Brezila: ‘Ny Tena Lehilahy Tsy Midaroka Vehivavy ‘

Salan'isa mampivarahontsana: Vehivavy Breziliana iray amin'ny dimy no fantatra fa hiharan'ny herisetra ao an-tokantrano. Tafiditra amin'izany ny herisetra ara-batana, ara-tsaina, ara-piontanam-po ary ny fanolanana ao an-tokantrano. Matetika ny sipa, ny vady, ny sipa na vady taloha, ary lehilahy ao amin'ny fianakaviana no mpisetrasetra.

Manoloana izany olana izany, nisy ny fanentanana an-tserasera nampahafantarina tamin'ny fiandohan'ity taona ity, izay manentana ireo “tena lehilahy” hampiseho firaisankina manohitra ny herisetra ao an-tokantrano.

Tamin'ny volana Martsa 2013 lasa teo, nanatontosa fanentanana antsoina hoe (Homem De Verdade Não Bate Em Mulher) “Ny tena lehilahy Tsy midaroka vehivavy ” ny banky iraisam-pirenena, miaraka amin'ny Ivotoerana [pt] Maria da Penha Fernandes, anatin'izany ny hetsika sy ny fikambanam-behivavy miaro ny zon'ny vehivavy.

Nandray anjara tamin'ity hetsika ity tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Banky Iraisam-pirenena ireo atleta breziliana, mpilalao sarimihetsika sy mpikambana avy ao amin'ny fiarahamonim-pirenena mba handrisika ireo Breziliana hanohitra sy hanameloka ny herisetra ao an-tokantrano ao Brezila. Nandefa ny sarin'izy ireo manokana mihazona sora-baventy ahitana ny teny filamatry ny hetsika amin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #souhomemdeverdade, amin'ny teny portiogey hoe “Tena lehilahy aho” ireo mpandray anjara tao amin'ny FacebookTwitter ary Instagram

Real men don't beat women. Source: Banco Mundial Brasil on Facbook

“Ny Tena Lehilahy Tsy Midaroka Vehivavy”. Sary avy amin'ny Banco Mundial Brasil tao amin'ny Facebook

“Isaky ny efatra minitra, vehivavy iray no mamoy ny ainy noho ny herisetra ao an-tokantrano ao Brezila”, araka ny  salanisa nampahafantarina nandritra ny fihaonambem-pirenen'ny biraon'ny mpampanoa lalàna ao Rio Grande do Sul tamin'ny volana Martsa teo:

Os números assustam. (…) Esta é a principal causa da morte de mulheres entre 16 a 44 anos. Desses crimes, 99% são causados por ciúme e possessividade; 77% dos conflitos ocorrem depois da separação.

Mampivarahontsana ny salanisa. (…) Anisan'ny antony voalohany mahafaty ireo vehivavy eo anelanelan'ny 16 sy 44 taona ny herisetra ao an-tokantrano. Ka 99 isan-jato dia vokatry ny fahasarotam-piaro; ary nohon'ny ady aorian'ny fisarahana kosa ny 77 isan-jato.
"No woman looks good in purple". Domestic violence by pablobasile on Deviantart (CC BY-NC-ND 3.0)

“Tsy tsara ho an'ny vehivavy ny loko volomparasy”. Herisetra ao an-tokantrano, hoby pablobasile ao amin'ny Deviantart (CC BY-NC-ND 3.0)

Nitatitra ny Sarintanin'ny Herisetra 2012 (Mapa da Violência de 2012) [pt, PDF] fa vehivavy 91.930 no maty vokatry ny vono ao Brezila teo anelanelan'ny taona 1980 sy 2010. Farafahakeliny, vehivavy 4,5 amin'ny 100.000 no maty voavono. Ao amin'ny fanjakana Breziliana Espírito Santo, Alagoas, sy Paraná no ahitana taha ambony indrindra.

Nilaza ny fandaharana manokana momba ny fanadihadiana mikasika ny famonoana vehivavy ao Brezila [pt, PDF] fa “68,8 isan-jato amin'ireo famonoana vehivavy dia ao anatin'ny tokantrano avokoa” izay eo amin'ny salan-taona 20 ka hatramin'ny 49, “65 isan-jaton'ny herisetra dia ataon'ny vady, sipa na vady/sipa taloha. Nitatitra ihany koa ny fanadihadiana fa :

entre os 84 países do mundo que conseguimos dados a partir do sistema de estatísticas da OMS o Brasil, com sua taxa de 4,4 homicídios para cada 100 mil mulheres ocupa a 7ª colocação, como um dos países de elevados níveis de feminicídio

amin'ireo firenena 84 nahazoanay vaovao avy amin'ny sampan-draharaha misahana ny antotanisa ao amin'ny OMS [Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana], laharana faha-7 amin'ireo firenena ahitana taha ambony indrindra amin'ny famonoana vehivavy i Brezila, izay famonoana vehivavy 4,4 amin'ireo 100.000.

Araka ny filazan'ny Wikigender:

Murders of women rates (each 100 thousands women) Brazil 1980-2010.

Ny isan'ireo vehivavy maty voavono isak'ireo vehivavy 100.000 ao Brezily tamin'ny taona 1980-2010. Loharano: Map of Violence of 2012

Tsy tafiditra tao amin'ny fehezan-dalàna famaizana Breziliana ny herisetra ao an-tokantrano raha tsy tamin'ny taona 2006, tamin'ny fandaniana ny lalàna 11.340 tamin'ny 7 Aogositra 2006, izay fantatra amin'ny anarana hoe lalàna Maria da Penha [nomena ny anaran'i Maria da Penha Fernandes [pt], iray amin'ireo olo-malaza tao amin'ny hetsika miaro ny zom-behivavy ao Brezila. Na dia teo aza ireo ezaka vita vao haingana, tsy teo anivon'ny lalàna ihany, fa eo anivon'ny ara-tsosialy sy ny andrim-panjakana, mbola ambony dia ambony ny tranganà herisetra ary zara raha mahazo fitarainana na fitoriana ireo manampahefana, noho ny tahotry ny valifaty, na tahotry ny mbola hiharan'ny herisetra indray sy ny fanilikilihan'ny fiarahamonina.

Mampalahelo, mbola tsy ahitana fihenana ireo antotanisa ireo. Nitombo in-16 ny fangataham-bonjy ao amin'ny Foibe Famonjena ireo Vehivavy Breziliana tao anatin'izay taona vitsy izay

“Tsy salama saina ireo lehilahy mamono vehivavy”

Nikarakara fifaninana Fanadihadiana fohy mikasika ny lalàna Maria da Penha ny Banky Iraisam-pirenena, izay niarahana tamin'ny Kongresy nasionaly Breziliana sy ny Fahitalavitra Camara TV, ka nisafidy tantara fohy dimy manasongadina ny fiainan'izy ireo:

Laharana voalohany: Vondrom-behivavy manao hetsi-panoherana ny herisetra fanavakavaham-behivavy ao Sao Paulo [lahatsary: Maria Maria]

Laharana Faharoa: Tao anatin'ny vondrom-behivavy mpanao asa-tanana, nahazo hery i Carmen ka nandao ny sakaizany mpampijaly azy. [lahatsary: Divas – Feom-behivavy (Female Voices)]

Laharana faha-3: Lucilia, vehivavy vazimba teratany, imbetsaka nitory ny sakaizany teny anivon'ny polisy, kanefa tsy nanao fanadihadiana mihitsy ny polisy [lahatsary: Lalàna mitovy ho an'ny Rehetra (One Law for All)]

Laharana faha-4: Silvia, mpikatroka ny zom-behivavy, maty novonoin'ny zaodahiny izay mpamono ny  rahavaviny [lahatsary: Sílvia]

Laharana fahadimy: Veronica, Carmen, sy Sara, nahavita nandositra ny vadin'izy ireo izay mpisetrasetra [lahatsary: (Life Stories Marked by Domestic Violence)]

Nanoratra tao amin'ny bilaoginy ilay mpikatroka ny zon'olombelona, Natasha Baker, rehefa nahita ny fiainana sy ny asan'i Maria da Penha fa “Iray amin'ireo tombotsoa lehibe amin'ny tambajotra serasera ny mahita ireo fikambanana, orinasa sy hetsika izay mitondra fanantenana eo amin'izao tontolo izao”. Ho an'ireo izay mikasa hametraka fitarainana momba ny herisetra ao an-tokantrano na izay herisetra momba ny fanavakavahana ao Brezila, antsoy ny 180:

Tsy salama saina ny lehilahy mamono vehivavy. Ampahafantaro izany amin'ny alalan'ny fiantsoana ny 180

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.