Manamarika ny ‘Telo Andron'ireo Voafonja’ ireo Saodiana fianakavian'ireo Voafonja

Nanamarika ny Andro Fahatelo ho an'ireo Voafonja ny fianakavian'ireo Saodiana voatàna am-ponja, mba ho fanoherana ny fitazonana tsy ara-drariny ireo havany, izay any am-ponja efa ho taona maro tsy afaka akory nandalo fitsaràna tsy mitanila. Ny @e3teqal [fisamborana] sy @almonaseron [ireo mpomba], vondronà mpisolo vava tsy mitonona anarana, no nanainga ny andron'ny 7 Jolay.

Iray amin'ireo firenena mbola mandàla ny fitondrana mpanjaka tsy refesi-mandidy eran'izao tontolo izao i Arabia Saodita sady manana ny isa tsy azo anoharana amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, izay misy olona mihoatra ny 30.000 voatàna tsy an-drariny.

Manerana ny fanjakana, manantona ireo sary sy famantarana mba ho fangatahana ny fanafahana ireo havany ireo fianakavian'ny voafonja. Namokatra lahatsary sady nizara horonan-taratasy mirakitra ny anton'ny fitakiana izy ireo. Mifanohitra tamin'ny andro voalohany sy ny andro faharoan'ireo voafonja, io andro io, ireo tetezana dia nambenan'ireo mpitandro ny filaminana mba hahazoana antoka ny tsy hisian'ny olona na iray aza hanangana ireo famantarana eny aminy. Etsy andanin'izany, voaloko haingana ireo rindrina izay toerana anisany nanehoana ny fangatahana ny hanafahana ireo gadra.

Ny fianakavian'i Abdullah Al-Ayaf no tena nahasarika indrindra ny sain'ny rehetra tamin'io. I Al-Ayaf izay any am-ponja efa nandritra ny enin-taona izao. Notsaraina izy ary tsy meloka, saingy mbola voafonja foana. Nahantona eo ivelan'ny tranon'izy ireo any Qassim ny sariny.image

Tsy ela dia nohodidinina fiaran'ny mpitandro  filaminana Mabahith (mpitandro filaminana miafina) haingana ny tranony. Niresaka tamin'i Maha Al-Dhuhaian – vadin'i Al-Ayaf ny mpikambana iray avy amin'ny Mabahith ny androtr'io sady nanompa azy. Taorina kelin'izay, tonga avy any ny manampahefana iray avy amin'ny mpitandro filaminana iray niteny taminy mba hanala ilay sary mihantona. Nolazainy taminy ny momba ilay mpikambana Mabahith teo.

“Tsy mieritreritra ny olon'ny mpitandro filaminana hahavita hiteny zavatra toy izany aho, na iray aza,” hoy ilay manampahefan'ny mpitandro filaminana mamaly. “Iry saribe iry no anton'ny fisianay eto voalohany indrindra, tsara ho anao ny manala azy io,” hoy izy manampy.

“Ny dikan'io saribe io dia hoe maniry ny hiverenan'ny vadiko aho. “Aza alefanao aty amiko ireo jiolahim-botonareo. Mijanona eo ny saribe,” hoy izy taminy.

Nalain'i Yasser, Al-Dhuhaian sy ny zanaka lahin'i Al-Ayaf ho anaty lahatsary ny resaka. Manontany azy ilay lehiben'ny mpitandro ny filaminana raha maka sary izy ary mamaly Yasser hoe “Eny, maka aho.” Avy hatrany dia miantso an-telefaona ilay manampahefan'ny mpitandro filaminana raha toa kosa ny reniny manontany azy hoe “miantso mikasika ny zanako lahy ve ianao? Aza manao an'izany. Izaho no niteny taminy handrakitra an-tsary an'izao.”

http://www.youtube.com/watch?gl=US&hl=en&client=mv-google&v=eKDgJGYZdkc

Vantany vao tafakatra tao amin'ny YouTube ilay lahatsary, dia nanjary niparitaka be. Nanomboka nandefa tenifototra iray ny mpampiasa Twitter Saodiana ho fangatahana ny hitànana ilay mpikambana avy amin'ny Mabahith ho tompon'andraikitra taminà fanalàm-baraka.

Vao maraimbe, nandrahona an'i Saleh, anabavin'i Yasser, ireo mpitandro filaminana, nilaza fa hopotehin'izy ireo ireo fiarany raha toa ka tsy omena azy ireo ny ID mombamomba  n'i Yasser.

Nibitsika i Maha Al-Dhuhaia hoe:

@cczz1000: الناس في صلاة الفجر تذكر الله ورجال الشرطة عند بابنا يطالبون تسليم ابنائي لهم والا سيعدم سيارتنا ..اي امن يتحدثون عنه حسبي الله وكفى

Mbola eo ampivavahana maraina ireo olona no tonga teo ambaravarako ireo mpitandro filaminana mandidy ahy ny hanolotra azy ireo ireo zanako lahy raha tsy izany dia ho simbàny ny  fiaranay. Filaminana inona no tandrovin'izy ireo amin'izany?

Ny andro manaraka, ny 8 Jolay, tonga nanodidina ny trano indray ny mpitandro  filaminana nangataka ny fianakaviana hanome ilay zanany lahy izay naka ny lahatsary. Tamin'izay indrindra, niantso ny fianakaviana ny mpiasa iray tao amin'ny minisiteran'ny atitany nangataka ny hamafàna ilay lahatsary ary nanome toky azy ireo fa hanome izay tadiaviny.

Tamin'ny farany niresahako tamin'i Yasser, nilaza tamiko izy hoe:

“Ho afaka Ny Raiko na ho ela na ho haingana. Tsy hanao izany ho an'ny raiko aho. tsy olona miavaka aho, saingy maizina ny làlana. Ary noho izany, raha tsy mandrehitra izahay, iza indray no hanazava ny làlana?”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.