liana amin'ireo mpitondra tenin'antoko.

 

Hajian-tsary noraisin'ny mpisera Flickr Social Media Max (CC: AT-NC-SA)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.