Ramadany Amin-dRa Mandriaka Araka ny Fijerin'ny Artista Ao Syria

Mubarak, (Tahiana) kareem (malala-tanana) na milamina, no teny mahazatra tonga ao an-tsaina rehefa tonga ny Ramadan, volana islamika ifadian-kanina raha tonga miaraka am-pifaliana hivavaka sy mampitsahatra ny fifadian-kanina fanao isan'andro ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina.

Saingy rehefa mitodika any Syria kosa ny artista amin'ity volana masina ity dia – rà, herisetra ary fahakambotiana no hany teny mety aminy. Hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehan'ny lohataona arabo tamin'ny Marsa 2011, ny Ramadany any Syria no tsy mba mubarak, na kareem ary indrindra tsy milamina.

Fa inona tokoa no tena mitranga any Syria? Tsy misy afaka ny tena milaza azy. Saingy ny zavatra azon'ny rehetra jerena dia ny colona tsy hita isa vonoina, ampolony alaina an-keriny ary an-jatony no voatery mandao ny tranony

Ramadan in Syria according to Osama Hajjaj

Ramadany any Syria araka an'i Osama Hajjaj

Nilaza ny Firenena Mikambana vao haingana izay fa “tena miharatsy indrindra” ny fifanandrinana any Syria fa tafakatra hatramin'ny 5000 ny olona maty isam-bolana. Ary tsikaritra fa tsy misy fahasamihafana amin'ny volana hafa ny Ramadany amin'ity taona ity. Mety mbola ho ratsy kokoa aza. Samy manampi-tsofina amin'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana Ban Ki Moon hampitsahatra ny herisetra avokoa ny roa tonta mpifanandrina. Ary toa fanompàna ny ratra dia miakatra izay tsy izy ny vidin'ny fanafody sy ny sakafo. Araka ny Syrian Arab News Agency (SANA = Sampan-draharaham-Pampahalalam-Baovao Arabo Syriana):

@Sana_English: #Syria‘s Health Minister: Decision to raise medicine prices intended to preserve medicine security

Minisitry ny fahasalamana: Fanapahan-kevita hampakatra ny vidin'ny fanafody ho fiarovana ny [fisian'ny] fanafody

Tratran'ny fahirano i Homs, tahaka izany ihany koa i Aleppo sy ny tanàna maro hafa ao amin'ny firenena potiky ny ady.

Mamehy ny fandehan-draharaha ao amin'ny siokany hafa ilay vehivavy Syriana Amal Hanano:

@AmalHanano: On the 1st day of Ramadan, #Aleppo is starving. Dollar is up to 300 Syrian Pounds. No food or medicine to be found. #Syria

Tamin'ny andro voalohan'ny Ramadany, matin'ny hanoanana i Aleppo. Mahatratra hatramin'ny 300 livra Syriana ny dolara. Tsy ahitana sakafo na fanafody mihitsy.

Tsy raharahiana hatramin'ny trano fivavahana aza

@GotFreedomSYA Mosque I could once see from our balcony in Syria is now burning to ruins. One of many Mosques the Assad regime is destroying in Ramadan.

Eo ampirehetana ho amin'ny faharavana ny Moskea iray hitako hatreo an-davarangana. Iray amin'ny Moskea potehin'ny fitondrana Assad mandritra ny Ramadany izany.

Mamelabelatra ny toe-drahraha amin'ny alalan'ny sangan'asa maro ihany koa ny artista Syriana, izay azo jerena an-tserasera.

Tahaka izao no andokoan'i Tammam Azzam ny volatsinana Ramadany:

Ramadan Kareem from Tammam Azzam

Ramadan Kareem avy amin'i Tammam Azzam

Ary indro ny Suhoor mampahonena (sakafon'ny olona mialoha ny hifadian-kanina amin'ny fiposahan'ny masoandro) avy amin'ny artista Hicham Chemali nivoaka ao amin'ny pejy Facebook “Sariitatry ny Revolisiona Syriana”:

There is no one left to wake up for the Suhoor in Syria

Tsy nisy nitsangana ho amin'ny suhoor (sakafo am-piposahan'ny masoandro mialoha ny fifadian-kanina isan'andro) ao Syria

 

A Ramadan Crescent dripping blood along side a full moon made of the names of Syrian towns. Photo posted on Art and Freedom Facebook Page

Maher Abul Husn mahita Ramadan Hazeen (mampalahelo) ao Syria. Volantsinana Ramadany ahitana ra miraraka miaraka amin'ny fenomanana vita amin'ny anaran'ny tanàndehibe Syriana. Sary navoakan'ny Pejy Facebook Zavakanto sy Fahafahana.

See how Bashar [Filohan'i Syria] mizara sakafo ho amin'ny Iftar.

During the month of Ramadan a Cannon is used to remind people it is time to break their fasting and have their iftar meal.

Mandritra ny volana Ramadany mbola mipoaka ny tafondro izay manondro fa vita ny fifadian-kanina ary mahazo ny sakafony ny olona. ao amin'ny sariitatra, navoaka tao amin'ny pejy Basma Souria (Lavotondro Syriana), ahitana an'i Bashar midaoka baomba ny tanàndehibe Syriana

Avy any Jordania, miara ory amin'ny mpifanolo-bodirindrina sy rahalahy Syriana ihany koa ny mpanao sariitatra Osama Hajjaj.

Saingy na eo aza izany rehetra izany dia tsy very tsy akory ny kivazivazin'ny Syriana na dia ratsy tsiro aza, ho entina miatrika ny fiainana. Nalaza haingana ity sary ity taona amin'ny Twitter sy taon amin'ny Facebook.

We apologize this year from the Arabs for not broadcasting "Bab Al Hara" The Neighborhood's Gate" series (one of the post popular Series in the Arab World, usually aired during Ramadan) because Bachar hasn't left any Hara (Neighbourhood)

Miala tsiny izahay amin'ity taona ity nohony tsy fandefasana ny tantara mitohy “Bab Al Hara” [Ny vavahadin'ny mpiray tanàna] (iray amin'ny tantara malaza any amin'ny tontolo arabo, izay fandefa rehefa amin'ny volana Ramadany) satria tsy mbola niala ny Hara (manodidina) i Bashar

Ny sary rehetra nivoaka amin'ity lahatsoratra ity dia nahazoana alalana avy amin'ireo artista avokoa.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.