Avoakan'ny Anonymous Ireo Kaontin'ny Antoko Mitondra Ao Espaina

Fikambanan'ireo ‘hactivistes’ manerantany ny Anonymous izay namoaka ny kaontim-bola nandritra ny taona 1990-2011 an'ny Partido Popular (PP)[People's Party], antoko ao amin'ny fitondrana.

Tsy ela akory izay, ny mpitsara manara-maso ny raharaha Gürtel, tantara ratsin'ny kolikoly politika mbolamitohy ao Espaina izay mahavoarohirohy ireo mpikambana ao amin'ny PP, dia nangataka ny ho afaka hijery ireo antontan-taratasy nanomboka ny taona 1990 noho ny ahiahy fisianà famatsiam-bola tsy ara-dalàna. Nandà ny PP, tamin'ny filazana fa ireo antonan-taratasy tao anatin'ny dimy taona lasa ihany no azo anerena azy ireo.

Ny 8 Jolay 2013, nandefa angona efa manakaiky ny 5GB momba ny toebolan'ny antoko ny Anonymous, ary nanditra io fotoana io ihany koa dia namoaka ho fanta-bahoaka ny toebolan'izy ireo hatramin'ny taona 1990 tao amin'ny vavahadin-tserasera anonyourvoice.com. Haingana be ny fiparitahany tamin'ny alalan'ireo tambajotra sosialy, bilaogy sy fantsona maro. Namoaka dikan'ilay tsiambaratelo nitete ny Anonymous :

Cables contables. PPgoteras. Lo que debería ser público, será público.

Telegramanà kaonty. Nitete ny PP. Aleo ho fanta-bahoaka izay tokony ho fantany.

Io angona io, izay tsy naseho ny vahoaka tany aloha tany, dia hanjary ho eo ampelatanan'ireo olon-tsotra. Anarivony maro ireo olom-pirenena tamin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy no nanomboka nizara sy nandinika ireo antontan-taratasy. Afaka manaraka ny fitsirihina ireo antontan-taratasy ireo ianao ao amin'ny Twitter amin'ny alalan'ny tenifototra #CuentasdelPP [es] :

@15MayoValencia: ¿Quieres echar una mano con la #AuditoriaCiudadanaAlPP? Descarga las #CuentasDelPP, analiza y comparte! http://fb.me/L8xmiwBh
@15MayoValencia: @15MayoValencia: Te hanolo-tanana anay ve ianao mikasika ny #AuditoriaCiudadanaAlPP [es] [ Fitsirihan'olon-tsotra ny AIPP]? Sintony ny #CuentasDelPP[es] [Kaontin'ny PP], hadihadio ary zarao! http://fb.me/L8xmiwBh [es]….. @15MayoValencia: @15MayoValencia:
@LaliSandi: Lo nunca visto: las #cuentasdelpp explotan y se esparcen a pedacitos por la red.
@LaliSandi [es]: Tsy fahita hatrizay: ny #cuentasdelpp[es] [KaontyPP] mitosaka sy miparitaka amin'ny endrika kasinga madinika manerana ny aterineto .
‏@alvarinaitis: #CuentasDelPP Ya en serio ¿No va a dar nadie la cara durante el día de hoy? un comunicado? nadie del @PPopular ni empresarios donantes?
@alvarinaitis [es]: #CuentasDelPP[es] [PP accounts] Saingy mba  marina, tsy misy olona hiseho tava va ankehitriny? tsy misy fanambaràna? tsy misy olona avy amin'ny @PPopular [es] [Antokon'ny Vahoaka] na ireo mpanohana?

Ny PP, izay nampanantena hamolavola lalàna iray momba ny mangarahara tao anatin'ny 100 andro voalohany nisian'ny  governemanta saingy tsy mbola voavolavola izany,  dia nanjary ivon'ny fampitàna tamin'ny fahitalavitra sy onjam-peo vokatry ny fampisehoana ireo kaontiny, voavaofin'ireo olona anjatony tsy mitonona anarana. Araha-mso izao ny fitantanan-draharaham-bahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.