@InsakaChat : Sehatra Ao Amin'ny Twitter Miainga Ao Zambia Ho An'ireo Zambiana, Hiresahana Trangam-Piarahamonina

Bwalya Chileya, Mpanoratra sady blaogera Zambiana monina ao Etazonia, no nanangana habaka Twitter ho an'ireo zambiana ao an-toerana sy any ivelany mba hahafahana miresaka ny sosialy ary hifankahafantaran'izy ireo.

Vao haingana ny Global Voices Online no nifampiresaka tamin'i Chileya mikasika ny fomba hanomezan'ilay sehatra ny Zambiana rehetra “toerana azony antoka hiresahana ny zava-misy marina”.

Global Voices Online (GV) : Afaka lazainao anay fohifohy ve ny mombamomba anao ?

Bwalya Chileya (BC) : Bwalya Chileya no anarako, na koa fantatry ny maro amin'ny hoe @MissBwalya ao amin'ny Twitter ary ny blaogiko, Miss Bwalya Writes. Mpanoratra sady blaogera monina aty Etazonia amin'izao fotoana izao. Ary raha eo amin'ny sehatry ny asa indray, tompon'andraikitra aminà tetikasa iray aho ary nanaraka fiofanana momba ny toekarena. Lehibe tao Lilongwe, Malawi ary Lusaka, ao Zambia.

GV : Inona marina ilay InsakaChat? Inona no dikan'ilay teny hoe Insaka?

BC: InsakaChat dia sehatra iray ao amin'ny Twitter ahafahan'ny mponina rehetra miresaka momba ny olam-piarahamonina maro. Sehatra ahafahan'ny olona maneho ny heviny mikasika lohahevitra maro izy io, mifampizara hevitra ary indrindra mifankahafantatra izy samy izy. Teraka avy aminà fahatsapana ny ilàna ny fifandraisana amin'ireo Zambiana namana ao amin'ny Twitter ilay hevitra, iresahana lohahevitra hafa tsy mifantoka fotsiny amin'ny Politika sy ny politisiana.

MissBwalya

MissBwalya, Mpanoratra sady blaogera Zambiana

Tena hinoako tanteraka fa mitovy isika na dia eo aza ny fahasamihafana ary rehefa miara miady hevitra na miara mitady vahaolana aminà olana mahakasika ny betsaka amintsika avy isika, vitantsika tsara izany.

Isaky ny Alahady amin'ny 06 ora hariva, ora any Afrika Afovoany no fotoanan'ny Insaka. Raha toa ka natao ho an'ny Zambiana ny maro amin'ny lohahevitra ao, dia raisinay an-tanan-droa ny olona rehetra liana amin'ny lohahevitra aseho ao.

Ny teny hoe Insaka dia avy amin'ny teny Bemba (fiteny ao Avaratr'i Zambia) izay midika hoe “Toerana hivondronana.” Avy amin'ny fototeny isa “Tamy.”

GV: Iza avy ny mpandray anjara ao amin'io sehatra io ?

BC: Izaho no tompon'andraikitra voalohany ao amin'io sehatra io. Tohanan'ilay mpanao gazety zokiolona avy ao Zambia, Laura Miti (@LauraMiti) ihany koa aho, izy no manao ny fandrindràna amin'ny fotoana ilàna izany.

GV: Ahoana no fomba fitantananao ny Insaka? Iza no manolotra ny lohahevitra ho dinihana ?

BC: Izaho no milaza ny lohahevitry ny Talata na ny Alarobia, ary mandany fotoana mampahatsiahy eo anelanelan'ireo sy ny Alahady, manao doka amin'ireo mpandray anjara mavitrika mba hisaintsaina sahady sy hanomana izany.

Rehefa tonga ilay fotoana, izany hoe ny Alahady, dia mandany eo amin'ny adiny 1,5 na adiny 2 eo aho mandrindra ilay adihevitra. Mizotra amin'ny fametrahana fanontaniana sy amin'ny fanarahana ny fizotran'ilay resaka izany, ary manampy amin'ny fitarihana ny adihevitra miainga avy amin'izay teboka nosandratra. Arahiko aminà fampitambarana bitsika ao amin'ny Storify izany. Tena ilain'ny olona tsy naharaka ilay adihevitra tokoa ny Storify hahafahan'izy ireo manaraka ary koa ahafahana mampianatra ny olona rehetra ny zavatra ataonay marina ao amin'ny Insaka.

Ireo lohahevitra dia saika trandrahana avy eny amin'ireo olona eny ifotony avokoa ao amin'ny Twitter ; nalefa tamin'ny alalan'ny imailaka, WhatsApp, ary hafatra mivantana. Nangoniko tanatinà lisitra iray ahitàna ny hevitro ireny rehetra ireny.

GV: Firy izao ny lohahevitra efa noresahanareo tao hatramin'izay ?

BC: Hatramin'ny 14 Jolay, dia efa folo izao ny lohahevitra noresahanay tao amin'ny Insaka.

GV: Mampiasa fitaovana hafa ankoatran'ny Twitter ve ianareo amin'ity hetsika ity ?

BC: Twitter izao no fitaovana fototra ampiasanay ho an'ny tena adihevitra, ary Storify mba ahafahana manambatra ireo bitsika aorian'izany hizaràna ny resaka amin'ireo namana.

GV: Inona ny lohahevitra tena malaza indrindra hatramin'izay ?

BC: Ny lahatsoratra navoakanay tena nalaza indrindra izao dia ny ilay andiany nozarainay roa tamin'ilay Fiovàna eo amin'ny Fomban-panambadiana nentim-paharazana Zambiana. Noresahanay tao ny fanaovana ny lobola [fanomezana ampombaina ny avy nanorin-tokantrano], sy ireo fankalazana hafa mitondra mankany amin'ny fanambadiana, anatin'izany ny icilanga mulilo (rehefa raisin'ny fianakavian'ilay vehivahy miaraka aminà sakafo be nokarakarain'ny fianakavian-drazazavavy ilay vinantolahy), ny fetin'ny lakozia (nalaina tamin'ilay fomba Tandrefana eo amin'ny fandroan'ireo mpivady) ary ny mariazy. Maro ny zavatra niova nanaraka ny vanin'andro ary tena nahavariana ny fahitàna ny hevitry ny mponina mikasika ireo fiovana ireo sy ny hasin'izy ireny hatramin'izao.

GV: Monina ao Zambia avokoa ve ireo mpandray anjara ao sa any dilam-bato ?

BC: Hatramin'izao aloha dia misasaka– 50/50. Tena tsara izany satria ny tanjona dia ny hisarika ireo Zambiana rehetra, na avy ao n-toerana izany, na avy any ivelany, handray anjara aminà lohahevitra isan-karazany satria mbola betsaka ny zavatra tokony ho fantarintsika sy hifampizarantska samy isika.

GV: Inona no tianareo ho tanterahana amin'io sehatra io ?

BC: Ny tena iriko hotanterahana miaraka amin'ny Insaka izao dia ny hanomezana toerana azo antoka ho an'ny olona hiresahana ny zava-misy marina. Nisy lohahevitra nampifanolana ihany tao toy ny fomba fitondrana ireo mpiasa an-trano araky ny kolontsainay. Resaka izay efa fanaonay matetika miaraka amin'ny namanay na koa any an-trano fa tsy mbola noresahana ampahibe maso. Amin'ny fametrahana azy ireny ho eny anoloana, dia nanao fanamby ho an'ny tenanay sy tamin'ny hafa izahay mba hisaina sy hihetsika amin'ny fomba hafa. Ary miteny ny heviny ny olona nony farany. Tsy voatery hoe hitovy hevitra aminà lohahevitra foana ny olona kanefa efa fanombohana tsara ny fahafahana miresaka an-kahalalahana.

Teboka iray izay ezahako tsindriana hatrany ny hoe “Inona indray ireo dingana manaraka ?” Inona ary ny fanapahan-kevitra raisintsika mba hivdika ho asa ny tenintsika? Misy tombotsoa ho an'ireo taranaka Zambiana ny manao mihoatra noho ny teny ary mandray anjara amin'ny fanovana ilain'ny fiarahamonintsika, ka hitako hoe fitaovana ihany ny Insaka, hizarantsika hevitra, hifampiraharahana ary hanombohana fananganana tetikasa ivelan'ny aterineto.

GV: Inona ny tetikasa amin'ny ho avy ?

BC: Ao anatinà fifanarahana ahafahana mandefa ny Insaka amin'ny onjam-peo aho amin'izao fotoana izao. Misy tombotsoa lehibe ny fahafahana mahazo mpihaino maro izay ny onjam-peo no afaka manome azy. Maro be ny teboka tsara ho dinihana – ny endriky ny fandaharana tena mety mba hanamoràna adihevitra mafonja, ny fandaharam-potoana, ary ny fanamboarana ara-teknika rehetra ahafahana mandefa ilay fandaharana anaty aterineto sady heno amin'ny onjam-peo mivantana amin'ny fotoana mitovy. Tsy hanolo ny sehatra anaty Twitter akory izany raha mandeha tsara eo, fa kosa vao miha hifameno aminy.

Araho ny @InsakaChat (#Insaka) ao amin'ny Twitter sy Storify.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.