Profesora Taiwaney Nosamborina Noho Ny Fanoherany Ny Fandravan-Trano An-katerena

Profesora iray ao Taiwan no voasambotra [zh] niaraka tamin'ny mpianatra nanao fihetsiketsehana nandritra ny fihetsiketseha-panoherana fandravana trano maromaro ho fanitarana ny zaridaina [Siantifika] -n'i Jhunan ao amin'ny zanaparitr'i Miaoli, Taiwan.

Nihiaka ny tarigetran'ny fihetsiketsehana i Hsu Shih-Jung (徐世榮), profesora ao amin'ny Departemantan'ny Toekaren'ny Tany ao amin'ny Oniversite Nasionalin'i Chengchi, “Androany ianareo mandrava an'i Taipu, rahampitso izahay mandrava ny governemanta”, raha nisambotra [zh] azy ny polisin'i Taipei tamin'ny 23 Jolay 2013. Nafindra tao amin'ny komisariàn'ny polisy tao an-toerana izy ary nampangaina [zh] ho mampidi-doza ny vahoaka. Navotsotra i Hsu ny ampitso ary nesorina ny vesatra natao taminy noho ny tsy faneken'ny mpitsara ny fiampangan'ny polisy.

Iray amin'ireo nanatrika ny fifampiraharahana nifanaovan'ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanesorana amin'ny tompony ny tanimbary ao Jhunan sy ny Mpanatanterak'i Yuan nosoloin'ny Praiminisitr'i Taiwan Wu Den-yih tamin'izany fotoanan'ny Aogositra 2010 izany rehefa nanomo tena nandritra ny fihetsiketseha-panoherana ny vehivavy iray 72 taona i Hsu. Nandritra io fihaonana io, nisy fifanarahana vita fa hotandrovina ny trano efatra, manamorona ny zaridaina siantifika, izay fianakaviana samihafa no tompony.

Saingy noraisin'i Wu Den-yih, izay filoha lefitr'i Taiwan amin'izao ny andraikitra nanome baiko ireo fianakaviana efatra tamin'ny alalan'ny governoràn'ny tanànan'i Miaoli hiala mialoha ny datin'ny 5 jolay 2013 handravana ny trano.

Protestors painted a huge mural on the wall of Chang's house. Photo taken by Taiwan Rural Front from.

Nandoko sary an-dridrindra lehibe eo amin'ny rindri-tranon'i Chang ny mpanao fihetsiketsehana. Saripikan'i Taiwan Rural Front.

Noho ny fahatezerana avy amin'ny fanitsakitsahan'ny governoràn'i Miaoli ny fifanarahana dia nivory manodidina ireo trano efatra ireo ho fiarovana azy amin'ny fanesorana amin'ny tompony ny tranony nihoatra ny roa herinandro ny mpanao fihetsiketsehana. Iray amin'ny fianakaviana efatra tsy manaiky hiala i Chang. Ny tranon-dry zareo moa dia miorina eo ami'ny fihaonan-dalan'ny Lalana Fahamarinana sy ny Lalana Fitiavana ka eo no lasa toerana saimbolika hanaovana fihetsiketsehana.

Tamin'ny 18 jolay, raha nizotra hanao fihetsiketsehana eo anoloan'ny Biraon'ny Filoha ao Taipei ny ankamaroan'ny mpanao fihetsiketsehana, dia nibaiko ny polisy hanaisotra ny ambin'ireo mpanao fihetsiketsehana izay nivory teo anoloan'ireo trano ny komiseran'ny zana-paritr'i Miaoli, Liu Cheng-Hung, ary nanome baiko ny fiarabe mpandrava trano hamotika ireo trano ireo. Na dia efa potika aza ny trano dia tsy nanaiky ny hiala ny mpanao fihetsiketsehana ary manohy ny tolona.

Hatramin'ny fotoana nanatrehan'ny profesora Hsu Shih-Jung ny fihaonana nifampiraharahana tamin'ny 2010, dia nohazavainy fa tsy mifanaraka amin'ny Lalampanorenan'i Taiwan ny fanesorana amin'ny tompony ny taniny mitranga ao Jhunan [zh]. Tao amin'ny bolongany no nanavazavany izany tamin'ny 16 jolay mialoha ny nandehanany tao amin'ny fihetsiketseha-panoherana tao Taipei tamin'ny 18 jolay:

土地是人們溫馨及賴以為生的家園,絕不可隨意予以侵害。那麼,何時才能剝奪?[…]必須是符合《憲法》第23條「促進公共利益」才得以為之。何謂公共利益?吳庚前大法官一針見血的指出[…]「在多元社會須持續的透過公開討論形成共識」才是公共利益,但我國現行相關的計劃體制卻嚴重缺乏這樣的思維與設計,致使基本人權遭致嚴重剝奪。

Miankina amin'ny taniny ny olona amin'ny fananganana ny fianakaviany sy ny tranony, ary tsy azo itsakitsahana izany zo izany. Azo dikaina ireo zo ireo raha mifanaraka amin'ny Fanitsiana ny Lalampanorenana laharana faha-23 : “Fanatsarana ny tombontsoan'ny besinimaro”. Inona ny tombontsoan'ny besinimaro? Ny Mpitsara Lehibe, Wu Keng-Chien, nanasongadina […] “ny marimaritra iraisna amin'ny alalan'ny adihevitra atrehim-bahoaka any amin'ny fikambanana isan-karazany” no tombontsoan'ny besinimaro. Saingy, ny rafi-pandaminana ny tanandehibe kosa tsy nandray izany petra-kevitra na fomba fiasa izany. Izany no mahatonga ny zo fototra mahaolona antsika ho voahitsakitsaka fatratra.

我國相關計劃體制對於公共利益之決定,仍然停留於威權時代的委員會專制模式,也就是由少數人所組成的都市計劃委員會、區域計劃委員會、土地徵收審議委員會等來決定。

Ao Taiwan, ny famaritana ny tombontsoam-bahoaka eo amin'ny sehatry ny fandaminana ny tanàndehibe (plan d'urbanisation) dia fehezin'ny vondron'olombitsy vato nasondrotry ny tany ara-politika  ao amin'ny komitin'ny fandrafetana ny rafi-pandaminana ny tanandehibe, komitin'ny rafi-pandaminana tanandehibe isam-paritra ary ny komitin'ny fakana ny tany. Farasisan'ny vanim-potoanan'ny jadona.

在這些委員中屬「主管業務機關首長或單位主管」及「有關業務機關首長或單位主管或代表」,就幾乎佔了一半[…]因此真正的多數其實是政府行政官僚。首長不僅沒有利益迴避,也幾乎完全掌控議案同意權,這表示公共利益少數人即可掌握生殺大權。

Ao amin'ireny komity ireny, ny atsasaky ny mpikambana dia avy amin'ny fitantanam-panjakana sy fikambanana mifandray amin'ny governorà. […] Raha ny marina, ny ankamaroan'ny mpikambana ao amin'ny komity dia avy amin'ny governorà.  In fact, most of the committee members are from the government. Tsy ialan-dromoromo amin'ny fifandrorita-tombontsoa ny eo amin'ny fitarihana. Ankoatra izany, matetika ny eo amin'ny fitarihana no manery ny handaniana ny tetikasa. Vokatr'izany, ny lazaina ho ‘tombontsoam-bahoaka’ dia fehezin'andian'olona vitsivitsy.
Sit-in protest after the house was torn down. Photo taken by Taiwan Rural Front.

Hetsika Sit-in taorian'ny fandravana ny trano. Saripika noraisin'ny Taiwan Rural Front.

Raha ny marina, navoitran’ilay mpanangom-baovao mahaleo tena AboutFish avy amin'ny sehatra fitantaran'olo-tsotra vaovao Fiainana Tsara Taiwan fa nampitombo ny trosan'ny governorà ao an-toerana ny fanapaha-kevitra hanitarana ny Zaridaina Siantifika. Tsy mahazo tombontsoa avy amin'ny tetikasa ny fokonolona Miaoli, ny loza aza dia mizaka trosa 73.000 dolara Taiwan vaovao (eo ho eo amin'ny 2.320 dolara amerikana) tsirairay avy amin'ny trosan'ny governorà ny mponina. Mahatratra 41 miliara dolara taiwan vaovao (1,29 miliara dolara amerikana) ny trosan'ny governorà ao Miaoli has reached 41 billion new Taiwan dollars (1.29 billion US dollars) ary mety mbola hisy ny trosa 10,3 miliara dolara Taiwan vaovao koa hivoaka (33,5 tapitrisa dolara amerikana).

Tamin'ny famerenanteny avy amin'ny tenin'i Aboutfish no nanazavan'ny [zh] profesora Hsu ny tombontsoa azo avy amin'ny fangalana ny tanin'olona ataon'ny governora isam-paritra:

政府財政赤字嚴重,所需財源由何而來?政府不僅不敢對政經權勢優位者下手,而且還給予各式各樣的減免與優惠;但面對社會弱勢時,卻是強勢介入,隨意取走他們的土地。透過區段徵收,地方政府約略可取得三分之一的土地,經由這些土地的標售與讓售來彌補財政。再者,地方派系的主要利基乃是土地投機炒作,透過區段徵收也可遂行鞏固及拉攏樁腳的政治目的。

Ahoana moa ny fomba hahazoan'ny governemanta vola rehefa miatrika tsy fahampiam-bola ry zareo? Tsy mahasahy maka vola amin'ny mpanankarena sy ny mahery ny governemanta. Ny ataony aza dia ny manakely sy ny manaisotra ny hetra tokony aloan'izy ireo. Etsy ankilany indray, manembatsembana ny fiainan'ireo antokon'olona niangarana ny governemanta ary manala azy ireo amin'ny taniny tsy misy fanekena avy aminy. Amin'ny alalan'ny fitsinjarazarana ny tany dia mahazo hatramin'ny apahatelon'ny tany tadiaviny ny fitondrana ao an-toerana. Mahazo mivarotra ny tany nalaina izy ireo hamenoana ny banga amin'ny tetibola. Ankoatra izay, misy ny vondron'olona zatra mahazo vola amin'ny alalan'ny fanangana-trano. Amin'ny alalan'ny fanesorana tsikelikely amin'ny tompony ny taniny no ananganan'ny governora ao amin'ny faritra fifandraisana matanjaka amin'ireo vondron'olona mahazo tombontsoa ireo sy hahazoany antoka fa hahazo fanohanana ara-politika kosa ho setriny.

Mbola mitohy ny ataon'ny mpanao fihetsiketsehana, mitaky ny hamerenan'ny governemanta ny tany nalaina, hamotopototra ireny fanafintohinana ireny ary hijery indray mandeha ny lalàna mikasika izany.

Professor Hsu was yelling: Today you demolished Taipu, Tomorrow we demolish the government, when the police dragged him away. Photo taken by 陳韋綸 from coolloud.org. Non-commercial use.

Nihiaka ny Profesora Hsu hoe: Androany ianareo mandrava an'i Taipu, Rahampitso izahay mandrava ny governemanta, rehefa nifaoka azy ny polisy. Saripika noraisin'ny 陳韋綸 avy amin'ny coolloud.org. Tsy ampiasaina amin'ny resaka varotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.