LAHATSARY: ‘Miditra Demokrasia an-tSokosoko’ ao Loja, Ekoatera

Ao Loja, tanàndehibe ao atsimon'i Ekoatera, mampiasa tambajotra sosialy hifampiseraserana amin'ireo mpitondra ny mpiserasera ary manolotra hevitra mivaingana hanatsarana ny toe-draharaha an-tanàndehibe.

Nampahafantatra ny lahatsary “Hackeando la democracia” [es] (Misovoka ao amin'ny demokrasia) tamin'ny alalan'ny Twitter ny fikambanana “Loja es Más” – na #LoxaEsMás [es] (mihoatra noho izany i Loja), niaraka tamin'ny fanohanan'ny Tetikasa Global Voices VideoActivo, lahatsary izay hiresahan'izy ireo amintsika bebe kokoa momba ny asan'izy ireo ao Loja.

Mitady hanangana fiaraha-monina demokratika ny “Loja es Más” izay tsy ny fifidianana [es] ihany no fomba handraisana anjara amin'izany.

Tao amin'ny bilaogy drw, linux, java y más.. [es], niaiky i Darwin Betancourt fa mora ny mitsikera, saingy nanamarika izy fa nametraka ny tantarany tamin'ny fampiasana tambajotra sosialy sy ny teknolojia ny tanànan'i Loja.

Estamos haciendo historia, es tiempo de cambiar es tiempo de actuar, es tiempo de funcionar como el GRAN HERMANO para que nuestra ciudad se encamine nuevamente al camino del progreso, no esperando salvadores y que tal o cual personaje de la administración pública fue mejor o peor que otro sino empezando a sumar ideas y llevarlas a cabo nosotros mismos, estamos utilizando los medios necesarios para comunicarnos y no dejarnos manipular de medios informativos 1.0

Mametraka tantara isika, fotoana hiovana sy fotoana hirotsahana an-tsehatra izao, fotoana hiasana tahaka ny RAHALAHY LEHIBE (BIG BROTHER) an'ny tanànantsika mitodi-doha indray ho amin'ny lalan'ny fandrosoana, tsy mila miandry mpanavotra na toy ny izany na ireo tompon'andraiki-panjakana tsaratsara kokoa na ratsiratsy kokoa noho ny hafa, mampiasa izay tsy maintsy ilaina isika hifandraisantsika mba tsy hilalaovan'ny media 1.0. antsika.

Samy mampiseho ny fanantenany sy fitokisany ny demokrasia nofinofisiny ireo mpandray anjara amin'ny tetikasa maherin'ny 50, ka tsy isaina intsony ireo mpanaraka ny kaonty Twitter @loxaesmás [es] manodidina ny 2.500. Nankasitraka ny asan'ny #lojaesmás nahatratra ny fahaherintaonany i Denise Calle, tao amin'ny bilaoginy El alma de Campaniche [es] (Ny Fanahin'i Campaniche) ka nanoratra hoe:

Mi sueño por Loxa es inmenso… inmenso… más de una vez la imagino grande, inmensa, como referente de este país… Eso es para mi #LoxaEsMas!!! Por eso lucho todos los días, desde cualquier sitio, hace un año desde Quito, ahora desde Latacunga. El objetivo es ese, volver y crecer… crecer en Loxa… luchar por Loxa…

Midadasika ny nofinofiko ho an'i Loxa… midadasika… mihoatra noho izay nieritreretako ny halehibeny, hagoavany, ho modelin'ity firenena ity…Ho ahy, izany no atao hoe #LoxaEsMas!!! Izany indrindra no hitolomako isan'andro, na aiza na aiza, herintaona lasa izay avy tao Quito, ary ankehitriny avy ao Latacunga. Ny tanjona dia, ny hitodi-doha sy hihalehibe… hihalehibe ao Loxa… hitolona ho an'i Loxa…

Carlos Correa, iray amin'ireo mpikarakara ny ‘hacks para Loja es Más’ [es] (mihoatra kokoa ny misokosoko ho an'i Loja), nanazava fa  anarana namoronana ny tanàna tany amboalohany tamin'ny taona 1548 ny Loxa.

Nanazava [es] i Correa: “Ny tadiavintsika dia ny hahafantatra ny andraikitry ny tanàna tamin'ny nanorenana azy, mba hanomezana azy toerana lehibe ara-tantara indray sy hametrahana ny tetikasan'ny hoavy”- hetahetan'ireo mponina ao amin'ity tanànan'i Ekoatera ity, sy fanamby lehibe koa satria marobe ireo mponina mbola tsy manana aterineto.

Araka ny fanadihadiana avy amin'ny Sampan-draharaha misahana ny Antotan'isa sy ny Fanisam-bahoaka ao Ekoatera, dia nihena avy amin'ny 31,6 isan-jato tamin'ny taona 2011 ary lasa 29,5 isan-jato kosa tamin'ny taona 2012 ny fampiasàna aterineto tao Loja, izay mandahatra azy ho laharana fahasivy [es] amin'ny fampiasana aterineto ho fitaovam-pandefasana sy fahazoam-baovao raha oharina eo amin'ireo olo-pirenena Ekoateriana hafa.

Como parte de la iniciativa Twit Callejero, los participantes de #LoxaEsMás pegaron tuits al rededor de la ciudad. Foto de #LoxaEsMás en Flickr, bajo licencia Creative Commons (CC BY-SA 2.0)

Sioka nandritra ny tetikasa Twitter Callejero, mpandray anjara amin'ny #LoxaEsMás nalefa manerana ny tanàna. Sary avy amin'ny #LoxaEsMás tao amin'ny Flickr, nampiasana ny Creative Commons (CC BY-SA 2.0)

Na dia izany aza, nahomby tamin'ny fandefasana ny zanabolany [es] sy ny famoronana ny Ciudad Conocimiento [es] (Tanànan'ny Fahaizana) azy manokana i Ekoatera. Ankoatra izany, ahitana tetikasa tanàna maro tsy miankina amin'ny fanjakana ao Ekoatera, izay tsy misy idirana politika ary mikasa hanolo-kevitra ho an'ireo mpitondra ambony. Izany no tena fikasan'ny #loxaesmás.

Saingy mampiady hevitra ny karazana sy ny hamaroan'ny olona tratra mety hanana tetikasa miankina amin'ny tambajotra sosialy, satria tsy ny mponiny Loja rehetra no manana aterineto ary maro ihany koa ireo tsy mahafantatra ny dikan'ny hoe “miditra demokrasia an-tsokosoko”. Mba hamenoana izany, nanolo-kevitra hiainga avy amin'ny teoria sy ny tsikera ka mandeha mankany amin'ny asa sy fampiharana. Hoy ny lahatsoratra tao amin'ny El Comercio [es]

Entre otras propuestas están la alfabetización digital, con clases gratuitas de tecnología a alumnos de escasos recursos. Otro proyecto es crear una agenda digital para el próximo Alcalde lojano. Allí, hay temas como fomentar la conectividad, desarrollar la economía digital de las empresas e impulsar las tecnologías de la información y comunicaciones

Anatin'ireo tolo-kevitra ny fahaiza-mamaky teny nomerika, ahitana kilasy fampianarana teknolojia maimai-poana ho an'ireo mpianatra sahirana. Tetikasa hafa ihany koa ny famoronana fandaharan'asa nomerika ho an'izay ben'ny tanàna manaraka ao Loja. Amin'ireo tetikasa ireo, misy ny fampiroboroboana ny fiseraserana an'aterineto, fampandrosoana ny toekarena nomerikan'ny fandraharahana sy fanohanana ny teknolojian'ny vaovao sy ny fifandraisana.

“Iray amin'ireo fitaovana hanatanterahana ny fandraisan'anjaran'ny daholobe ny fampianarana hahay aterineto (Web literacy) “, hoy i Mario Andrés Correa [es], ‘geek’ sy mpandray anjara amin'ny tetikasa.

Jeff Gotfredson nametraka ny dika an-tsoratra ny lahatsary tao amin'ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.