St. Kitts & Nevis: Fisamborana Mampihenjana Ny Toe-Draharaha Politika

Mitohy ny Fihenjanana ara-politika ao St. Kitts [mg] taorian'ny fampisamborana ny lehiben'ny People's Action Movement teo aloha Lindsay Grant nandritra ny fihetsiketseha-panoherana notontosaina tamin'ny zoma.

Natao ny hetsika hanerena ny praiminisitry ny firenena, Denzil Douglas, na hiantso hanaovana fifidianana na hiala eo amin'ny toerany hananganana governemantan'ny firaisana. Teo am-pitarihana ny “Diaben'ny demokrasia” teny amin'ny Lalan'ny Fiangonana (Church Street) i Grant ka nipaka teo amin'ny barazy natsangan'ny polisy to amin'ny fihaonana amin'ny Lalana Afovoany (Central Street) raha nitranga ny toe-draharaha. Ny lahatsary sy ireo sary etsy ambany no mitatitra ny sasany amin'ireo zava-nitranga…

Mbola ifandirana ny antsipirihan'ny zava-nitranga hatramin'izao, fa ny sasany nihogahoga fa nihoatra ny sakana napetraky ny polisy i Grant ka dia nisy manamboninahitra iray nanatona azy, ary ny hafa kosa nilaza fa ny fihetsika nataon'ilay manamboninahitra no nahatonga an'i Grant hihoatra ny sakana.

Protesters on the march

Mpanao fihetsiketsehana teo am-panaovana ny diabe

Nosamborina i Grant ary notazonina tao amin'ny komisarià akaiky. Tsy ela dia nanao fihetsiketseha-panoherana teo anoloan'ny komisarià ny andian'olona maro, mandra-pamotsorana an'i Grant enina ora taty aoriana; nafana ny adihevitra tao amin'ny “Vondrona Facebook Lehibe indrindra an'i St. Kitts sy Nevis”:

Protesters outside the police station.

Mpanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny komisarià.

King Black Coral nanameloka ny polisy tamin'ity zava-nitranga ity:

It's a shame that Skn [St. Kitts and Nevis] police force turn a peaceful protest into a violent one. When the criminal element have been taking over the federation where are they[?] It's so sad to say but once again the ugly face of politics is destroying our land of beauty. I witness[ed] it growing up and now it's back [to the] same thing just on the different side. This tit for tat needs to stop otherwise our federation will definitely be ruined.

Henatra raha avadiky ny polisin'ny Skn [St. Kitts and Nevis] ho fihetsiketsehana mahery setra ny fihetsiketsehana milamina. Raha norombahin'ny singan-jiolahy ny federasiona aiza moa ry zareo[?] Mampalahelo ny miteny fa nanimba ny hatsaran'ny tanintsika indray ny endrika ratsin'ny politika. Nanatrimaso aho fa mitombo miandalana izy ity ary miverina amin'ny zavatra mitovy indray fa amin'ny lafiny hafa. Ilaina faranana ity mifanipinipy ity fa raha tsy izany potika tanteraka ny federasiona.

Eural Huggins miady hevitra amin'izany ary mahatsapa fa ny mpanao fihetsiketsehana no tompon'antoka lehibe:

Ppl like you who will condone wrong for political expediency…have you watch[ed] the video? Their claim is they took that route because the ghaut was running…well if you are marching and see a barricade with police why would you want proceed if you claim to be peaceful? There were other options which they refused to take.

Ny olona tahaka anareo milefitra amin'ny zavatra diso noho ny fanararaotana politika… nijery ny lahatsary ve ianareo? Ny zavatra takiany dia hoe nidina teny an-dalambe ry zareo satria nihazakazaka ny ghaut [?]… eny ary, raha manao filaharana ianareo ka mahita ny barazy, nahoana moa ianareo no mandroso raha milaza fa milamina (tsy mikorontana na manao herisetra?) Nisy ny zavatra hafa azo natao tsy neken-dry zareo atao.

Sheldon Pemberton nampitaha ny hetsika fanoherana ankehitriny tamin'izay nataon'i Denzil Douglas taloha:

1993: Dr Douglas lead (sic) an illegal violent protest through the streets of Basseterre. Who is ready to die defending our Democracy with Lindsay Grant[?] The time has come for the Nation of David to take down Goliath and his cronies. Will the People Of David take their Destiny of Freedom in their/our hands[?] The choice is Ours. And Freedom had (sic) it's (sic) Price. Lets [show] the world and our children that WE ARE READY TO TAKE OVER TO MAKE OVER OUR NATION and pull it back from the jaws of a DICTATORSHIP.

1993: Nitarika fihetsiketsehana tsy ara-dalàna maherisetra nanavatsava n lalan'i Basseterre ny Dr Douglas. Iza no vonona ho faty hiato ny demokrasiantsika miaraka amin'i Lindsay Grant[?] Tonga ny fotoana ho an'ny firenen'i Davida hanjera an'i Goliath sy ny namany. Moa ve handray an-tanana ny Hoavim-pahafahany ny Vahoakan'i Davida [?] Antsika ny safidy. Ary manana ny Sandany ny Fahafahana. Andao aseho amin'izao tontolo izao sy amin'ny zanatsika fa vonona handray sy hanangana ny firenentsika isika ary hanaisotra azy amin'ny ziogan'ny [taolambalanoranon'ny] jadona.

Latisha Richard nino fa ny fihetsiketsehana dia tsy politika fa fomba fisaina sy fanao:

Why ppl saying we willing to die for politicians?? Marching for democracy is dieing (sic) for politicians? Then we want to say ppl are not standing up for the country's motto… when there's a clear stand ppl are still confused… What's sad is that the ppl who are saying these things are unsure of a job and are arguing, “Labour gimme a wuk”. It's the duty of the GOVERNMENT to supply jobs for alllll citizens whatever government is in … marching doesn't mean you're choosing sides it means you see a flaw and you want it to change… if you don't care abt the situation why do you wish to have a voice in the matter? I applaud the Robert Bradshaw labour party … but you're blind if you can't see that the labour party now is not the labour party of yesterday …

Nahoana ny vahoaka miteny fa vonona ny ho faty ho an'ny mpanao politika?? Manao diabe ho amin'ny demokrasia ve mamono [tena] ho an'ny politisiana? Avy eto tiantsika ny miteny fa tsy mijoro ho amin'ny teny filamatry ny firenena ny vahoaka… oviana no isy olona mahasahy mijoro mazava raha mbola manjavozavo (ao aminy)… ny mampalahelo dia ireo olona milaza izany zavatra izany tsy mbola matoky ny hahazo asa ary mbola mifandramatra.

Saingy, manao teny roa i E Naevisia Scarborough momba ny natioran'ny fihetsiketsehana, raha jerena ny tantaran'ny fihetsiketsehana ao amin'ny nosy:

 In 1967 my mom was 13, in '93 I was 14 and now in 2013 my son is 13. Three generations, nothing but babies, scared shitless by this kind of unrest and ppl believe that its (sic) ok because……. I don't condone '67, '93 or 2013. We need to get our act together. Lots of ppl saying the march was peaceful but up to which point[?] Mr. Grant provoked the situation. If all a y'all believe that we have the right to walk anywhere we want at anytime, how is it that he is the only one who tried to break the rule and pass the barricade and he is the only one who got arrested[?] There should have been lots more sitting on the bench last night. But u see I guess Mr. Grant has something to prove by getting arrested.

Tamin'ny 1967, 13 taona ny reniko tamin'izany, tamin'ny 1993 indray 14 taona aho tamin'izany, ary amin'izao 2013 izao indray dia 13 taona ny zanako lahy. Taranaka telo, tsy misy afa-tsy zazakely, matahotra an'itony karazana rotaka itony fa ny vahoaka mino fa ok satria ……. tsy milefitra (manaiky) ny '67, '93 na 2013 aho. Mila miara-mihetsika isika. Maro amin'ny vahoaka no miteny fa nilamina ny diabe saingy hatraiza moa izany [?] Atoa Grant no nampipoaka ny toe-draharaha. Raha mieritreritra isika rehefa fa manan-jo handeha amin'ny toerana rehetra tiana aloha amin'ny fotoana rehetra, ahoana moa no izy irery no nanao izay hanitsakitsahana ny lalàna ary izy irery ihany no nosambornia [?] Mety ho maro ny olona nipetraka tamin'ny dabilio tamin'ny alina. Saingy hitanareo, manombana aho fa mitady zavatra tiany porofoina Atoa Grant hisamborana azy.

Ny sary amin'ity lahatsoratra ity dia avy amin'i Jeffrey Phipps, nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.