St. Kitts & Nevis: Eo Am-Panoherana ny Praiminisitra

Tsy fahita firy ao amin'ny politika any Karaiba, izay masiaka ny firaiketam-po amin'antoko, saingy tafakatra avo kosa ny fifanenjanana politika ao St. Kitts and Nevis taorian'ny fialan'ny minisitra zokiolona roa tamin'ny Antokon'ny Mpiasa St. Kitts and Nevis mitondra amin'izao fotoana izao izay misy ny Praiminisitra Denzil Douglas.

Izany fihetsika izany dia nametraka ny governemanta ho ao amin'ny toeran'ny vitsy an'isa ao amin'ny Antenimieran'ny firenena ary nihoatra ny enimbolana izao no tsy nikabary tao amin'ny Parlemanta ny Praiminisitra, izay heverina fa ny anton'izany dia ny mba hidifiana amin'ny fandatsaham-batom-pitsipaha-pitokisana. Mandritra izany fotoana izany ireo minisitra roa, i Timothy Harris sy i Sam Condor, dia nanangana antoko politika hiarahan'izy ireo, dia ny Antokon'ny Mpiasa an'ny Vahoaka.

Tamin'ny herinandro, nitarika diabem-panoherana namakivaky ny renivohitra hanerena ny Praiminisitra hanao fifidianana na hiala hananganana ny governemantan'ny firaisam-[pirenena] ny mpanohitra ao amin'ny People's Action Movement.

P.A.M Chairwoman Cyndie Demming addresses the crowd

Filohan'ny P.A.M Cyndie Demming miresaka amin'ny vahoaka

Notazonin'ny polisy tamin'ny voalohany ny fahazoan-dalana hanao ilay diabe fa navela ihany ora vitsivitsy mialoha ny hetsika. Talohan'ny diabe, dia nisy fihetsiketsehana kelikely kokoa nitranga, saingy somary mahavariana, fa bilaogy iray ihany – avy any Barbados – no nahamarika izany. Voatatitra nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety notontosaina nialoha ny namoahana ny fahazoan-dalana, ny namelabelaran'ny mpitarika ny mpanohitra ny antony hanaovana ny diabe sy ny hanohizana ny fihetsiketsehana manohitra ny governemanta:

The two elected members of PAM and partners in the CCM [Nevis-based Concerned Citizens Movement] and PLP have also written twice to the Governor General, confirming that all six of us, who make up the majority of the elected members of parliament, no longer have any confidence in the government and Dr. Douglas as Prime Minister. We have stated to the Governor General twice in letter that when the Motion of No Confidence is called, we will all vote in favour of it. We have also written twice to the Speaker of the National Assembly, echoing the same message that we communicated to the Governor General, and after six months, not one of these gentlemen has taken the appropriate constitutional action.

Efa indroa nanoratra tany amin'ny Governora Jeneraly ny mpikambana voafidy roa ao amin'ny PAM sy ao amin'ny mpiaradia ao amin'ny CCM [Hetsiky ny Olompirenena Miahiahy ao Nevis] ary ao amin'nny PLP fa izahay enina, izay mandrafitra ny maro an'isa ao amin'ny mpikambana voafidy ao amin'ny parlemanta, dia manamafy fa tsy mametraka fitokisana intsony amin'ny governemanta sy an'i Dr. Douglas ho Praiminisitra. Efa indroa nilaza tamin'ny governora jeneraly izahay fa raha antsoina ny fifidianana fitsipaha-pitokisana, dia hanohana izany [fitsipahana] izany izahay rehetra. Efa indroa nanoratra tamin'ny mpitondratenin'ny Antenimieram-Pirenena ihany koa izahay, namerina ny hafatra mitovy tamin'izay nalefa tany amin'ny Governora Jeneraly, ary enimbolana taty aoriana, tsy nisy nanao ny fihetsika mifanaraka amin'ny lalampanorenana mifandraika amin'izany ireo lehilahy manan-kaja ireo.

Marching through Basseterre

Mizotra mamakivaky an'i Basseterre

Maro ny fanehoan-kevitra momba ny diabe ao amin'ny pejy facebook-n'ireo antoko nandray anjara. Ao amin'ny pejin'ny People's Action Movement , Jacqueline Elliot mahatsapa fa tsy ampy ilay diabe:

PAM and PLP the time has come to take our country back[…]instead of marching, everyone go down Church Street and do not move[…]you stay right there[…]close down St. Kitts. Marching last[s] a couple of hours[…]you need to stay down Church Street like they are doing [in] Egypt.

Ry PAM sy PLP tonga ny fotoana handraisana indray ny firenentsika[…]fa tsy mandehandeha, mizotra mankany amin'ny Church Street ny rehetra ary tsy mihetsika […]mitoetra ao ianareo[…]akaikin'ny ST. Kitts. Maharitra ora roa ny diabe[…]Mila mijanona eo amin'ny Church Street tahaka ny ataon-dry zareo ao Ejipta ianareo.

Caribbean Queen, kosa mifanohitra amin'izany, mieritreritra fa mety ho fanombohan-javatra goavana ny diabe:

SK people is begging for a change, something they can look up to, call their own, something they hold on to and say, I made this happen, something they can [tell] their children that they were a part of, a story to remember, let it begin now.

Mitady fanovana ny mponin'ny SK, zavatra azon-dry zareo iandrandrana, an-dry zareo, zavatra ifikirany ary lazainy, nataoko izany, zavatra azon-dry zareo tantaraina amin'ny ankizy fa anisan'ny tantara hotsarovana ry zareo, andao atomboka izao izany.

"No Confidence in P.M. Denzil Douglas"

“Tsy matoky ny P.M. Denzil Douglas”

Rita Jarvis Pondt nampanàko ireo fihetsehampo ireo:

When fox can get the grapes he say dem sour. Lot more surprises coming. I'm not in the kitchen, but I can feel the heat. I can see people are fed up of all the lies and games that are being played everyday. I am so in support of the unity march yesterday and was very happy that it was successful. This is a sign that people are not going to tolerate anymore cr[a]p.

Rehefa azon'ny fosa ny voaloboka lazainy fa marikivy kely. Tsy ao an-dakozia aho, saingy henoko ny fofon-kena. Azoko jerena fa leon'ny laingasy ny kilalao averimberina isan'andro ny mponina. Manohana ny diaben'ny firaisan-kina omaly ihany koa aho ary faly fa nahomby izany. Marika iny fa tsy hahazaka [diky] intsony ny olona.

996161_10151648966562964_363032145_n

Fivoriana eo amin'ny kianjan'ny fahaleovantena ao Basseterre

Ankoatra ny Facebook, ny YouTube no hita ho sehatra fampitam-baovao nofinidy: Lahatsary maro momba ny fihetsiketsehana an-dalambe no mivoaka, ny ankamaroan'izy ireo dia mahazo mpijery an-jatony vitsivitsy amin'ny ankapobeny.

Ny sary amin'ity lahatsoratra ity dia avy amin'i Macclure Taylor, nahazoana alalana, hatsarapon'ny Pejy Facebook People's Action Movement.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.