Tsy Azo Idirana Ny Habaka Filokana An-Tserasera Ao Libanona ?

Nakatona ny habaka filokana ao Libanona araka ny tatitra tao amin'ny Bilaogy Baladi tamin'ny volana lasa teo:

Nampahafantarina ahy fa tsy azo idirana intsony ireo habaka filokana sy poker ao Libanona. Nijery tao amin'ny aterineto aho ary nanandrana nanokatra habaka filokana fa tena tsy tafiditra tokoa. Toa avy amin'ny Ministeran'ny Fitsarana ny fanapahan-kevitra nanakatonana ireo habaka filokana ireo (…)

Andro vitsy lasa izay tao amin'ny Twitter, @MoNajem niresaka momba ity olana ity tamin'ny Minisitry ny Fifandraisan-davitra @NicolasSehnaoui:

@MoNajem: Lalàna inona no nanakatonana ny habaka filokana ao amin'ny aterineto ao #Lebanon. Iza no manan-jo hanao izany? Ianao ihany no fantatray anontaniana @NicolaSehnaoui

Namaly ny Minisitra fa natao izany ho fanarahan-dalàna, saingy nanipika kosa izy fa tsy nankasitraka ity fanapahan-kevitra ity.

@NicolasSehnaoui: @MoNajem, toera-pilokana ao Libanona ihany no nomen'ny lalàna hanao ampihimamba ireo lalao filokana. Ny fitsarana tampony no namoaka ny didy. 1/2

@NicolaSehnaoui: @MoNajem nandeha niresaka taminy aho hiangavy azy tsy handray ilay fanapaha-kevitra saingy tsy naharesy lahatra azy. 2/2

Niresaka ny lalàna tamin'ny 1995 manome alalana ny Casino ao Liban (Casino hany ara-dalàna ao Libanona) hanao ampihimamba ireo lalao filokana ao amin'ny tany libaney izy, araka ny fanazavan'i @sygma:

@sygma: @MoNajem araka ny lalàna 6919 tamin'ny 29 Jiona 1995, nomena ny Casino ao Libanona ny fanaovana ampihimamba ny lalao filokana rehetra mba “hiarovana ny filaminam-bahoaka”.

Nanipika i Mohamad Najem fa mety hampisy fanivanana ‏fanampiny mahasosotra sy manahirana izany.

@MoNajem: @sygma ao amin'ny tanin'i Lebaney, fa tsy an-tserasera. Raha tsy izany, hanomboka hitranga ihany koa ny fanakatonana karazana habaka hafa noho ny antony maro  isan-karazany

Mpisera Twitter nizara ny ahiahiny izay nanjary resaka nahaliana.

@walasmar nanasongadina ny loza amin'ny fampiharana ny lalàna nasionaly amin'ny aterineto:

@walasmar: @MoNajem @NicolaSehnaoui ny olana dia mety hampiasa ny lalànan'ny media izy rahampitso mba hanakatonana ny bilaogy rehetra satria tsy anisan'ny sendikàn'ny fanaovan-gazety

@ralphaoun nampitandrina fa mety ho lalana malama izany:

@ralphaoun: @AbirGhattas @walasmar @MoNajem androany Poker, rahampitso votoaty momba ny olon-dehibe, avy eo Bilaogy, sns…

Miaraka amin'ny vinavina:

@ralphaoun: @AbirGhattas @walasmar @MoNajem miady hevitra ao amin'ny “Euro Internet Forum” -> ny zavatra tokana hany azo hakatona dia ny lahatsary mamoafady ahitana ankizy


Asehon'ny adihevitra ihany koa fa tena tsy mahalala ny tontolo virtoaly mihitsy ny fanapahan-kevitra…

@LeNajib: @ralphaoun @AbirGhattas @walasmar @MoNajem Mampihomehy ny mahare ireo zavatra nakatona amin'ny aterineto satria toa azo atao sy maharitra izany

@AbirGhattas: manahoana VPN @LeNajib @ralphaoun @walasmar @MoNajem

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.