Mitabataba Ao Amin'ny Twitter Ny Filoha Ejipsiana Teo Aloha Morsi

Tsy filohan'i Ejipta intsony [mg] ny Filoha Mohamed Morsi. Fa na izany aza dia mitabataba ao amin'ny kaontiny voamarina ao amin'ny Twitter @EgyPresidency izy.

Tapaka hatreo ny herintaona nitondran'i Morsi, taorian'ny fihetsiketsehana lehibe nanerana an'i Ejipta niantso azy hiala nanomboka tamin'ny 30 Jona.

Ny komandin'ny Tafika Ejipsiana Abdel Fattah Al Sisi no nanambara nandritra ny mivantana minitra vitsivitsy lasa izay fa ny Lehiben'ny Fitsarana Momba ny Lalampanorenana Adly Mansour no ho filoha vonjimaika vaovao ary hantsangana ny governemanta teknokraty nasionaly.

Nilaza ihany koa i Al Sisi fa mihantona ny Lalampanorenana ary hokarakaraina ny fifidianana filohampirenena sy solombavambahoaka.

Ao amin'ny andiana sioka (na ritsoka na tweets), amin'ny teny anglisy, i Morsi no mitantara ny hetsika nataon'ny Tafika ho Fanonganam-Panjakana feno:

@EgyPresidency: Pres. Morsy: Measures announced by Armed Forces leadership represent a full coup categorically rejected by all the free men of our nation

Fil. Morsy: Ny fepetra nambaran'ny komandin'ny tafika dia tena fanonganam-panjakana feno tsipahin'ny lehilahy afaka rehetra eto amin'ny firenentsika

Nampiany:

@EgyPresidency: Pres. Morsy: Armed Forces announcement is rejected by all free men who struggled for a civil democratic Egypt.

Fil. Morsy: Ny fanambaran'ny Tafika dia tsipahin'ny lehilahy afaka rehetra izay nitolona ho amin'i Ejipta demokraty sivily.

Ary nomarihany:

@EgyPresidency: Pres. Morsy urges civilians and military members to uphold the law & the Constitution not to accept that coup which turns backwards

Fil. Morsy manainga ny sivily sy miaramila hanandratra ny lalàna sy ny Lalàmpanorenana tsy hanaiky ity fanonganam-panjakana mampihemotra an'i #Egypt ity.

Miantso ny tsy hisian'ny ra mandriaka ihany koa i Morsi:

@EgyPresidency: Pres. Morsy urges everyone to adhere to peacefulness and avoid shedding blood of fellow countrymen.

Fil. Morsy mandrisika ny rehetra hiditra ao amin'ny fahatoniana ary hisoroka ny fandrarahana ny ran'ny mpiray tanindrazana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.