Iraniana Mpihanika Tendrombohitra Tsy Hita Tany Pakistana

The three Iranian climbers missing in Pakistan. Image from Iran's Professional Sports Team Facebook page via @ANPour

Ireo mpihanika tendrombohitra anankitelo tsy hita. Sary avy amin'ny takelaka facebook-n'ny Ekipa Matihanina ara-Panatanjahantena Iraniana , avy amin'ny @ANPour

Najanona ny fikarohana ireo mpihanika tendrombohitra Iraniana telo tsy hita  nanomboka tamin'ny 21 Jolay 2013 araka ny fanambarana nataon'ny mpitarika ny fikambanan'ny mpihanika tendrombohitra Pakistane ,

Niantso vonjy avy eny an-tehezan-tendrombohitra izy ireo tamin'ny fidinany ny Alakamisy 18 Jolay  rehefa avy eny an-tampony, 8.051 metatra (26.414-tongotra).

Nilaza ny harerahany sy ny fahalanian'ny sakafony ny antso vonjin'izy ireo. Nifandray farany tamin'i Iran tamin'ny alalan'ny antso lavitra satelita izy telo lahy ireo ny Sabotsy 20 Jolay. Naparitaka ireo ekipa Pakistane mpamonjy voina hikaroka azy ireo, saingy tsy hita ry zareo

Manana ny antsipirihany momba ny dia nataon'ireo Iraniana teny an-tehezan-tendrombohitra ny bilaogy Altitude Pakistan  ary manavao izany avy amin'ny fifandraisana amin'ireo mpihanika hatramin'ny nahatojo olana azy ireo nandritra ny fidinany.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.