Vehivavy Kandidà Amin'ny Fifidianana Kambojiana

Ho fanamaroana ny fisoloantena ataon'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny politika, dia namoaka sarintany ahitana ny fanadihadiana momba ny vehivavy kandidà mandray anjara amin'ny fifidianana izay ho ao amin'ny Antenimieram-Pirenena ny Cambodian Center for Human Rights (CCHR=Ivotoerana Kambojiana Ho amin'ny Zon'Olombelona).

Ny CCHR dia fikambanana ao an-toerana miady ho amin'ny zo ara-tsivily sy zo ara-politika ao Kambodza ary mavitrika amin'ny fampiasana ny fitaovan-tseraserra vaovao amin'ny fitondrana ny fisoloam-bavany. Hotontosaina amin'ny 28 jolay ny fifidianana ao Kambodza.

Ny angona nampiasaina hananganana ny sarintany, izay ampiatranoan'ny sithi.org, dia mifototra amin'ny fandraketana ofisialy navoakan'ny Komitim-Pifidianana Nasionaly (NEC).

Map of women candidate in 2013 Election in Cambodia

Araka ny hita ao amin'ny sarintany, dia 18,96 isan-jato monja (168 amin'ny 886) amin'ny kandidà tompon-toerana ny vehivavy hita ao amin'ny lisitry ny kandidà amin'ny fifidianana; 25,69 isan-jato (260 amin'ny 1012) ny kandidà mpisolo toerana raha miala ny tompon-toerana; ary 22,55 isan-jato (428 amin'ny 1828) no kandidà sady tompon-toerana no mpisolo toerana vehivavy, amin'ireo antoko politika valo mifaninana amin'ny fifidianana. Amin'ny alalan'ny sarintany ihany koa no ahafahan'ny mpijery mamaritra ny isan'ny vehivavy kandidà isaky ny antoko sy faritany.

Araka ny CCHR, ny fahavitsian'ny fisoloantena na eo amin'ny kandidà vehivavy tompon-toerana sy mpisolo toerana dia ahafahana maminavina fa mbola heverina ho ambin-tsafidy ihany ny vehivavy ao amin'ny antoko politika misy azy avy.

Notsipihan'i Chor Chanthyda, mpandrindran'ny tetikasa ho fampiroboroboana ny fisoloantenan'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny politika, nandritra ny famoahana ho hitam-bahoaka ny sarintany ny tanjon'ny fandraisana an-tanana:

By incorporating data analysis of women candidates for the 2013 National Assembly Elections into an interactive map, we are able to present a full picture of women candidates standing for election to the National Assembly across Cambodia. We hope that the map will inform the public about which political parties have the highest and lowest level of women candidates in their election lists; we also hope that, after the elections, the map can be used as a monitoring tool to compare numbers of women candidates and women elected to the National Assembly.

Tamin'ny fampidirana ny tahirin-kevitry ny vehivavy kandidà hifaninana amin'ny fifidianana ho ao amin'ny Antenimieram-Pirenena, tao amin'ny sarintany ifandrimbonana, no nahafahanay mampiseho sary feno ny vehivavy mijoro hifaninanna amin'ny fifidianana ho [depiote] manerana an'i Kambodza. Manantena izahay fa hampahafantatra amin'ny vahoaka amin'izay antoko be sy vitsy vehivavy kandidà indrindra ao amin'ny lisitry ny hofidian-dry zareo ny sarintany.; manantena ihany koa izahay, fa aorian'ny fifidianana, dia ampiasaina ho fitaovana hampitahàna ny isan'ny vehivavy kandidà sy ny vehivavy voafidy ho ao amin'ny Antenimieram-Pirenena ny sarintany.

Nandritra ny fifidianana kaominaly/Sangkat 2012 dia efa namoaka sarintany ihany koa ny CCHR izay nanasongadina ny tahirin-kevitra momba ny fisoloantena ara-politikan'ny vehivavy isaky ny kaominina tao amin'ny firenena. Tamin'ny fampiasana ny angona avy amin'ny NEC, nasehon'ny vali-pifidianana fa vehivavy 2038 no voafidy ho vaomieran'ny kaominina manerana ny firenena, izay maneho ny 17,79 isan-jaton'ny toerana rehetra. Vitsy kokoa ny vehivavy kandidà (4,6 isan-jato) izay voafidy soa aman-tsara ho Lehiben'ny Kaominina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.