Manivana Ny Marina Amin'ny Foronina Ao Amin'ny Tranonkala Miteny Frantsay

Narahina famoahan-kafatra sy sary lainga [fr] ao amin'ny tambajotra sosialy ny fifandirana vao haingana nisy teo amin'ny vadin'ny vehivavy iray misarom-boaly sy ny polisy tao Trappes, ny fidiram-bola ambany ao amin'ny tanàna manodidina an'i Paris. Haingana dia haingana ny bilaogy Les Décodeurs, izay mpanavaka ny marina amin'ny lainga ao amin'ny tranonkala mpiteny frantsay, manohitra izay vaovao lainga afafy.

Fabrice Florin, mpanorina ny NewsTrust sy ny TruthSquad amin'ny teny frantsay no manazava ny ilàna fitsiponam-baovao diso:

There is a growing amount of misinformation, particularly in this political climate [..] With an expanding universe of news options, once someone finds a source of information they like or agree with, they tend to cling to it. The reason [for fact check] is to get people thinking about what they read and hear, and from there, questioning it.

Mihabetsaka ny fandisoam-baovao, indrindra eo amin'ny toe-draharaha ara-politika [..] Amin'izao fivelaran'ny fafidim-baovao maneratany izao, raha vao misy olona iray mahita loharanom-baovao tiany na itovizany hevitra dia mirona kokoa ry zareo hitendry ny rohin'iny. Ny anton'[ny fanamarinana raha tena nisy ilay izy] dia ny mba hieritreretan'ny olona izay zavatra vakiany sy henony, ary hamotopototra momba izany avy eo.

Eto ny tamberin'ny zava-nitranga notsimponin'ireo mpampitaha ny voalaza amin'ny zavanisy tokoa ao amin'ny tontolon'ny fampitam-baovao an-tserasera miteny frantsay.

Gidragidra tao Trappes

Tamin'ny 19 Jolay 2013 tao Trappes, nolazaina fa nikasa ny hanakenda manamboninahitra polisy iray ny vadin'ny vehivavy karaibeana iray misarom-boaly (niqab). Taorian'ny fisamborana ilay rangahy vadiny, olona 200 no nihetsiketsika eo anoloan'ny komisariàn'ny polisy ary nandrava fananana, izay voatosiky ny polisy misahana ny rotaka avy eo. Misy sary navoaka tao amin'ny tambajotra sosialy nopaingorina ho avy any amin'ny herisetra nitranga nandritra ny fihetsiketsehana nefa tsy izy. Naboraky [fr] ny Les Décodeurs ireo fahadisoana maro ireo :

Quelques personnes, en général connues pour leur activité militante, diffusent sciemment de fausses informations. C'est le cas de cette photo, diffusée par Stéphane Journot, ancien militant UMP, actif durant la campagne de 2012

Minia mamoaka vaovao diso ny olona sasany fantatra amin'ny fikatrohany ara-politika. Tahaka izany ity sary, navoakan'i Stéphane Journot, mpikambana taloha tao amin'ny UMP (antoko ankavanana) navitrika nandritra ny fampielezan-kevitra 2012 ity.

Eto ambany ny sary sy ny sioka diso [fr]:

Avy eo dia hilaza ianao fa misy fanavakavaham-bolonkoditra nefa… jereonao #Trappes

— Stéphane Journot (@sjournot) July 22, 2013

Sary taloha nitranga tany Lyon tamin'ny 2010 anefa io no tena marina. Nolazain'ny Les Décodeurs fa maro ny sioka tahaka izao mampiely vaovao diso niniana na tsia.

Manamarina Ny fisian-tranga ao amin'ny kaontinanta Afrikana

Mahafantatra tsara ny mahazava-dehibe ny ilàna ny fanamarinana ny fisian-tranga koa ny firenena Afrikana. Avy eto amin'ny kaontinanta afrikana no nipoiran'ny Ushahidi, sehatra ifandrimbonana an-tsarintany voalohany indrindra manerantany. Misy tetikasa antsoina hoe Africa Check manaramaso manokana ny vaovao avoakan'ny mpitondra Afrikana. Hoy ny filazana ao amin'ny iraka ataony:

We test claims made by public figures around the continent, starting in South Africa, using journalistic skills and evidence drawn from the latest online tools, readers, public sources and experts, sorting out fact from fiction.

Sedrainay ny fanambarana avoakan'ireo fanta-daza manerana ny kaontinanta, manomboka ao Afrika Atsimo, amin'ny fampiasana ny talenta maha-mpanao gazety sy ny porofo avy amin'ny votoaty an-tserasera nivoaka farany, mpamaky, loharanom-baovaom-bahoaka sy manampahaizana manokana, amin'ny fanavahana ny marina avy amin'ny zava-noforonina.

Eto Afrika miteny frantsay, ifantohana kokoa ny fanaraha-maso ny fifidianana. Tsara orina ny tomboka (initiatives) fanaraha-maso ny fifidianana ao Senegal sy Burundi. Ho avy ny fifidianana any amin'ny firenena miteny frantsay vitsivitsy, ahitana an'i Mali, Togo ary Madagascar. Nanokana sehatra manokana hanaraha-maso ny fifidianana eto Afrika antsoina hoe African Elections Project (AEP = Tetikasam-Pifidianana Afrikana) ny Pen Plus Bytes. Namoaka izao tatitra manaraka izao momba ny fifidianana parlemantera togoley mandeha amin'izao fotoana izao ny tetikasa:

About 3.3 million registered Togolese voters will cast ballots today in 7,600 polling stations to select 91 Parliamentarians out of about 1,174 contesting candidates from the ruling and opposition parties. This election has been delayed for eight months amid concerns by opposition parties that the poll won’t be transparent and fair.

Handrotsa-bato amin'ny biraom-pifidianana miisa 7600 hisafidianana parlemantera 91 amin'ireo kandidà 1174 avy amin'ny antoko mpanohana sy antoko mpanohitra ny Togoley miisa 3,3 tapitrisa eo ho eo voasoratra anarana. Nahemotra valo volana ity fifidianana ity noho ny fanahian'ny antoko mpanohitra tsy hahamarina sy mangarahara ny vokatra.

Efa namoaka ny sarin'ny lazaina ho hosoka avy ao amin'ny kaonty Twitter sahady i Sylvio Combey avy ao Togo:

Tamin'ny 8 ora, naseho ho foana ny vatam-pifidianana iray tao #Kanyikopé (Togo) #TGinfo #TG2013 #Nukpola #Fb

Tao Mali, nirotsaka an-tsehatra ho amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana hoavy i Fasokan izay nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices (tetikasan'ny Global Voices). Niresaka momba ny fanofanana ireo mpanara-maso ny fifidianana izy [fr] :

Pendant cinq jours, plusieurs thèmes ont été abordés : la loi électorale, la charte des partis politiques, les genres journalistiques (compte rendu, portrait, interview…), les règles de déontologie et éthique du journaliste, les contraintes liées à l’exercice de la profession

Lohahevitra maro no nodinihina nandritra ny dimy andro: ny lalàm-pifidianana, ny dinan'ny antoko politika, ny asam-panaovan-gazety (tatitra, mombamomba, tafatafa …), fitsipi-pitondra-tena sy etikan'ny mpanao gazety, ny teritery mifandraika amin'ny fanatanterahana ny asa

Training  for Media and Elections in Mali. Photo by Fasokan published with his permission

Fanofanana momba ny fifidianana ho an'ny mpanao gazety ao Mali. Saripikan'i Fasokan nahazoana alalana

Miandry fifidianana ihany koa i Madagasikara ary mivoaka ihany koa ny zava-mampanahy amin'ny fielezan'ny vaovao diso  amin'ny aterineto. Nandritra ny fihetsiketseha-panoherana mitaky ny hamoahana ny datim-pifidianana matotra, notsimponin'ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices Jentilisa ny sary iray nilazàna fa maro ny olona tonga tamin'ny fihetsiketsehana.

Nanoratra [mg] i Jentilisa :

Fa maninona ho'aho ity sarin'ny tolon'ny 2009 na fony mbola tsy vita ny lapan'ny tanàna hita amin'ny “grue” manakaiky ny hazo avo ireo no miverimberina hanetanana ny tolonareo e? Sahala amin'ny hoe io no tao androany nefa tamin'ny 2009 ity sary ity?

Ity eto ambany ity ny sary nampiady hevitra an'i Jentilisa:

Fact checked photo of protests in Madagascar via Jentilisa - Public Domain

Sarim-pihetsiketsehana eto Madagasikara nosinganin'i Jentilisa ny fotoana nitrangany – Sary fananam-bahoaka

Amin'izao fivelaran'ny tranonkala manerantany izao, zava-dehibe tetikasa mamantatra ny zavamisy marina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.