Nahetsiky ny Fitroaran'ny Mpianatra i Chili

Ity lahatsoratra nosoratan'i ity dia voalohany amin'ny fitantarana momba ny fitroaran'ny mpianatra Shiliana. Navoaka tao amin'ny bilaogy Periodismo Ciudadano (Fampahalalam-baovao an'olo-tsotra) ny lahatsoratra orizinaly (amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy rehetra) 

gx0tvX

Fakàn-tsary sy fanoherana (lahatsary). Mampikatso ny fandehan'ny fampianarana ao amin'ny firenena ireo mpianatra shiliana mba hitaky fanovàna ny lalàna ankapobeny momba ny fampianarana (LGE), sy ny fanovana ny lalàna fototra ary indrindra fitakiana ny fampianarana ambony ho maimaipoana. Miomankomana i Shili, firenena voalohany amin'ny resaka asa fanaovan-gazety an'olo-tsotra ao Amerika Latina miaraka amin'i Atina, mba handefa ao amin'ny aterineto izay hetsika ara-tsosialy rehetra mitranga amin'ny olan'ny fampianarana. Nihaona tamin'ireo mpamorona ny pejy momba izany, Pablo Loyola, avy ao amin'ny Chile Movilizado ny Periodismo Ciudadano..

Vondron'ny mpifidy 22 no nahetsika nandritra ny fifidianana voalohany tamin'ny 30 jiona. Tsy nitondra vokatra anefa ny vondrom-piarahamiasa napetrak'i Michelle Bachelet, tsy te-hisolontena ao intsony ireo mpianatra satria tsy manao afa-tsy ny manimba ny “hetsika” fotsiny ity vondrom-piarahamiasa ity, araka ny filazan'i Pablo Loyola. Hipoka fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpianatra sosotra ny Twitter sy Facebook, milaza ny tsy fahafahan'izy ireo mandoa vola amin'ny fampianaram-panjakana izy ireo. Nampanantena fandoavana valisoa ho an'ny fahombiazana amin'ny fianarana ny filoha Piñera. Nanamafy izany i Pablo Loyola, izay efa filohan'ny foibem-pampianarana jeografika tao amin'ny oniversite katolika ao Valparaíso, fa ” efa niresaka loharanom-bola sy valisoa isan-karazany i Piñera tamin'ny taona 2007 sy 2008 saingy  fanampiny fotsiny izany”, izany hoe mety tsy hampilamina ny sain'ireo mpianatra ny fanovana nambaran'ny filoha Piñera.

Hipoka fanehoan-kevitra sy fanamarihana avy amin'ireo mpifanandrina amin'ity fitroaran'ny mpianatra ity ny aterineto tao anatin'izay andro vitsy izay. Tsy nisalasala nizara ny fihetseham-pony tao amin'ny habaka ireo mpianatra, mpikambana ao amin'ny vondron'ny mpampianatra sy ny foibe ara-kolontsaina. Nivadika ho seha-pitakiana anefa izany fitaovana izany. Mampiseho ireo fihetsika feno herisetra ataon'ny miaramila sy ny mpitandro ny filaminana ny lahatsary farany navoaka tao amin'ny YouTube.

chilemov-logo

Nampahafantatra momba izany fihoara-pefy izany sy ny vaovao momba ny foibem-pampianarana ahitana fihetsiketsehana, ary koa izay hetsika manaraka ataon'ny mpianatra i Chile Movilizado. Fitaovana famantara-toerana ny “Chile Movilizado” izay hahafahana mandefa vaovao amin'ny fomba tsotra sy haingana na eo noho eo. “Ny vondrona sy ny hetsika ara-tsosialy rehetra mihetsiketsika amin'izao fotoana izao” no mandrafitra azy.

Ny fanavahana vaovao amin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #movimientoestudiantil,  #toma na #movilización no sahanin'ireo mpandrindra ny habaka, ary koa ny fanamarinana ireo filazana alefa ao amin'ny habaka sy ny lisitry ny CONFECH (Vondron'ny mpianatra ao Shili) mba hilaza momba ny lisea sy ny oniversite tafiditra amin'ny hetsika. Nanipika ny maha-zava-dehibe ny hamenoana ireo vaovao aminà ‘karazana marirefy” mahakasika ireo fitaovana haino aman-jery tahaka ny sary i Pablo Loyola, ary nampahatsiahy ihany koa indrindra indrindra fa tokony ho marina ny vaovao alefa .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.