Mankalaza Ny Tsingerintaona Nahaterahan'ilay Gadra Politika Laharana Voalohany Ny Rosiana

Tany an-tranomaizina no nahatratraran'i Mikhail Khodorkovsky ny faha-50 taonany — 26 jona 2013 — tany  Karelia, repoblika rosiana any avaratra, iray ao amoron'i Finlandy. Voasambotra tamin'ny Oktobra 2003 ilay voaiben'ny solika, voampanga ho nisoloky sy nanodinkodina volan-ketra. Tamin'ny 2010, raha nanefa ny saziny voalohany izy dia voampanga ary nomelohina tamin'ny fanodikodinam-bola tao amin'ny orinasan-tsolika Yukos izay azy ihany. Nanamafy i Khodorkovsky fa misy ambadika politika ireo fiampangana momba azy.

M. B. Khodorkovsky, CC3.0 Unported.

M. B. Khodorkovsky, CC3.0

Tamina fanadihadiana lava nataon'ny The New Times tamin'ny fankalazana ny tsingerintaonany, ratsy ny vinavinan'i Khodorkovsky raha ny momba ny famotsorana azy[ru], izay tokony havoaka amin'ny taona 2014:

А вообще мне уже трудно представить возможность освобождения: десять лет тюрьмы — не шутка.

Fa amin'ny ankapobeny, sarotra ho ahy ny haka an-tsary ny mety hisian'ny famotsorana: tsy hanihany izany 10 taona am-ponja izany.

Nanamarika ny mpitsikera iray  [ru]:

Непонятно, чего они боятся, почему не хотят их выпускать. Ходорковский, при всем уважении, никогда не собирался быть героем-освободителем.

Tsy azoko mihitsy izay mampahatahotra [ireo manampahefana], fa maninona izy ireo no tsy te-hamotsotra [ an'i Khodorkovski sy Platon Lebedev, voampanga niaraka taminy].  Khodorkovsky, miaraka amin'ny fanajana feno indrindra, dia tsy ho mpanavotra mandrakizay.

Etsy an-danin'izany, nisy famotopotorana nozarain'i Levada Center [ru] vao tsy ela, nahitàna fa ny 33% ny rosiana dia manohana ny hisian'ny famotsorana haingana. Raha nanontaniana izy ireo hoe raha ny heviny dia nahoana i Khodorkovsky no nijanona ela tany am-ponja, 47% ‘ny mpamaly  dia nieritreritra fa tsy te-hamotsotra azy ireo manampahefana. Kanefa, nitatitra koa i Levada fa 90% ‘ny rosiana dia tsy liana ary tsy miraharaha ny momba an'i Khodorkovsky.

Tany Mosko, vondron'olona manodidina ny 200 no nitondra sora-baventy mba hankalazàna ny tsingerintaonan'i Khodorkovsky, sy mba hisarihana ny saim-bahoaka momba ny fanagadràna azy. Taorian'izany ireo polisy dia nisambotra saingy tsy nitàna ela mpandray anjara maherin'ny 40 noho ny famoriam-bahoaka tsy nahazoana alàlana, fanendrikendrehana izay notsipahan'ireo mpikarakara. Nisy fihetsiketsehana hafa tany Tomsk nahasarika olona 40.

Betsaka ny olona nandefa hafatra tamin'ny aterineto, niarahaba an'i Khodorkovsky. Ny sampana misahana ny serasera ho azy dia nanome fahafahana ny olona mba handefa hafatra farany ahitàna litera 140, amin'ny alalan'ny aterineto. Nizara hafatra an-tsary avy amin'izao tontolo izao ihany koa izy.

Alexey Navalny, blaogera mpanohitra iray, dia nirary“fahasalamàna sy fahafahana” [ru] ho an'i Khodorkovsky noho ny fahatratrarany ny tsingerintaona nahaterahany.

Nahazo fanehoankevitra 881 ny hafatra fohy nampitain'i Navalny tao amin'ny LiveJournal, ka ny sasany dia mitsikera :

не нравится мне выделение ходорковского из кучи других несправедливо осужденных. Мы его хотим поздравить потому что он богатый?

Tsy tiako ny manavaka an'i Khodorkovsky amin'ireo hafa maro voampanga tsy fidiny. Miarahaba azy ve isika satria manankarena izy?

Ary koa:

Пусть сидит. И всех его бывших товарищей-олигархов к нему туда.

Avelao izy [ hijanona am-ponja]. Amin'izay afaka hanaraka azy ireo namany manampahefana.

Nisy ihany koa anefa ireo mba nanohana:

C днем рождения! Здоровья и сил! И свободы, конечно. Не только внутренней

Tratry ny fety! Mirary fahasalamana sy hery! Ary koa fahafahana, mazava ho azy. Tsy [fahafahana] anaty irery ihany .

Niteny ny iray hafa:

Каковы бы ни были реальные грехи Ходорковского, желаю ему стойкости и веры в то, что правосудие свершится.

Na inona na inona ny tena fahotàn'i KKhodorkovsky, mirary hery sy finoana ho azy aho, hipoitra anie ny marina.

10 taona eo no eo taty aorian'ny nisamborana sy nanamelohana azy, mbola tsy dia miraharaha ny momba an'i Khodorkovsky ny mponina rosiana. Ireo miraharaha dia voazara amin'ny helony sy ireo vokatr'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.