Notsipahin'ny «E-Kristianina» Ilay Ambasadera Amerikana Vaovao Ho An'i Espaina Satria Pelaka

Nivoaka ny anaran'ny ambasadera Amerikana ao Espaina: James Costos. Toetra sy endrika telo no ahafantarana ity ambasadera vaovao, manana diplaoma momba ny siansa politika ity: tompon'andraikitra ambony ao amin'ny orinasa mpamokatra fahitalavitra HBO izy, mpiaro mafanà fo ireo biby – ary mpikambana ao amin'ny HSUS, fikambanana manameloka ny halozàna atao amin'ny biby-, ary pelaka tsy miafina izy.

Mpanenjika mafàna fo ny asa piraty ihany koa izy, manohitra ny adin'ombalahy, ary mpikatroka manana ny maha-izy azy amin'ny fiarovana ny LGBT.

Araka ny filazan'ny gazety antserasera 20 minutos [es], nandritra ny fampielezan-kevitr'i Obama tamin'ny fifidianana filoham-pirenena, izay nanambaràna ny fanendrena an'i Costos tamin'ny 15 jona – Costos sy ny vadiny mpampihaingo malaza Michael Smit’ dia:

 

James Costos, US ambassador to Spain, and his spouse, Michael Smith. Photo from the blog Anotaciones de Pensamiento y Crítica.

James Costos (ankavia), ambasadera Amerikana ho an'i Espaina, sy ny vadiny, Michael Smith. Sary tao amin'ny bilaogy Anotaciones de Pensamiento y Crítica.

(…) recaudaron más de 3,5 millones de dólares para la campaña de Obama entre 2011 y 2012, cuando prestaron el lujoso ático que poseen en Manhattan (Nueva York) y la gigantesca mansión que comparten en Los Ángeles (California) para varios actos de recaudación de fondos.

nahangona vola maherin'ny 3,5 tapitrisa dolara tamin'ny fampielezan-kevitr'i Obama teo amin'ny taona 2011 sy 2012 izy ireo, raha nampindrana ny tranobe mirentirety mitafotrano maritampona azo andehandehanana fananan'izy ireo ao Manhattan (New York) sy trano goavambe ao Los Angeles (California) ampindramin'izy ireo amin'ireo hetsika fanangonam-bola marobe.

Nilaza ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra fa valisoa tamin'ny fanomezana nataony nandritra ny fampielezan-kevitr'i Obama no anton'ny fanendrena azy, nilaza kosa ny hafa fa noho ny teritery tamin'ny fandresen-dahatra nataon'i Hollywood ny fanendrena azy, izay miahiahy amin'ilay –iadin-kevitra matetika [es]– momba ny habetsaky ny fanaovana piraty ao Espaina.

Ny marina dia, nalefa tany amin'ny firenena tsy mametraka ny maha-pelaka ho olana lehibe i Costos. Raha ny marina dia, mitoetra tsara ny fikambanan'ny pelaka ao Espaina, ary araka ny tatitra avy amin'ny fikambanana Pew Research, 88%n'ny mponina no mahita fa tokony eken'ny fiarahamonina ny maha-pelaka. Eken'ny lalàna ny fanambadian'ny olon-droa mitovy fananahana nanomboka tamin'ny taona 2005, firenena manerantany fahatelo nankatò izany i Espaina taorian'i Holandy sy i Belzika.

Na dia nambara tsy nisy korana amin'ny sehatry ny politika espaniola aza ny fanendrena an'i Costos, nisy ny fikambanana manohitra tanteraka ny fanendrena azy: Nitsikera mafy ny governemanta ny E-Kristianianina, habaka katolika-hiringiriny mpiavy Katalana, noho ny fandefasana an'i Costos any Espaina. Vitan'izy ireo hatramin'ny fanaovana fanangonan-tsonia [es] handresen-dahatra ny minisitry ny Raharaham-bahiny Espaniola, José M. García-Margallo, «tsy hankatò ity “tsy mendrika (placlet)” ho ambasadera Amerikana vaovao ho an'i Espaina ity», izay midika hoe, lavina tsy ho ambasadera i Costos. Toy izao ny lahatsoratra hita amin'ilay fanangonan-tsonia:

El Sr. Costos y su pareja son promotores del homosexualismo político en aquel país [EE.UU.] y ha sido nombrado por esta razón. Su presencia significa la voluntad de intromisión en la política interior española para promover el homosexualismo político, un hecho inaceptable desde el punto de vista de la neutralidad formal que debe poseer toda representación diplomática.

Mpampiroborobo ny fiarahan'olon-droa mitovy fananahana ao amin'ny fireneny [Etazonia] i Costos sy ny vadiny ary noho izany antony izany no nanendrena azy. Maneho fidirana amin'ny fiainanam-pirenena ara-politikan'i Espaina ny fahatongavany mba hampiroborobo ny pelaka amin'ny sehatra politika, toe-javatra tsy azo ekena amin'ny fijery tsy miangatra izay tokony hananan'ireo solontena diplaomatika.

Tamin'ny taona 2001 no niforona ny E-Kristianina, habaka natsangan'i Josep Miró i Ardèvol [es], mpikambana ao amin'ny antoko Convergència i Unió, mpanorotsaina taloha momba ny fambolena tao amin'ny governemanta Katalana mahaleotena, ary mpanorotsaina monisipaly taloha tao an-tanànan'i Barcelona. Toy izao ny filazan'ny gazety El Plural [es],

Josep Miró y Ardèvol, president of E-Christians. Photo from the blog «El Trastevere»

Josep Miró y Ardèvol, filohan'ny E-Christians. Sary tao amin'ny bilaogy «El Trastevere».

[E-Cristians] defiende los valores de la Iglesia y se opone al matrimonio homosexual o al aborto. Defiende que la crisis actual está causada por la pérdida de los valores cristianos y de la aceptación por la sociedad de la homosexualidad y la interrupción del embarazo.

Miaro ny hasin'ny fiangonana ny [E-Christians] ary manohitra ny fanambadian’ ny olon-droa mitovy fananahana sy ny fanalan-jaza. Milaza ihany koa izy fa noho ny fahaverezan'ny hasin'ny kristianina sy ny faneken'ny fiarahamonina ny fiarahan'olon-droa mitovy fananahana sy ny fanalan-jaza no mahatonga ny krizy ankehitriny.

Carlos Gil Fernández [es] naneho hevitra mikasika ity lahatsoratra ity.

Nunca pensé que en mi vida iba a decir esto: me empieza a caer bien el Embajador de los EE.UU. Quién me ha visto y quién me ve, todo por culpa de los fachas ultracatólicos.

Tsy mba nieritreritra hilaza ity aho teo amin'ny fiainako: Manomboka mankasitraka ny ambasady Amerikana aho. Ireo izay efa nahita ahy sy mahita ahy amin'izao fotoana izao, dia noho ny fanavakavahana (fasista) ataon'ny katolika-hiringiringy no anton'izany.

Rafael90 [es] nanoratra tao amin'ny habaka «menéame»

Ultracatólicos en puestos de gran poder político–>¡Bien!
Homosexuales en puestos menos importantes (embajador)–>¡Abominación suprema!

Mahazo vahana ara-politika ny katolika hiringiriny–>¡Tsara!
Tafiditra amin'ny andraikitra tsy dia ambony loatra ny pelaka (ambasadera)–>¡Fahavetavetana Faratampony!

Tao amin'ny aterineto, nanohitra ny fitakian'ny E-Kristianina ny ankamaroan'ireo fanehoan-kevitra. Tao amin'ny Twitter ohatra, naneho ny hatezerany sy ny fitsipahany ny fitakiana sy ireo izay mpivoy izany ireo mpiserasera: «Angamba adalàna tanteraka izao?» (marian/@marianMasoto54 [es]); «Menàra ry katolika hiringiriny» (Sergio – 3ªRepública/@sergiofdezp [es]); «Tsy mahay mitsabo ny adalàna ianareo» (AGP/@agonzalezpac [es]); «Tonga hanafika i Moro!!» (Moisés Prieto/@MoissPrieto [es]); «Eny, eny, eny, Fanajana izany» (Ernesto S. Pombo/@espombo [es]).

Mazava ihany koa ny filazan'ireo mpiserasera sasany na dia tsy mivantana aza, tahaka an'i Carlos Saenz Eíriz [es] y jm renye [ca]:

 

@cseiriz: elplural.com/… DE QUÉ VAN ESTOS Srs ? PÓNGALOS YA EN SU SITIO Y QUE HAGAN PROSELITISMO EN SUS IGLESIAS….SI LES DEJAN.

@cseiriz: elplural.com/… [es]
INONA NO LAZAIN IRETO LEHILAHY IRETO? APETRAHO AMIN NY TOERANA MISY AZY IZY MBA HIVAVAKA SY HANENDRY OLONA AO AMIN NY FIANGONANY….RAHA AVELANAREO IZY.

@JmRenye: Que es dediquin a netejar la merda que tenen a casa seva i deixin als demes en pau.

@JmRenye [ca]: Mino aho fa hanadio ny maloto ao an-tokantranony izy ireo ary hamela ny tsirairay am-pilaminana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.