Fahasalamana + Angona = Knight News Challenge 2014

Nandritra ireo taona vitsy lasa, nahazo anarana ho niha-nalaza tamin'ny fanavaozana ny media ny Fikambanana Fampahalalam-baovao Knight sy ny Knight News Challenge; hahita azy ao ambadik'ireo tetikasam-bahoaka maro mifantoka amin'ny media ianareo ary eny fa na dia manodidina ny vohikalan'ny Global Voices aza (isan'izany ireo asongadina farany ao amin'ny Chicas Poderosas).

knight-logo-3000

Sary famantarana azo ampiasaina amin'ny media avy ao amin'ny vohikala Fifandraisan'ny Fikambanana Knight.

Nanohana tetikasa izay lasa fitaovana tena ilaina be ho an'ireo olon-kafa miasa anatin'ny ict4d* tahaka ny Tor, ny Freedom Fone, ny Ushahidi, ny Frontline SMS, ary ireo maro hafa ny Knight. Tsy manam-paharoa ny fanohanan'izy ireo ny fanaovan-gazety – tahaka ny voamariky ny Orinasa Fast - izay manamarika ny fanapahan-keviny hitodi-doha ny teo aloha raha manoratra mikasika ny tompon'andraikity ny tetikasan'ny Knight, Alberto Ibargüen:

“Raha tokony hanohy hampianatra ireo mpanao gazety efa mahay sady tsara indrindra, amin'ny fomba atao mba hahatonga azy ireo ho Woodward sy Bernstein, ho 1975,” hoy i Ibargüen, “fammpiasam-bola tsara kokoa ny fanaovana fanandramana mba hahafahan'ny vahoaka mampita sy mampiasa ny fampahalalam-baovao.”

Ary miaraka amin'izany, niala avy any amin'ireo fanampiana tetikasa io fikambanana io ka mikisaka any amin'ireo anjerimanontolo na toerana midadasika kokoa, mba hampivondrona ireo hetsika fanombohana tetikasa sy teknolojika ary tsy mikaroka tombo-tsoa manokana. Tanatin'ireo 7 taona lasa, nanohana tetikasa fandrakofana ny fanaovan-gazety, ny governemanta misokatra, ny finday, ary ny fanapariahana ny vaovao ao an-toerana ny News Challenge.

Nanamarika ny Orinasa Fast tanatin'ny lahatsorany fa efa dingana mankany amin'ny fivoarana ny fanekena ny tsy fahalavorariana.

Amin'ity taona ity, hifantoka amin'ity fanontaniana manaraka ity ny Knight News Challenge: Fahasalamana: “Ahona ny ahafahantsika mitrandraka ny angona sy ny vaovaom-bahoaka ho an'ny fahasalaman'ireo vondrom-piarahamonina?”

Amin'ity in-dray mitoraka ity, hiara-hiasa amin'ireo fikambanana hafa izy mba hikarakarana ny antso sy “hiady hevitra mikasika ny fomba hitarihan'ny angona sy ny fampahalalam-baovao mankany amin'ny vondrom-piarahamonina salama kokoa” – isan'izany ny Fikambaana Robert Wood Johnson, Health Data Consortium, Clinton Health Matters, ary ny Fikambanana California HealthCare.

Misokatra ny 3 ka hatramin'ny 17 Septambra ny fisoratana anarana (tsidiho ny pejy FAQ an'izy ireo raha mila ny antsipiriany). Raha manodidina ny fahasalamana ny asanao, mampirisika anao izahay handray anjara!

 

* ict4d = teknolojia fampahalalam-baovao sy fifandraisana ho an'ny fivoarana

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.