Nikatso Tamin'ny Andro Voalohany Handefasana Azy Ilay Tranonkala Vaovao Ho Fanaovana Fitakiana Ety Anaty Aterineto Tao Shina

Nikatso tamin'ny andro voalohany handefasana azy ilay tranonkala vaovao ho Fanaovana fitakiana ety anaty aterineto tao Shina, niteraka fanarabiana sy fanakianana avy amin'ireo mpampiasa aterineto.

Nanokatra vohikala vaovao ny fitondrana Shinoa ho fandraisana ny fitakian'ny Shinoa rehetra ety anaty aterneto ny 01 Jolay 2013, ezaka izay natao haha-haingana ny dingana arahana ary narahana fanomezan-toky manao hoe “ny tranga rehetra atao amin'ny alalan'io tolotra vaovao io dia hahazo valiny avokoa,” araky ny nambaran'ny Xinhua Nouvelles [zh].

Kanefa dia nikatso ilay vohikala vaovao ny maraina voalohany nisokafany noho ny habetsaky ny mpiserasera. Na dia niverina nandeha indray aza ilay vohikala ny tolakandro dia mbola nisy olana maro hafa. Ohatra iray izao, tsy mahazaka Internet Explorer ilay izy.

Fomban-drazan-dry zareo Shinoa ny mandeha manatona mivantana ny Amperora any Beijing hitondra ny fitarainany raha toa ka tsy raharahian'ny governemanta ao an-toerana ny fitakian'izy ireo. Kanefa ankehitriny, na mbola azo atao aza izany fitarainana dia tena tsy tsara amporisihana mihitsy. Matetika  no mitady ny rariny amin'ny alalan'ny rafitra ara-dalàna na ireo birao eo an-toerana ny mpanao fitarainana. Na dia izany aza, manatona any amin'ny birao Nasionaly any Beijing ihany ireo izay tsy afa-po tamin'izay heverina ho tsy nahazo rariny. Vao tsy ela izay, nirona tany amin'ilay White House Petition Website (Vohikalan'ny Trano Fotsy atao Ho Fitarainna) ny vahoaka hitady fanampiana.

Nametrahana fanontaniana maro mikasika ny fahamatorany amin'ny fiatrehana io tetikasa vaovao io ny governemanta noho ilay fikatsoana. Tao amin'ny Sina Weibo, ilay vohikala malaza indrindra fitorahana bilaogy kiritika, ny fikarohana ny hoe “fitakiana tanaty vohikala ” dia ahitàna serasera mihoatran'ny 525.364 [zh] ny 02 Jolay 2013. Maro tamin'ireo mpampiasa aterneto no niahiahy be ihany ny amin'ny hahatanteraka io rafitra fitakiana anaty aterneto io, ary misy mihitsy ireo matahotra fa mety hampiasain'ny governemanta ho amin'ny fanaraha-maso ireo mpitaraina io vohikala io.

A screenshot of the petition website

Sarin'ilay vohikala fitarainana

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Ilay gazety “Yunxin Shiping” ao Yunnan  dia namoaka ampahana fanehoan-kevitra mitondra ny lohateny hoe “Inona no dikan'ny Aretin'Ilay Tranonkala fanaovana fitakiana” :

正是因为基层行政机关、司法机关积压了太多的纠纷,才导致公众“不信法而信访”,万事往上走。可关键是,信访也并不是坦途,网上投诉开放之后,网站被挤瘫虽是在情理之外,倒是在意料之中。公众挤瘫国家信访局门户网站,鼠标背后,有多少权利被压抑,有多少权力的冷漠与傲慢,有多少基层组织不作为甚至乱作为……似乎不难想象。

Satria be loatra ny fitarainana tsy raharahian'ny sampan-draharaham-panjakana sy ny sampan-draharahan'ny fitsarana, izany no mahatonga ny vahoaka tsy mahatoky ny lalàna fa ny fitakiana, tsy maintsy ampakarina amin'ny sehatra avo avokoa ny zava-drehetra. Fa ny tena zava-dehibe dia ny hoe tsy mora ny làlana mankany amin'ny fitakiana, mihoatra lavitra noho ny lojika ny fikatsoan'ilay vohikala taorian'ny fisokafany, kanefa efa nampoizin'ny maro ihany. Aorian'ireny fanapotsirana ny “souris” ireny, firy ny zo voahosihosy, firy ireo tomponandraikitra mody fanina sy miavona, ary firy ireo fikambanana ao an-toerana no tsy nanao inon'inona na nanao zavatra tsy araka nytokony ho izy…… Tsy sarotra ny alaina sary an-tsaina izany.

“Qingwa Mading” dia nitaraina [zh] momba ilay rafitra fitakiana amin'ny ankapobeny sy ny tsy fandehanan'ilay vohikala tsara. Nolazainy ihany koa fa mamatsy torohay mora foana ho an'ny governemanta ny olona manoratra ny tena anarany ao, izay hanamora ny fanakànany azy ireo tsy hanao fitakiana intsony :

在一个公民需要通过信访寻求公正的国度,谈民主和自由是可笑的事情,因为法治的社会一切不公都能通过法律解决。中国网上信访局成立,用Chrome打开竟提示不支持,看来网站建设的费用又被哪个官员的亲戚装口袋了。注册须用身份证号码进行实名验证,减轻了今后地方截访的工作量。

Ao anaty firenena iray izay ny fanangona-tsonia fanaovana fitakiana no ianteheran'ny olona hikatsahany ny rariny, mampihomehy be ny hiresahana demokrasia sy fahalalahana, satria raha any amin'ny firenena manara-dalàna, dia voavahan'ny lalàna avokoa ny tsy rariny ara-tsosialy rehetra. Natsangana ny Birao Fitakiana Anaty vohikala ao Shina, kanefa tsy mahazaka Chrome akory, toy ny hoe lasa any am-paosin'ny fianakavian'ny mpitondra sasantsasany ny vola tokony hampiasaina tamin'ny fananganana ilay vohikala. Mila fanamarinana amin'ny nomerao karapanondro ny fisoratana anarana, izay hanampy  hanamorana ny asan'ny manampahefàna eo an-toerana mihevitra ny hanakana ireo mpanao fitakiana.

Ilay bilaogera “Laoshu Jiazi Beiyong”  dia nanazava[zh] ny antony nilazany fa tsy hanjary io fitakiana anaty aterneto io :

从以往一些信访纠纷来看,多数基层或边远地区的访民,都不太善用网络,号召他们通过网络渠道表达诉求,可能难以收到良好成效。另一方面,很多访民“信访不信法”“信国家信访办不信地方信访局”,是因为与后者相比,通过到北京上访的方式伸张正义,概率相对大一些。但是,很多访民都曾遇到“踢皮球”或“冷处理”的对待,即便通过网络上访,同样不能避免这种问题;而那些惯于以“堵”“捂”“压”的方式应对访民的地方政府,只需将以前的“进京截访”变成“网络截访”,就同样可以抹掉所谓的“负面信息”。

Raha tsy hijery afa-tsy ireo mpanao fitakiana teo aloha, dia hitantsika ao fa avy any amin'ny toerana lavitra andriana tsy dia ahitàna aterineto avokoa ny ankamaroan'ny mpanao fitakiana, mety tsy handeha mihitsy noho izany ny filazana amin'izy ireo ny tokony hampiasàny ny aterineto ho fitaovana hanaovany fitakiana. Amin'ny lafiny iray, maro amin'ireo mpanao fitakiana no tsy mahatoky ny fitsarana fa aleony fitakiana, tsy mahatoky ny birao fametrahana fitakiana ao an-toerana izy ireo fa aleony ny birao nasionaly satria fantany fa manana hirika kokoa izy ireo raha mankany Beijing hitaky ny rariny. Na dia izany aza anefa, maro amin'ireo mpanao fitakiana no tratran'ny fanilihana andraikitra (pass the buck) na ny “fandraisana mangatsiatsiaka”. Ary na dia manao fitakiana anaty aterineto aza izy ireo, dia tsy afaka misoroka ireo olana voalaza ireo ihany. Tokony hanova paika indray ny governemanta ao an-toerana izay zatra “mandrara”, “manafina”, ary “manery” mba hifandraisana amin'ireo mpanao fitakiana “Amin'ny fanakànana ny olona tsy ho any Beijing” ka hatramin'ny famafàna ny atao hoe “fampahafantarana ratsy.

Ilay mpanao famakafakana Wang Chuanyan dia nampitandrina [zh] ny mety hisian'ny fanaraha-maso anaty aterineto ataon'ny governemanta :

上访民众的网络安全,首先应该是上网过程的安全,到底有没有被当地政府监控,自身的信息资料是不是已经被冻结,其网络信息是不是也已经被监控等等。

Mbola olana ny fiarovana ireo mpanao fitakiana anaty aterineto. Voalohany, ny fitandroana fahazoana antoka ireo dingana ao anaty aterineto, moa misy ve ny rafitra fanaraha-maso apetraky ny governemanta eo an-toerana? Efa voaara-maso ve ny fampahafantarana avyamin'izy ireo? Efa voasivana sahady ve ny torohay ety anaty aterneto?

Ilay mpanoratra Jin Maolou dia namintina toy izao [zh] :

在基国,执法就是打人,税收就是抢劫,信访就是踢皮球。今日国信局宣布全面接受网上投诉并承诺“事事有着落、件件有回音” 。下午,网站瘫痪。其实民众何必这么热情呢。信访局本就是违宪怪胎,指望它那是缘木求鱼。办法不是没有,取缔信访局,司法真正独立,不从根子上解决问题,作秀自嗨有何用。

Eto amin'ny firenentsika, miafara amin'ny herisetra ny fampiharana ny lalàna, halatra ny haba, ampiasaina fotsiny ny fitakiana mba hialàna bala tsy handraisana andraikitra. Anio, namoaka fanambarana ilay birao fa ekeny ny fanaovana fitakiana anaty aterineto ary nanome toky fa “ny tranga rehetra atao amin'ny alalan'io tolotra vaovao io dia hahazo valiny avokoa.” Na dia izany aza, nikatso ilay vohikala ny tolakandro. Ny marina, Inona no tena itiavan'ny olona ilay vohikala ? Ilay biraom-pitakiana izy tenany aza biby mampitahotra, tsy ilaina ny mametraka fitokisana aminy. Iray ihany ny làlana, rafitra lalàna iray mahaleotena  tanteraka. Raha tsy vahana ifotony ny olana, inona no ilàna io fampisehoana io ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.