Hetsi-panoherana Makedoniana Manoloana Ny Fanesorana Hazo Ao Skopje

Raha manomboka manjera ny hazo amin'ny ampahany ao an-jaridainan'i Bristol afovoan-tanànan'i Skopje ny mpiasa hananganana Fanorenana vaovao manana ny endrika “baroque” ho an'ny Filakevi-Pirenena Makedoniana Misahana ny Fampielezam-Peo sy Sary tamin'ny faran'ny herinandro voalohan'ny volana aogositra, dia nivory hanohitra izany ny olom-pirenena Makedoniana. Tahaka izay nisy tao Torkia sy Serbia izay akaiky an-dry zareo, ny hetsi-panoherana dia niainga tamin'ny hazo vitsivitsy ary niaka-danja mankany amin'ny resaka politika sy fanaovan-dalàna ao amin'ny firenena.

Nibahana ny 300 metatra manodidina ny toerana ny fiadidiana ny tanànan'i Skopje ho fiarovana ary tsy navela handalo eo ny fiara raha nanomboka ny asany niaraka tamin'ny tsofa ny ireo mpiasa ny asabotsy 3 aogositra 2013, noho ny fanairana teo aloha sy ny fihetsiketseha-panoheran'ny mpikatroka izay kelikely mpandray anjara kokoa. Raha miezaka ny hivory eo amin'ny zaridaina ny mpanao fihetsiketsehana dia nitatitra ny mponina manodidina ny toerana fa noraràna tsy hivoaka ny tranony ry zareo, izay nohazavain'ny manampahefana fa karazana fitandremana tsy ho tratran'ny voina fotsiny ihany.

Ao amin'ny lahatsoratry ny Libertas mitondra ny lohateny hoe “Mikasika ny Fandripahana ao Bristol” ny fanavazavana ny antsipirihany tamin'izany maraina voatonona izany, sy ny fanamarihana manokana ny tsy fanarahan-dalàna sasantsasany tamin'ilay fihetsika. Nandahatra lisitra ny mpanoratra Nicholas Naumoski:

Пристапот со кола беше забранет во радиус од 300 метри.

Луѓе што сакале да се приклучат на протестот одејќи низ Градски Sид биле запрени од полицијата и задржувани со потреба од претрес. На крајот не ги пуштиле да поминат.

Ниту полицајците ниту дрвосечачите немаа никаков документ (наредба, овластување или решение) за сечење на дрвјата. Наспроти тоа, Советот на Општина Центар на првата своја седница ја прифати иницијативата на Плоштад Слобода за зачувување на парковите околу Бристол со што се искажа политичка волја за нивно опстојување и обновување. Прикажаниот документ со печатот на општината и потписот на Градоначалникот и Претседателот на Советот не му значеше ништо на командирот затоа што тој примил „усна“ наредба.

Tsy nahazo nidiran'ny fiara ny 300 metatra manodidina.

Nosakanan'ny polisy sy notazonina hanaovana fisavana ireo olona te-handray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana manaraka ny rindrin'ny tanàna. Navotsotra ry zareo tamin'ny farany.

Tsy manana antota-taratasy hanapahana ny hazo na ny mpanapaka hazo na ny polisy (iraka mampanao ny asa, fahazoan-dalana na didim-pitondrana). Mifanohitra amin'izany, nanaiky ny fanapaha-kevitry ny Fahalalahan'ny Kianja hitandro ny zaridaina manodidina an'i Bristol, izay maneho ny faniriana politika hitandroana ny fahaveloman'ny hazo sy ny famerenana azy amin'ny toetrany taloha, ny Filakevitra Monisipaly Afovoany, nandritra ny fivoriana andiany voalohany nataony. Tsy nisy dikany tamin'ny mpitarika polisy ny antota-taratasy natolotra nahitana ny tombokasen'ny minisipalite sy ny sonian'ny Ben'ny Tanàna sady Filohan'ny Filankevitra satria nandray baiko “am-bava” izy.

Ny ampitso, izany hoe ny alahady, niditra tao amin'ny tambajotra sosialy ny mpiserasera hanomana ny fihetsiketsehana manaraka ao Bristol ary nitatitra [mk] ny hivorian'ny mpanao fihetsiketsehana eo amin'ny toerana.

Trees being cut down at the park in Skopje; photo by @blagdusha on Twitter, used with permission.

Hazo notapahina tao amin'ny zaridainan'i Skopje; saripika @blagdusha hita ao amin'ny Twitter, nahazoana alalana.

Na dia vitsy kokoa noho ny nantenaina aza ny tonga tamin'ilay fihetsiketseha-panoherana, maro ny Makedoniana no nampitaha tao amin'ny tambajotra sosialy azy ity amin'ny kianjan'i Taksim na ny zaridainan'i Gezi. Nanoratra ny mpisera Twitter Gotze :

Lavitra an'i Taksim i#Bristol , sy isika raha oharina amin'ny mpanao fihetsiketsehana tiorka… Tamin'ny andro tokony hahazoana valiny maro indrindra dia olona zara raha nahatratra 250-300 no niseho…

— Gotze (@Gordiev_jazol) August 4, 2013

Nahazo olona 300 eo ho eo ny hetsi-panoherana, raha nalefa hijoro manodidina ny toerana indray ny polisy. Namoaka raki-tsary [mk] ahitana ny barazy sy ny hetsi-panoherana tamin'ny alahady ny habaka Macedonian Plus Info, raha ny sary sy lahatsarin'ny [mk] fanombohan'ny fanapahana hazo tamin'ny efatra maraina, izay hafahafa ihany fa nandritra ny alin'ny Asabotsy hifoha Alahady, ny Libertas, ka nilaza ilay asa alina ho “katahotra”. Nanamarika ny mpisera tambajotra sosialy sasantasany fa tena nilamina tokoa ny hetsika, ary vitsy ny polisy teo amin'ny toerana nanaovana fihetsikesehana ary nanara-morona [mk] ny ankamaroan'ny polisy tamin'ny ankapobeny.

Heverinan'y olom-pirenena ao Skopje ho marika famantarana iray ny afovoan-tanàna ny zaridainan'i Bristol. Na dia nisy aza ny diso fanantenana tamin'ny fahavitsian'ny olona nanao fihetsiketsehana tamin'ny Alahady, maro ireo niteny fa fanombohan'ny zavatra ngezangeza kokoa iny noho ny olona leo amin'ny fanapaha-kevitra boraingona tahaka izao raisin'ny andri-panjakana mahefa. Efa tafala avokoa moa ny hazo tao amin'ilay zaridaina ary efa an-dalana ny fananganana ny tranon'ny Filakevi-Pirenena Makedoniana misahana ny fampielezam-peo sy sary.

Construction site where the trees at Bristol Park used to stand; photo by @blagdusha on Twitter, used with permission.

Fanangana-trano eo amin'ny toerana nahazatra nahitana ny alan'i Bristol; saripika @blagdusha hita ao amin'ny Twitter, nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.