Avy ao amin'ny Zaridainan'i Gezi ka Hatrany amin'ny Vondrona Eoropeana : Lavitra Akaiky

Niteraka fihetsiketsehana goavana tao Torkia, hatramin'ny volana jona lasa teo, ny fandaminana indray ny kianja Taksim sy ny famotehana ny zaridaina . Efa nofoanan'ny Fitsarana Tiorka io tetikasa io tamin'ny fanombohan'ny volana jona 2013 na dia tsy nivoaka tamin'ny gazety sy ny haino aman-jery samihafa raha tsy tamin'ny 3 jolay. Noraisin'ny Le Matin indray ny anton'izany fanafoanana izany :

La Cour a argumenté son jugement par le fait que «le plan directeur du projet viole les règles de préservation en vigueur et l'identité de la place et du Parc Gezi» qui la borde, selon le jugement cité par les quotidiens Zaman et Hürriyet.

Nataon'ny Fitsarana ho fandresen-dahatra tamin'ny didim-pitsarana ny fahitana fa “manitsakitsaka ny fitsipiky ny fiarovana mbola manankery sy ny mampiavaka ny kianja sy zaridaina Gezi ny drafitra ankapoben'ilay tetikasa”, araka ny didim-pitsarana notononin'ny gazety Zaman sy Hürriyet

Erdogan Twitter

Erdogan : Fahadisoan'ny Twitter ny fihetsiketsehana, avy amin'i khalid Albaih ao amin'ny Flickr, CC by-nc-sa/2.0

Araka ny France 24 dia manohy ny fihetsiketsehany ny tanora ao Istambul. Nefa rehefa jerena ity didy ity dia nivoaka nialoha ny fanesorana anterisetra ny olona nilasy tao amin'ny kianja Taksim tamin'ny 15 jona, ary ny fifandonana nahery vaika tamin'ny volana jona teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana nanohitra ny tetikasa sy ny polisy dia nahafatesana olona 4 sy naharatrana olona mihoatra ny 8000, tsy maintsy feno baraingo ihany ao an-doha. Ireny rehetra ireny noho io? Ny vokatr'ireny fifandonana ireny anefa dia nihoatra ny sisintanin'i Torkia, ary ny mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana, ary lohany amin'izany i Alemaina, dia naka fanapahan-kevitra hanemotra ny fifampidinihana momba ny fidiran'i Torkia ao amin'ny vondrona eoropeana ho amin'ny fotoanan'ny mihitsan-dravina noho ireny fifandonana ireny, nefa tokony nanomboka tamin'ny 26 jona ny fifampiresahana, na dia nohamafisina aza fa mitohy ny fifampidinihana. Nanondro mazava ny habaka Cameroonvoice:

La chancelière Angela Merkel a déclaré la semaine dernière que les événements en Turquie ne correspondaient pas aux “notions européennes de la liberté de réunion et d’expression”.

Nanambara ny chancelière Angela Merkel tamin'ny herinandro fa tsy mifanandrify amin'ny “fahalalàna eoropeana momba ny fahafahana mivory sy maneho hevitra” ny zava-nitranga tao Torkia.

Tsinjotsinjo fa mampanontany tena momba ny fanondroana izay mampiavaka/mampitambatra ao Frantsa sy ao Eoropa ireny toe-draharaha tiorka ireny, ary izany rehetra izany dia mifandraika amin'ny fidiran'i Torkia ao amin'ny Vondrona Eoropeana, ny lohahevitra dia manodidina ny “tsy manana soatoavina iombonana isika, na mety ho misy ?”.

Sarotra ho an'ny gazety frantsay ny famakafakana ny toe-draharaha

Samy manana ny fomba famakafakany izay nitranga tao Torkia tamin'ny volana jona ny gazety frantsay maro, amin'ny alalan'ny fanaovana fampitahana (fanoharana) isan-karazany. Tahaka ireny hoe hanolotra karazam-pangaro tsy misy any amin'ny Frantsay mihitsy sy zava-misy fantatra tsara ity mpifanolobodirindrina goavana sy ny mpisaritaka ao aminy izay mety ho lasa fianakaviana ihany. Tahaka izany no nanoratan'i Henri Goldman ao amin'ny bilaoginy :

“Un peu partout, on compare Taksim à Tahir, le Printemps turc au Printemps arabe. Sur les images qui circulent, ce sont les mêmes couches sociales,– étudiants, classes moyennes instruites… – qui tiennent le haut du pavé. Celles-ci nourrissent leurs aspirations à partir du kit culturel cosmopolite qui se diffuse par internet et constitue désormais le bagage commun des courants « branchés » des sociétés en transition. Le mode de mobilisation aussi les rapproche : des mots d’ordre lancés à travers la toile et qui essaiment en réseaux sans quartier général où n’importe quelle consigne est reprise pour autant qu’elle réponde à l’attente, indépendamment de qui la lance.”

Saika na aiza na aiza dia ataha amin'i Tahrir i Taksim, ny Lohataona Tiorka amin'ny Lohataona Arabo. Any amin'ny sary mandehandeha any, sarangam-piaraha-monina mitovy -mpianatra, saranga antonony nanovo fahalalana… – no mitana ny lohalaharana. Mamahana ny hetahetany, avy amin'ny kojakojan-kolontsaina maro fiaviana mifangaroharo miely amin'ny alalan'ny aterineto, ry zareo ireo ary manomboka mandrafitra ny rivotra mitsokan'ireo “maharaka” ao amin'ny fiaraha-monina an-dalam-piovàna. Mampifanakaiky azy ireo ihany koa ny fomba fanetsiketsehana : teny ifampibaikoana mandeha amin'ny alalan'ny aterineto sy mameno ny tambajotra, tsy manana foibe, ka raisina avokoa ny teny mpiampita rehetra ka mamaly amin'izay nandrasana, tsy miankina amin'izay nandefa azy.

Misy koa ny hafa, indrindra fa ny ao Frantsa, mahita ny fihetsiketsehana ho “mey 68″ vaovao. Mirona amin'izany fomba fijery izany i Chems Eddine Chitour ao amin'ny bilaoginy :

“Les médias occidentaux pensaient et pensent  que le dernier «domino» allait tomber. Ils ont présenté cette colère comme celle d’une Turquie ultralaïque qui en a marre de l’AKP et tout est fait pour forcer l’analogie avec les places Tahrir et partant avec les tyrans arabes. Pas un mot d’une analogie avec mai 1968 en Europe au sortir des trente glorieuses bâties sur la sueur des émigrés. Quand Daniel Cohn-Bendit et ses camarades avaient mis à mal le gouvernement de De Gaulle ce n’était pas pour du pain comme la plupart des révoltes dans les pays arabes, mais c’était pour secouer un ordre ancien en interdisant d’interdire…”

“Nieritreritra ary mieritreritra ny gazety tandrefana fa hianjera ny “daomy” farany. Nasehon-dry zareo ho avy amin'i Torkia mpandala ny maha-lahika hiringiriny leo AKP, izao fahatezerana izao, ary atao daholo izay ampitovizana amin'ny kianja Tahrir sy ny fampifanandrifiana amin'ireo mpanao jadona arabo. Tsy misy fitenenana fitoviana amin'ny mey 1968 tany Eoropa teo am-pivoahana ny telopolo taona mamirapiratra naorina tamin'ny hatsembohan'ny mpifindramonina. Raha nanao izay hahasahirana ny fitondran'i De Gaulle ry Daniel Cohn-Bendit sy ny namany dia tsy noho ny fitadiavana mofo tahaka izay mitranga any amin'ny fitroarana any amin'ny firenena arabo maro, fa ny mba hanozongozona ny rafitra ntaolo handrara ny fandrarana…”

Nanameloka tamin'ny fomba ofisialy ny famoretana ny fihetsiketsehana ny Parlemanta Eoropeana. Saingy naneho hevitra tamin'ny lahatsoratra ao amin'ny France 24 i Ex-Expat :

Les seuls Européens en Turquie sont ceux au Taksim et leurs sympathisants!”

“Ny hany Eoropeana ao Torkia dia ireo ao Taksim sy ny mpankasitraka azy ihany!”

Nisy lahatsary mampiseho ny mpanao fihetsiketsehana ao Taksim mihira ny “la volonté du peuple” [ny sitrapon'ny vahoaka] nalaina avy amin'ny sarimihetsika an-kira “Les misérables” [Ireo Fadiranovana] mampiseho ny rohy eo amin'ny mpanao fihetsiketsehana amin'i Eoropa :
http://www.youtube.com/watch?v=FctAww-4p9k

Avy amin'ny Zaridaina Gezi ka mankany amin'ny fidiran'i Torkia amin'i Vondrona Eoropeana

Taksim ist überall

Taksim ist überall ! – Taksim est partout ! Hambourg, Allemagne, 8 juin 2013, par Rasande Tyskar sur Flickr, CC by-nc/2.0

Ny “soatoavina eoropeana” izay nolazain'i Angela Merkel moa dia ireo soatoavina naverimberin'ny famoaham-baovao an-tserasera, mibolisatra hatrany avy amin'ny resaka fihetsiketsehana ao Gezi sy Taksim mankany amin'ny fidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana. Namerim-pitenenana indray ny tsanga-kevitry ny antoko ankavanana frantsay i Franck Proust, depiote eoropeana ao amin'ny UMP :

Un accord de partenariat: oui, mais l’adhésion à l’Europe : Non! La Turquie n’a rien d’européenne. Nous ne partageons pas la même culture, ni les mêmes racines judéo-chrétiennes, ni les mêmes aspirations politiques “

“Fifanaraha-piaraha-miasa: Ekena, saingy fidirana amin'i Eoropa: Tsia! Tsy misy maha-Eoropeana an'i Torkia. Tsy manana kolontsaina iraisana isika, tsy manana faka iraisana jodeo-kristiana, na dia ny hetaheta politika ihany koa aza”

Ny fanehoan-kevitr'i Joël Toussaint mamaly izany :

L’Europe partage des racines judéo-chrétiennes qui ont été plantées… en Turquie! Le premier Concile de Nicée date de 325 et le premier Concile de Constantinople fut tenu en 381. (…) L’arrogance trouve sa racine dans l’ignorance… M. Proust saute à pieds joints sur le prétexte que lui fournit Erdogan et met ainsi le pied dans le plat. Il procède à un exercice d’amalgame entre le peuple turc et ses dirigeants. La démagogie politique dans toute sa splendeur!”

“Mizara ny faka jodeo-kristiana izay nambolena… tao Torkia i Eoropa! Ny datin'ny konsily tao Nisea dia tamin'ny 325 ary ny konsily voalohany tao Constantinople dia notanterahina tamin'ny 381. (…) Ny fieboeboana dia niorim-paka tamin'ny tsy fahalalàna… Nitsambiki-mifato-tongotra Atoa Proust tamin'ny fialana sirik'i Erdogan ka nametraka ny tongony ao am-bilia. Miezaka manafangaro ny vahoaka tiorka amin'ny mpitarika azy izy. Ny laingalainga politika ao anatin'ny famirapiratany tanteraka!”

Ny ankamaroan'ny mpaneho hevitra moa tsy resy lahatra mihitsy amin'ny fomba fidirana (ao amin'ny vondrona) :

(…) Vouloir absolument européaniser le digne successeur de l’empire ottoman est une vue de l’esprit, une vision idyllique de la future Union européenne. Ce n’est pas parce 5% de la population adhère aux idées et valeurs de l’UE que les 95% d’anatoliens vont le faire, ni parce que Constantinople est devenu Ankara que la mentalité des dirigeants ottomans  – kémalistes ou islamistes (modérés ?), a changé.”

solidarity occupygezi Wroclaw

Fihetsiketseha-piraisakina amin'ny  #OccupyGezi ao Wroclaw, Polonina, avy amin'i David Krawczyk ao amin'ny Flickr – CC by-nc-sa 2.0

“(…) ny finiavana hanao izay hahaeoropeana ny mpandimby mendriky ny ampira ottoman dia fijerin'ny fanahy, fijery nofinofy saro-takarina amin'ny hoavin'ny Vondrona Eoropeana. Tsy hoe mandray ny hevitra sy ny soatoavin'ny Vondrona Eoropeana ny 5%n'ny mponina dia hanao izany ny 95%n'ny Anatoliana, na hoe lasa Ankara i Constantinople dia niova ny fomba fisainan'ny mpitondra ottomans – na kemalista na islamista (tony?)”

Saingy raha hazavaina ny soatoavina iraisana amin'ny mpanao fihetsiketsehana, ankoatra ny ao amin'ny sisintany eoropeana, ho fanoherana ny herisetran'ny polisy, ny fitazonana tsy ara-drariny ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpanao gazety, hiarovana ny fahalalaham-pitenenana sy mivory. Izany no nanamafisan'ny  Cameroonvoice :

“De l’Azerbaïdjan au Sénégal tout le monde compatit avec les manifestants de la place Taksim, pas avec Erdogan”, conclut Hakan Günes, professeur de politologie à l’université de Marmara.

“Hatrany Azerbaïdjan ka hatrany Sénégal, miombom-po amin'ny mpanao fihetsiketsehana eo amin'ny kianja Taksim ny rehetra, fa tsy amin'i Erdogan”, hoy ny fehintenin'i Hakan Günes, mpampianatra politika ao amin'ny Oniversite Marmara

Ary arakaraka ny iantsoan'i Erdogan ny petra-kevitra fisian'ny tsikombakomba ratsy hiampangany ny ambaindain'ny Vondrona Eoropeana, ny haino aman-jery tandrefana, ny tambajotra sosialy (singanina manokana ny Twitter), no vao maika mety hampitoka-monina azy eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Mampihomehy ihany, hoy i Sema Kaygusuz, Tiorka mpanao tantara foronina, raha miresaka izany ihany fa dia eo amin'ny resaka tahotra ny hafa sy ny petra-kevitra fisian'ny tsikombakomba ratsy no mampifanakaiky ny fiaraha-monina tiorka sy amerikana :

La Turquie est un pays où tout le monde a peur de l’autre. Les Kémalistes ont peur des islamistes, les islamistes ont peur des laïques, les femmes ont peur des hommes, les enfants ont peur des adultes… C’est la mentalité américaine : on est toujours en danger.”

Torkia dia firenena izay matahotra ny hafa daholo ny rehetra. Ny kemalista matahotra islamista, ny islamista matahotra lahika, ny vehivavy matahotra lehilahy, ny ankizy matahotra olondehibe… Fomba fisainana amerikana izany : mety hisy loza hitranga hatrany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.