Mamela Ny Helok'Ireo Izay Manevateva Azy Ny Emir Ao Koety

Namoaka famelàna heloka ho an'ireo izay nanevateva azy ny mpitondra ao Koety androany [30 Jolay] – maro tamin'ireo nahazo famelàna no efa nisazy noho ny faniratsiràna ny mpitondra tato amin'ny aterineto. Naneho hevitra manoloana ity fihetsik'i Sheikh Sabah Al Ahmed Al Sabah ity ireo mpiserasera.

Tao amin'ny Twitter, maro ireo niarahaba ity fihetsika ity raha toa kosa ka tsy mino izany ny hafa ary nanambara fa nampiasa ny zony haneho hevitra an-kalalahana ireo voampanga sy voaheloka, hatramin'ny 11 taona an-tranomaizina. Araka ny lalàna Koesiana, voaràra ny fanevatevana mpanjaka satria “tsy azo hitsakitsahana” ny fitondrana Emir.

Niarahaba ny fanapaha-kevitra i Majid Jaber Al Enzi welcomed the move tamin'ny filazany hoe [ar]:

Mino aho fa aorian'ny famelàn'ny Emir, tokony hanadino ireo lasa maro ny tsirairay ary hivadika pejy vaovao izay tokony ho tony ao anatin'ny torohevitra sy ny fifampiresahana.

Tariq Al Kindari nanampy hoe:

Taorian'ny famelàn'ny Emir ny helok'ireo tanora nisazy an-tranomaizina, matoky aho fa hisy ny fanapaha-kevitra politika ho amin'ny fampihavanam-pirenenana, ny fanovana ara-politika sy ny fiverenana amin'ny laoniny

Dr Hussain bin Hadba nisioka hoe:

Mino aho fa hampitsahatra ny kolontsaim-paniratsiràna mpitondra tsy amin'ny antony ny famelàna heloka androany ary hialantsika ny fiheverana ho mahazo tombony amin'ny alalan'ny faniratsiràna sy ny fanalam-baraka

Ho setrin'izany, Musaed Al Musaylem nisioka hoe:

Tsy nahavita zava-dratsy tokony hamelana heloka ireo

Khaled Al Barrak nanampy hoe:

Tsy nanao ratsy azy ireo tokony hamelana heloka na ialana tsiny ny tanora. Raha misy olona tokony hiala tsiny, dia ireo manampahefana izay nihoatra ny voalazan'ny lalampanorenana

Khaled Al Tawari namaly hoe:

Misy ny vahaolana tsotra ho anareo izay tsy mankasitraka ny famelàna heloka. Ataovy izay nataon'izy ireo ary gadraina ianareo, ary aza ekena ny famelàna avy eo. Mahereza ary mifikira amin'ny lanjanareo sy ny herimponareo voasoratra anaty tarehin-tsoratra 140!

Maro tamin'ireo nahazo famelàna [10 araka ny tatitra] no nisazy an-tranomaizina noho ny fandefasana sioka voalaza fa naniratsira ny Emir. Tamin'ny volana lasa iny nisy vehivavy mpampianatra Koesiana nahazo sazy an-tranomaizina 11 taona ka anatin'izany ny fanevatevana Emir tao amin'ny Twitter. Tsy fantatra mazava raha anisan'ireo nahazo famelàna ity mpampianatra ity na tsia.

Araka ny filazan'ny mpanara-maso ny Zon'olombelona, nanomboka tamin'ny Oktobra 2012, olom-pirenena 35 farafahakeliny no voampanga tao Koety noho ny faniratsiràna Emir, anisan'izany ireo mpikatroka antserasera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.