Namoy Ny Ainy I Christian Benítez, Mpilalao Baolina Ekoateriana

Namoy ny ainy tamin'ny 29 Jolay 2013 teo ilay mpilalao baolina kitra Christian Rogelio Benítez Betancourt, araka ny vaovao nivoaka tao amin'ny pejy ofisialin'ny klioba Qatari El Jaish. Mbola tsy fantatra ny antony nahafaty tampoka an'i “Chucho” Benítez (anarana tena ahafantarana azy ihany koa).

Tao Meksika (firenena nilalaovan'i Benítez baolina farany niaraka tamin'ny klioba América nandritra lalao fiadiana tompon-daka), anisan'ireo voalohany nitatitra ny vaovao ilay mpanao gazety Paola Rojas (@Paola_Rojas_H) [es]:

@Paola_Rojas_H: Medios ecuatorianos informan que murió el goleador “Chucho Benítez” por un paro cardíaco.

@Paola_Rojas_H: Nitatitra ny fampahalalam-baovao Ekoateriana fa namoy ny ainy ilay mpamono baolina “Chucho Benítez” noho ny fijanonan'ny fitempon'ny fony tampoka.

Naneho ny alahelony ireo mpanohana marobe an'ity klioba meksikana voalaza eto ambony ity. Anisan'izany i Jessy (@_Jessy19) [es], mpisera Twitter izay nampatsiahy ireo zava-bitan'i Benítez:

@_Jessy19: Chucho Benítez te fuiste del América: 79 partidos jugados,52goles,TriCAmpeón de goleo y CAMPEÓN… ¡Gracias CHUCHO! Te vamos a extrañar

@_Jessy19: Nandao an'i América ianao Chucho Benítez: nandray anjara lalao 79, nahatafiditra baolina 52, In-telo voahosotra ho mpamono baolina mendrika indrindra sy TOMPONDAKA… Misaotra CHUCHO! Banga anao ny fiainanay.

Nanambara i Omar Cerrillo (@ocerrillo) [es], fa na dia tsy mpanohana ny Klioba América aza izy dia mahatsiaro malahelo, ary nampatsiahy ny nahazo an'i Salvador Cabañas, mpilalao baolina voatifitra teo amin'ny lohany tamin'izy nilalao tao amin'ity klioba ity:

@ocerrillo: Que mala suerte en el #America. Primero Cabañas y ahora Benitez. Es triste, aunque uno sea antiamericanista.

@ocerrillo: Indrisy ity mahazo an'ny #America. Cabañas tamin'ny voalohany ary i Benitez indray izao. Mampalahelo izany, na dia tsy mpanohana an'ny América aza.

Mpilalao baolina kitra Meksikana Javier “Chicharito” Hernández (@CH14_) [es] nirary fampiononana ho an'ny fianakavian'i Benítez:

@CH14_: Muy triste y en shock x la noticia del fallecimiento de Chucho Benítez, pronta resignación a su familia y seres queridos… #animoEcuador

@CH14_: Malahelo mafy ary voadòna ny fo manoloana ny vaovao nahafatesan'i Chucho Benítez, mirary fampiononana ho an'ny fianakaviany sy ireo namany akaiky… #animoEcuador

Ao Ekoatera, Daniela Hidalgo (@danielahidalgom) [es] nilaza izao manaraka izao momba ny fahafatesan'i Benítez:

@danielahidalgom: Esta madrugada falleció en #Qatar el #ChuchoBenitez producto de un infarto, El fútbol ecuatoriano de luto

@danielahidalgom: Namoy ny ainy androany vao maraina tao #Qatar i #ChuchoBenitez noho ny fijanonan'ny fòny tampoka, misaona ny baolina kitra Ekoateriana

Naneho ny alahelony ihany koa i Janina Mendoza (@janimendoza12) [es] noho ny fahalasanan'ity mpilalao baolina kitra ity:

@janimendoza12: Nuestro futbol con terrible pérdida. Noo qué lamentable noticia lo del #chuchoBenítez falleció de paro cardíaco en Qatar. QEPD

@janimendoza12: Fahaverezana lehibe ho an'ny lalao baolina kitra izao. Mampalahelo tokoa ny fahalasanan'i #ChuchoBenítez noho ny fijanonan'ny fitempon'ny fony tao Qatar. RIP

Naneho hevitra ihany koa i Joseph Blatter (@SeppBlatter) [es], Filohan'ny FIFA:

@SeppBlatter: Consternado por el fallecimiento de Chucho Benítez. Mis pensamientos están con su familia y el fútbol ecuatoriano.

@SeppBlatter: Sanganehana manoloana ny fahalasan'i Chucho Benítez. Mirary fampiononana ho an'ireo fianakaviany sy ny baolina kitra Ekoateriana.

Teraka tao Quito, Ekoatera tamin'ny 1 Mey 1986 i “Chucho” Benítez. Teo amin'ny tontolon'ny asany, niovaova ekipa izy. Teo amin'ny sehatra iraisampirenena, tamin'ny Ligy Voalohany tao Angletera tao an-tanàndehibe Birmingham no nahafantarana azy , ary vao haingana, fantatra tamin'ny fandresena nandritra ny lalao LigaMx tao Amerika Latina nilalaovan'ny Klioba América avy ao andrenivotra Meksikana izy.

Sary avy amin'ny Wikimedia Commons.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.