Nampiditra Am-Ponja Mpisera Facebook Fito i Arabia Saodita Noho Ny Antsom-Panoherana Nataon'Izy Ireo

Mpisera Facebook Fito No voafelaky ny fanagadrana dimy ka hatramin'ny folo taona noho ny lazaina ho antso nataon'izy ireo hanao fihetsiketseha-panoherana ao Arabia Saodita. Mbola voarara ho tsy mahazo mivezivezy ivelan'ny firenena ihany koa izy ireo rehefa mahavita ny saziny.

Araka ny Human Rights Watch:

Saudi authorities arrested the men between September 23 and 26, 2011, then detained them in the General Investigations Prison in Damman for a year and a half before charging them and putting them on trial on April 29. They were tried before the Specialized Criminal Court, set up in 2008 to deal with terrorism-related cases. Authorities did not accuse the seven of directly participating in protests, and the court failed to investigate their allegations that intelligence officers tortured them into signing confessions.

[…]

In the court judgment, which Human Rights Watch obtained, the charges against the seven varied. But the court convicted them all of joining Facebook pages to “incite protests, illegal gathering, and breaking allegiance with the king” and of “assisting and encouraging these calls and corresponding with the [Facebook pages’] followers and concealing them.” All seven were also convicted of violating article 6 of the Anti-Cyber Crime Law, which prohibits producing, sending, or storing any material via an information network that “harms public order.”

Nosamborin'ny fitondrana Saodiana ireo lehilahy ireo ny 23 ka hatramin'ny 26 septambra 2011, ary notazonina ao amin'ny Fonjam-Pamotorana Ankapobeny ao Damman nandritra ny herintaona mialoha ny handefasana azy eo anolon'ny fitsarana tamin'ny 29 avrily. Notsaraina teo amin'ny Fitsarana Adiheloka Bevava Manokana, najoro tamin'ny 2008 izy ireo ary [nampangaina] tamin'ny raharaha mifandraika amin'ny fampihorohoroana. Tsy nampangain'ny fitondrana mivantana ho nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana izy ireo, ary tsy namotopototra momba ny filazan'izy ireo fa nampijalian'ny manamboninahitry ny sampam-pitsikilovana izy ireo mba hanasonia fanekena heloka.

[…]

Ao amin'ny didim-pitsarana izay eo am-pelatanan'ny Human Right Watch, maro ny vesatra niampangana azy fito mirahalahy. Saingy nampangain'ny fitsarana izy ireo ho niditra tao amin'ny Pejy Facebook “hanetsiketsi-panoherana, famoriana tsy nahazoana alalana ary fialana amin'ny fankatoavana ny mpanjaka” sy “manatrika sy mandrisika ireo antso ao amin'ny pejy Facebook ireo sy mifanoratra amin'ireo manaraka azy sy manafina izany.” Nampangaina ihany koa izy ireo ho nanitsakitsaka ny andininy faha-6 amin'ny Lalàna Miady amin'ny Heloka Bevava An-Tserasera., izay mandrara ny famokarana, fandefasana na fitehirizana [votoaty] amin'ny alalan'ny tambajotram-pampitambaovao izay “manohintohina ny filaminam-bahoaka”.

Naneho hevitra i Yusur Al Bahrani:

Gadran'i Ahsa nenjehina noho ny fanoratana hafatra manohana ny demokrasia ao amin'ny facebook

— Yusur Al-Bahrani (@YusurAlBahrani) 25 jona 2013

Ary manontany ny mpikatroka Tarek Siala:

Olona fito nogadraina dimy ka hatramin'ny 20 taona tao Arabia Saodita noho ny antso tao amin'ny Facebook hanoherana ny mpitondra! Ahoana ny famaizana noho ny fandrisihana hamono olona?

Tsy azo leferina ny fananana hevitra politika hafa ao Arabia Saodita, fitondram-panjaka tokana mahefa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.