Raha Toa Izao Daholo Ny Rosiana, Iza Intsony No Hila “Trolls / Mpandranitra” ?

Ny aterneto Rosiana, toy ny aterneto rehetra dia ahitàna fotoam-pahatezerana anaty fotoana fohy. Maro ireo blaogera no sosotra amin'ny zava-mitranga ao an-toerana, na izany famonoana olona any amin'ny farintany iray [GV] na koa ny zon'ireo LGBT [GV], kanefa tsy ampy herinandro akory dia efa nisy zavatra vaovao hafa indray nahatezitra azy ireo. Na dia ny hita matetika aza ny hoe mifandimby ny vaovao toa izany, na miverimberina, dia tsy fahita firy kosa ny hoe tranga mitovy ka hiteraka onjan-katezerana samy hafa ao anaty volana iray monja. Kanefa dia izany indrindra no nitranga tamin'ity volana Jolay ity rehefa nanambara indray [ru] i Pavel Astakhov, ilay mpiaro ny zon'ny zaza ao Rosia, fa misy ny fahafahana mandefa zaza kamboty any Avaratr'i Kaokazy mba hatsangana any.

Ny fanambaran'i Astakhov ny 30 May 2013, mialoha mikasika izany (ilay nantsoiny hoe fisian'ny “andrana” iray mahaliana) dia tsy dia nankasitrahan'ny maro loatra [GV], raha lazaina tsotra. Tamin'ity indray mitoraka ity anefa, dia nazava kokoa ny tenin'i Astakhov — notononiny i Chechnya (Tchétchénie) ho ohatra iray amin'ny faritra Rosiana izay avy hatrany dia manangana sy mikarakara be ireo kamboty, ary nanome toky izy fa hiresaka amin'i Ramzan Kadyrov, mpitondra ny Chechen mikasika ny fahafahana mametraka lamina amin'ny resaka fananganan-jaza isaky iraisan'ny faritra. Toy ny hoe resaka natao tamin'ny marenina ihany iny soso-keviny iny raha tsy hijery afa-tsy ilay herisetra nisy teo amin'ny Rosiana sy Chechens vao tsy ela izay [GV], tao an-tanànan'i Pugachev.

Pavel Astakhov gearing up for a day's work. Image remixed by author using "Pavel Atakhov" by Dmitry Rozhkov, 25 November 2011, CC 3.0 Wikimedia Commons.

Pavel Astakhov miomana hiatrika asa iray andro. Sary namboarin'ny mpanoratra ary nampiasàna ny sarin'i “Pavel Astakhov” nalain'i Dmitry Rozhkov, 25 Novambra 2011, CC 3.0 Wikimedia Commons.

Efa nampoizina ny votoatin'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny RuNet– Hamidy ho andevo fotsy hoditra ny zaza kamboty Rosiana ary terena ho beazina ho lasa mpanao vy very ny ainy. Ny tena marina, nahaliana tokoa ny nahita ny fitovian'ny fanehoan-kevitra tao, na dia hoe somary nasiaka kokoa aza ny fanakianan'ireo nasionalistan'ny RuNet tamin'ity indray mandeha ity. Ilay mpampiasa LiveJournal, mouglley, ohatra, namerina nihaino [ru] ny fotoana nahavoatery ny manam-pahefana Rosiana hiaro an'ireo Mongoliana :

Астахов предложил платить дань еще и детьми, отсылая русских сирот в Чечню, чтобы из них делали чеченцев — самих чеченцев пока еще слишком мало, чтобы установить прямой контроль над Россией.

Astakhov dia nanolo-tena hanome voninahitra ireo zaza, nandefa ny zaza Rosiana kamboty ho any Chechnya, mba mahatezitra mafy ireo Chechen — ary hatramin'izao dia tsy ampy ny Chechen hametraka fifehezana mivantana an'i Rosia.

Mponina anaty aterneto iray hafa no nandefa bitsika hoe [ru] :

Всё думаю, вот Астахов хочет чтобы наших сирот воспитывали в Чечне-так как убийцу в Пугачёве? Ах да, зато русские будут резать русских-так?

Mbola lasa hatrany ny saiko hoe, moa ve mihevitra ny hitondrana ireo kambotintsika any Chechnya i Astakhov — toy ilay mpamono olona tany Pugachev ? Oh eny, kanefa amin'izany fihetsika izany dia ny Rosiana ihany no hamono ny Rosiana, sa tsy izany ?

Iray hafa no nanontany tena hoe [ru]:

На органы, в рабство или как?

[Hioty azy ireo ve] nohon'ny taovany, hanandevo azy ireo, sa inona ?

Hamenoana ny angona rehetra azo, mpampiasa tambazotra iray ao amin'ny tanànan'i Prokopievsk ao Siberia no resy lahatra [ru] ny amin'ny fomba fijerin'ny Manchurian Candidate hoe :

Лично я уверен, что через несколько лет результаты чеченского воспитания дадут о себе знать в виде светловолосых шахидов …

Araky ny hevitro manokana, tena resy lahatra aho fa afaka taona vitsivitsy dia ho tsapan-dry zareo ny vokatry ny fanabeazana Chechen, ho fantatr'izy ireo amin'ny alàlan'ireo fotsy hoditra mpanao vy very ny ainy …

Mifanohitra tamin'ilay onjam-pahatezerana farany teo mikasika ny fanandevozana ireo zaza kamboty, dia hita tamin'ity indray mandeha ity fa tena tezitra na ireo milaza azy fa malala-tsaina aza. Dmitry Olshansky (malala-tsaina iray, manampahaizana amin'ny doka marolafy ary manana fironana nasionalista) dia nanoratra [ru] tao amin'ny Facebook hoe :

Это невыносимая по своей гнусности новость. Просто невыносимая.

Tsy hay zakaina izany vaovao izany amin'izato fahasahiany. Tena tsy ahy zakaina tsotra izao.

Andrey Malgin, bilaogera liberaly manohitra ny Kremlin, dia mizotra aminà làlana hafa mihitsy —  nanondro tsotra fotsiny ilay [ru] sombin-tantaran'i Anatoly Pristavkin [en], izay nitranga taorian'ny Ady Lehibe II tao Chechnya (taorian'ny fandroahana ny Chechen), izay nanarahanà zaza Rosiana kamboty roa, ny iray maty tamin'ny fomba mahatsiravina tamin'ny nandrasarasàn'ireo mponina Chechens azy. I Malgin moa dia namela ireo mpamaky azy haka lesona avy amin'izany.

Mazava ho azy fa, noraisina hoe mivoaka ny lohahevitra ny fanehoan-kevitr'i Astakhov ary mivoana be loatra. Bilaogera iray [ru] no nifandray tamin'ilay sekretera ara-tseraseran'i Astakhov, izay nanazava fa notononin'i Astakhov toy ireo faritra hafa rehetra ihany i Chechnya, isan'izany ny faritanin'i Krasnodarsky Krai, izay manana taham-pananganan-jaza tsara dia tsara. Kanefa toa tsy misy olana izany — tsy miteraka resabe ao amin'ny RuNet intsony ity raharaha ity, ary ho hadino mora foana raha vao misy olon-kafa milaza zavatra mikasika ireo kamboty aoriana kely ao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.