An'Arivony Ireo Mpifindra Monina Kongole Tonga Any Oganda

Maherin'ny 30 000 ireo mpifindra monina avy ao Atsinanan'i Repoblika Demokratikan'ny Kongo no mandositra ny fanafihan'ireo mpioko ny tanànan'i Kamango ka niditra tao Oganda ny 13 Jolay 2013.

Voatafika ary nozanahan'ny Vondrona Separatista Silamo Ogande, ny Hery Demokratika Miombona (ADF) ny tanànan'i Kamango, any Avaratry ny faritra Kivu ny 11 Jolay 2013.

Ny ADF dia natsangan'ireo vondrona izay nahasapa ny tenany ho voahiliky ny governemana tamin'ny taona 1990. Nanangana ady tamin'ireo tanàn-dehibe sy ireo tanàna lavitry ny renivohitra izy ireo, isan'ireny ny famonoana mpianatra 80 ny taona 1998 tao amin'ny kolejy tao Kabarole. Nifarana tamin'ilay vela-pandrika nataon'ny governemanta ny taona 2001 ny hetsika nataon'izy ireo ary nahafatesana mpitari-tolona maro avy tao amin'ny ADF, raha toa kosa ireo mpikambana sisa tavela ka nitsoaka tany amin'ny Repoblika Demokratikan'ny Kongo, izay mbola nanohizan'izy ireo ny fanafihany madinidinika.

Stephane is a 59year-old Red Cross employee in DRC. He is a refugee in Uganda for the second time in his life. Photo courtesy of @luckycbeck.

Stephane, mpiasan'ny vokovoko mena ao RDC, 59 taona. Fanindroany izao izy no nifindra monina tao Oganda teo amin'ny fiainany. Sary nalain'i  UNHCR/@luckycbeck (nahazoana alalàna ny fampiasana azy).

Ny governemanta ao amin'ny Repoblika Demokratika ny Kongo dia milaza fa miara-miasa amin'ireo mpioko avy amin'ny ADF ireo mpitolona ao amin'ny Al-Shabaab avy any Somalia.

Irina Punga (@ir33na), mpitety tany mankafy ny ONU, ny fitandroana ny filaminana, ny fiarovana ireo sivily, RDC, ny filazam-baovao ary ny fomba fanapariahana ny torohay dia nizara lahatsoratra iray mikasika ny fampiasan'ireo mpiokon'ny ADF ny faritra Atsinanan'i RDC ho toy ny faritra fanaovana fanazaran-tena :

@ir33na: ampiasan'ireo mpioko #Ugandan #ADF ny faritra Atsinanan'i #DRC ho faritra fanaovana fanazaran-tena http://goo.gl/CCqcQ

Mubatsi Asinja H (@Asinja), mpanao gazety avy ao Oganda sady blaogera, dia naneho ny tsy fahazahoany ilay raharaha :

@Asinja: Koa iza izany no iza raha toa ny miaramila ao #Uganda hilaza fa tsy ny mpioko #ADF no nanao ny fanafihana ny  tananan'i Kamango tany #DRC?

Richard Kabonero (@richardkabonero), masoivohon'i Oganda ao Rwanda, dia nampitandrina toy izao :

@richardKabonero : Tokony ampahafantarintsika ny governemanta RDC sy ny fiaraha-monina iraisam-pirenena fa hisy vokany lehibe dia lehibe tokoa izay fanafihana rehetra ataon'ny ADF ny Oganda.

musoga bin kyabazing ‏(@MusogaK) dia nampahatsiahy ny masoivoho fa efa “nataon'i Oganda mazava” tamin'ireo mpioko izany tamin'ny taona 1998 :

@MusogaK: @richardkabonero Heveriko fa efa nazava tamin'ny 1998 izany … Sady ilaintsika tokoa ve ny “manazava Izany”, tsy efa fantany ve?

NTV UGANDA (@ntvuganda),Televiziona lehibe iray ao Oganda, fantatra amin'ny fanadihadiana lalina anatin'ny matoan-dahatsorany, no nitatitra hoe :

@ntvuganda : Efa nisy 19000 ireo mpifindra monina voaisan'ny vokovoko mena ao Oganda, avy any Kamango & R.Lamia ao Bundibugyo nandositra ny fanafihan'ny #ADF

Lucy Beck (@lucycbeck) dia nizara sary mampiseho ny fijalian'ireo mpifindra monina ao Oganda :

@lucycbeck : ushundi, vao erintaona, nobaben'ny reniny nandritry ny 1 andro hahatongavana any #uganda taorian'ny nanafihan'ny #ADF ny fonenany http://yfrog.com/ocdilpxj

Hoy ihany izy (@lucycbeck) :

@lucycbeck : Efa 3 000 ny isan'ireo olona ao amin'ny tobim-pandraisanay any #bundibugyo + ireo tonga isaky ny atsasakadiny. Fotoana hinanan'izy ireo sakafo mafana sy hangalan'izy ireo aina amin'izay #ADF

MONUSCO (@monusco), Fikambanana Mpampihavana ny Repoblika Demokratika ny Kongo ao amin'ny Firenena Mikambana, dia nibitsika momba ilay fifandonana farany tao Kivu :

@MONUSCO : Ao Avaratr'i #Kivu, #MONUSCO mampihemotra ny fanafihan'ny #ADF ny tafika ary nanamafy fa ho raisina ho toy fiantsiana ady ny fanafihana ireo mpitandro ny filaminana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.