Reny sy Zanakavavy Pakistaney Notifirina Fa Nandihy Nandritra Ny Orana

Nisy reny sy ny zanany vavy mbola vatombatony roa notifirin'ny lehilahy dimy manao sarontava niditra tao an-tranony ho faty tao an-tanàna kelin'i Chilas any Gilgit, Pakistan ao amin'ny firenena izay lazaina fa voninahitra ny mamono.

Nolazaina fa lasibatra ireo zazavavy roa 15 sy 16 taona tamin'ny 24 Jona 2013 tamin'ny nahitana azy ireo tamin'ny lahatsary finday mifalifaly ao anaty orana eo an-jaridainan-dry zareo, izay niely tao an-toerana ary noraisina ho fihantsiana ny voninahitry ny fianakaviana.

Nolazain'ny manampahefana fa ilay mpamono dia ny zaodahin'ireo zazavavy ireo antsoina hoe Khutore izay romotra tamin'ny fijerena io lahatsary io ary nangataka ny fanampian'ny namany efatra hamerenana amin'ny laoniny, araka ny fijeriny, ny voninahitry ny fianakaviany. Voasambotra ireo namana ireo ary niaiky ny helony, fa mbola any ampandosirana kosa i Khutore.

Araka ny tatitra isan-taona fanaon'ny Vaomieran'ny Zon'Olombelona ao Pakistan, dia ny famonoana ho fiarovana voninahitra no mitoetra ho “endrika herisetra miharihary sy maharikoriko indrindra atao amin'ny vehivavy any Pakistan.” Tamin'ny taona 2012, vehivavy 913 no novonoina amin'ny anaran'ny voninahitry ny fianakaviany, izay ahitana kilonga 99 , araka ny nolazain'ny tatitra.

Savasavain'i Shafiqul Hassan Siddiqui ao amin'ny bilaogy Dunya ny antony ambadiky ny famonoana ho fitandroam-boninahitra ao Pakistan :

It is an outcome of vengeance. 95% focused on women. One of the family members (mostly a man), with the consent of other family members, kills and sentences the woman on few basis. For the whole family this becomes a moment of pride when they sacrifice their own blood because due to her they earned dishonor. There are many reasons that are considered as the main and basic causes behind the honor killing.

Two Pakistani Teenage Sisters Noor Basra and Noor Sheza shot because of dancing in the rain. Screenshot from YouTube Video uploaded by NewsMedia24

Pikantsary avy amin'ny lazaina ho lahatsary finday ninoana ho nitarika ny famonoana ireo mpirahavavy mbola tanora ireo. Uploaded on YouTube by NewsMedia24

Vokatry ny valifaty io. Mifantoka amin'ny vehivavy ny 95%. Ny iray ao amin'ny fianakaviana (lehilahy matetika), ary eken'ny mpikambana hafa ao amin'ny fianakaviana, no mamono sy mamoaka didim-pitsarana ny vehivavy amin-javatra vitsy. Ho an'ny fianakaviana manontolo dia lasa fotoana mampirehareha ireny rehefa manao sorona ny ràny ihany ry zareo satria noho ny nataon'ilay vehivavy dia nitafy henatra ry zareo. Maro ny antony heverina ho fototra sy lehibe mahatonga ny famonoana ho fitandroam-boninahitra.

Ho setrin'ity famonoana vao haingana ity dia nisioka ny Lehiben'ny biraon'ny New York Times Pakistan Declan Walsh (@declanwalsh) :

@declanwalsh: utter madness – two girls and mother killed in northern Pakistan over video showing them enjoying the rain. http://beta.dawn.com/news/1020576

Hadalàna tsotra izao – zazavavy roa sy ny reniny novonoina tany avaratr'i pakistan noho ny fahitana ny lahatsarin'izy ireo faly tao anaty orana.

Nilaza ny heviny momba ny famonoana i Lubna Khan (@Lubnagigyani), bilaogera iray miresaka momba ny vehivavy:

@Lubnagigyani: CRIME of the heinous kind. Honourable humans do not KILL under any circumstances-egoistic machoism being the last

HELOKA BEVAVA amin'ny karazany mampankahala. Tsy MAMONO na inona na inona antony sy toe-draharaha ny olombelona manana ny voninahiiny – ny fitiavantenan-dehilahy no farany indrindra

Bilaogera Politika Zeesh (@zeesh2) nandray ny resaka avy amin'ny voambolana “famonoana fitandroam-boninahitra”:

@zeesh2: honor killing is a misnomer – misdirected emotions- if they really have honor they need to kill themselves not others

teny tafahoatra ny famonoana fitandroam-boninahitra – fihetseha-po diso lalana – raha manana haja (voninahitra) tokoa  ry zareo dia mila mamono ny tenany fa tsy ny hafa

A theatre performance displaying Violence on Women' during a protest. -- Hyderabad, Pakistan. Image bby Rajput Yasir. Copyright Demotix (6/8/2011)

Tantara tsangana iray mampiseho herisetra atao amin'ny vehivavy nandritra ny fihetsiketsehana iray. — Hyderabad, Pakistan. Saripikan'i  Rajput Yasir. Copyright Demotix (6/8/2011)

Gedrosia (@gedrosian), mpisera Twitter avy any amin'ny faritanin'i Balochistan, nanampy filazana fa ilay lahatsary finday tafaporitsaka dia niteraka fiantraikany ratsy ho an'ny mpianatra vehivavy any amin'ny faritra mpandala ny nentin-drazana ihany koa :

@gedrosian: there are a number of cases in Balochistan too where college/school photos were leaked. and girls were taken out of colleges

Maro ihany koa ny tranga eto Balochistan ahitana sary/lahatsarin'ny mpianatry ny kolejy/lisea tafaporitsaka. Ary dia nesorina tany amin'ny kolejy ny zazavavy

Voasoratra andro vitsivitsy mialoha ity trangan'ny famonoana ity ny fehintsoratr'i The Future hamaranana ny famonoana hitandroam-boninahitra:

I feel that a revolution is required in the thinking pattern of the male members to change the existing notion of power. The prerequisite in the present scenario is not to empower one gender over the other but equilibrium between the two genders towards accomplishment of joint goals, better society and a better future for the upcoming generations by being proud of one’s own culture is needed.

Tsapako fa ilaina ny revolisiona eo amin'ny fomba fisainan'ny lehilahy hanovana ny fomba fahalalana ny fahefana mitoetra amin'izao fotoana izao. Ny fepetra tsy maintsy apetraka amin'ny tranga misy amin'izao fotoana dia tsy ny hanomezana vahana ny iray amin'ny hafa no ilaina fa ny mametraka fifandanjana eo amin'ny roa tonta eo amin'ny fanatanterahana ny fanatrarana tanjona iraisana, fiaraha-monina tsara kokoa sy hoavy tsara kokoa ho an'ny taranaka ho avy afa-mirehareha amin'ny kolontsainy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.