Manamafy Ny Fifandraisany Amin'i Shina Ny Fitsidihana Ataon'ny Filoha Nizeriana

Nanatontosa fitsidihana ofisialy naharitra dimy andro nanomboka tamin'ny 8 jolay hatramin'ny 12 joaly 2013 ny Filoha Nizeriana Goodluck Ebele Jonathan. Ny fanamafisana ny fampiasam-bola amin'ny alalan'ny fifaneken'ny roa tonta lafy amin'ny namana Shinoa, filoha Xi Jinping no tanjon'ny fitsidihan'ny filoha Nizeriana.

Natao ity fitsidihana ity andro vitsy taorian'ny fiafaran'ny fitetezam-pirenena Afrikanina sasantsasany nataon'ny filoha Barrack Obama. Mazava ho azy fa toa ny handrangotra ny filoha amerikana noho izy tsy nitsidika an'i Nizeria tamin'ny fitetezana kaontinanta Afrikanina faharoa nataony no fiheverana ity fitsidihan'ny filoha Jonathan tany Shina ity. Na dia izany aza, nolavin'ny Dr. Reuben Abati mpanolotsaina ara-tseraseran'ny filoha Jonathan izany fanendrikendrehana izany:

Tsy marina ny filazana fa setrin'ny tsy fandalovan'i Obama tao Nizeria no anton'ny fitsidihana tao Shina satria efa nomanina herintaona mialoha ny fitsidihana. Manan-jo hanapa-kevitra amin'izay tiany haleha ny firenena tsirairay avy. Manana fifandraisana tsara amin'i Etazonia izahay ary ny marina amin'ity resaka ity dia tsy misy olona afaka hiala amin'i Amerika. Kanefa mpiara-miasa tsy azo tsinotsinoavina ihany koa i Shina. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin'i Afrika i Shina taona vitsy lasa izay. Mpiara-miasa goavana amin'i Shina i Nizeria. Manana orinasa Shinoa maherin'ny 30 miasa eto Nizeria izahay.

President Goodluck Jonathan (R) inspecting guard of honour mounted by the Chinese military during his official welcoming in Beijing, China on Wednesday, July 10, 2013 (Photo credit: from Reubenabati.com)

Ny filoha Goodluck Jonathan (ankavanana), atrehin'ireo miaramila Shinoa nandritra ny fandraisana ofisialy azy tao Beijing, Shina tamin'ny Alarobia 10 Jolay 2013. Nahazoan-dalana avy amin'ny Reubenabati.com ny sary

Niaka-danja ny fifandraisan'i Shina sy Nizeria tao anatin'ny taona maro. Nitatitra ny Global Voices tamin'ny taon-dasa fa nampidirina ho anisan'ny fiteny hianarana eny amin'ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra ao an-tanàndehibe seranantsambon'i Lagos ny teny Mandarin. Nampahafantatra tantara fohy momba ny fifandraisan'i Shina sy Nizeria i Raymond Eyo ao amin'ny gazety amin'ny aterineto Scoop:

Tamin'ny 18 Aprily, nanao fifanekena taminà banky misahana fanondranana-fanafarana entana ao Shina ny fitondran'i Jonathan mba hamatsy ara-bola fanafarana milina fitotoam-bary maherin'ny 100 avy ao Azia. Nilaza ny Minisitry ny fambolena fa natao izany tetikasa izany mba hanamafisana ny ezaka ataon'ny Nizeria amin'ny fanondranana sy famokaram-bary, mba hampihena ny fanafaram-bary.

Nitsidika ny Firenena Cross River ireo solontena ara-barotra Shinoa tamin'ny volana Mey, ka taorian'ny dinika niarahana tamin'ny Governora Liyel Imoke, nilaza ny fikasany hanokatra orinasa mpanamboatra kamiao ao amin'ny faritra fifanakalozam-barotra malalaka ao Calabar izy ireo – fampiasam-bola ho fanampin'ny ezaka fananganana orinasa maro ao Nizeria.

Araka ny filazan'ny Minisiteran'ny ny Vola, nampindram-bola farafahakeliny 1,1 miliara ho an'i Nizeria i Shina tamin'ny taon-dasa tamin'ny volana Septambra, mba hanamboarana lalantsaram-piondranana fanampiny ao amin'ny seranam-piaramanidina sy lalamby maivamaivana ho an'i Abuja. Voalaza indrindra ihany koa fa tafiditra tamin'ity fitsidihana farany ity ny fifanekena fanamboarana seranam-piaramanidina niarahana tamin'ny Minisiteran'ny Fitaterana an'habakabaka, izay hosahanin'ny Orinasa tsy Miankina Shinoa “Civil Engineering and Construction Company (CCECC)”. Efa tafiditra tamin'ny tetikasa fanamboaran-dalana sy lalamby maro manerana an'i Nizeria i Shina. Namboarina tany Shina ihany koa ireo zanabolana telo farany NigComSat-1R an'i Nizeria izay nalefa tamin'ny taona 2011 ka nanatsara tanteraka ny tolotra momba ny fifandraisana sy ny teknolojia tao amin'ny firenena.

Niresaka izay zavatra ho azo amin'ny fitsidihana i Olu Famous tamin'ity lahatsoratra bilaogy ity, “What President Jonathan Brought Back from China (Inona ny voandalan'ny filoha Jonathan avy any Shina)”:

Taorian'ny fihaonana teo amin'ny Filoha roa tonta, nanasonia fifanekena dimy loha ireo solontenan'ny firenena roa tonta, anisan'izany ny fifanekena fampindranam-bola teo amin'ny Banky mpanondrana-mpanafatra entana ao Shina sy ny Minisiteran'ny Vola ao Nizeria ho fanitarana ny lalantsaram-piondranan'ny seranam-piaramanidina sy ny fifanekem-piarahamiasa ara-toekarena sy ara-teknika.

Nilaza ny Minisitry ny Vola, Dr. Ngozi Okonjo-Iweala, fa tafiditra mandritra ity fitsidihana ity ny famitana ny fifanaraham-pamindram-bola 3 miliara dolara neken'i Shina hangalana zana-bola latsaky ny telo isan-jato. Efa eo am-panamboarana làlana manerana an'i Nizeria ireo orinasa Shinoa noho ilay fifanekena mitentina 1,7 miliara dolara.

Odilim Enwegbara namaritra ny fitsidihan'i Jonathan ho amin'ny fotoanany tsara satria:

Zava-dehibe ho an'i Nizeria ny modelim-pahombiazan'i Shina, indrindra ny mianatra amin'ny zokiolona fa mety hitari-dalana ny fitomboan-karenan'i Nizeria ihany koa ny faharetan'ny drafitra makroekonomika lavitr'ezaka ampiarahana amin'ny fampiroboroboana ny fandraharahana, indrindra rehefa voarafitra indray ny sehatry ny tsy miankina sy ny sehatry ny miankina amin'ny fanjakana mba hiara-hiasa tahaka ny fahita any Shina, mety ho vavolombelon'ny fandrosoana ara-toekarena mifototra amin'ny asa ihany koa isika.

Tsy very ao amin'ireo Nizeriana sasany ny fomba firesaka diplomatika – fa na milaza mifanohitra amin'izany aza – dia heverina fa sanganehana amin'ny fitsidihan'ny filoha Nizeriana any Shina i Etazonia. Manapika an-tsary izany fahatsapana izany ireto siokan'i Nwachinemelu (@cchukudebelu) ireto:

@cchukudebelu: Sahiko ny miloka aminao fa tsy ho faly ny ambasadera Amerikana ao Abuja mahare fa nijanona herinandro feno tany Beijing i Jonathan.

@cchukudebelu: Miandry an'i Etazonia hikarakara “fandraisana faobe ireo filoha Afrikanina” ao Washington amin'ny taona hoavy (efa somary nanipy teny momba izany i Obama).

Nampitandrina i Alabi Williams ao amin'ny “No Free Lunch in China (tsy misy sakafo atoandro maimaipoana any Shina” fa tokony hiaraka amin'ny fangatahana fenitra ambony mitovy ity fitsidihana ity.

Efa nanjavona ireo orinasan-damba [Nizeriana] ary ankehitriny dia orinasan-damba Shinoa no misy ao aminao, izay tery loatra ka mila tsy ho afa-mananga-tanana ianao rehefa mitafy azy ireny. Tsy dia vaventy nofosana ny Shinoa ary ara-voajanahary dia somary kelikely izy ireo ka manampy azy ireo izany hitandrina amin'ny takian'ny orinasan-damban-dry zareo. Izany no nahatafiditra an-dry zareo soa aman-tsara eo amin'ny tsena Nizeriana. Ary hitady tsy mitsahatry ny mikaroka akanjo tsara kalitao, satria omen-dry zareo ‘izy ny tsenantsika ny tadiavin'ny mpivarotra eto amintsika.

Raha miresaka fanaraha-maso kalitao ianao, tokony hitaky ny tsara indrindra ny governemanta, fa tsy ny ambany na ny kalitao antonotonony, tahaka ireo fanafody sandoka tany amin'ireo orinasa shinoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.