Tian'ny Ejipsiana Haongana ny Fitondrana

Nomarihin'ny vahoaka Ejipsiana ny [30 Jona] ny fahatsiarovana ny nitondran'ny filoha Mohamed Morsi voalohany ny firenena, miaraka amina famoriam-bahoaka goavana nanerana an'i Ejipta, niantsoana azy handao ny toerany. Fampielezan-kevitra manohitra an'i Morsi atao hoe Tamarrod [ar], izay midika hoe fanoherana, no manamafy fa 22 tapitrisa ireo sonian'olon-tsotra voaangona hatramin'izao, izay miantso fifidianana filoha haingana.

Araka ny mpanao bilaogy Ejipsiana Nermeen Edrees:

 @NermeenEdrees: Nalain'ireo vahoaka teo indray izay napetrany ny febroary 2011 #Egypt

Manazava i Wael Khalil fa [ar]:

الشعب يريد اسقاط النظام… بجد

 @wael: Maniry ny hanongana fitondrana ny vahoaka… Tena marina….

Ny 25 Janoary 2011, nanohitra ny fifehezana nandritra ny 32 taona nataon'i Hosni Mubarak ireo vahoaka Ejipsiana. Valoambinifolo andro taty aoriana, nametra-pialàna i Mubarak. Nandritra ny fotoana nisian'ny tetezamita, nentin'ny Filankevitra Ambonin'ny Tafika Mitam-piadiana [CSFA] i Ejipta. Taorian'ireo fifidianana, Morsi, ilay kandidàn'ireo Mpirahalahy Silamo, no naka ny toeran'i Mubarak, nanjary filoha ny 30 Jona 2012. Ankehitriny, midina andalam-be indray ireo vahoaka Ejipsiana mangataka an'i Morsi hiala sady hamarana ny fitondran'ireo Firahalahiana Silamo any Ejipta.

Egyptian protesters gather at Tahrir Square. Photograph shared by @LamiaHassan on Twitter

Vahoaka Ejipsiana manao fihetsiketsehana any amin'ny kianjan'i Tahrir. Sary nozarain'i  @LamiaHassan tao amin'ny Twitter

Mitatitra ny mpanao gazety Mohamed Abdelfattah fa:

 @mfatta7: Toa misy ireo fihetsiketsehana ao anatin'ireo tanàna sy ireo sakelidàlana izay mbola tsy  nanaovan'ny vahoaka izany mihitsy teo aloha #Egypt.

Nanomboka nivondrona teo amin'ny kianjan'i Tahrir, ilay ivon-toeran'ny fitakian'ny vahoaka Ejipsiana ao afovoan-tanànan'i Caire, ireo mpanohitra, nanomboka ny 29 Jona. Any Caire irery ihany, fiaraha-mizotra maro no nokarakaraina ny 30 Jona, hizotra ho any amin'ny kianjan'i Tahrir sy ny lapam-panjakana. Ankoatr'izay, ireo fiaraha-mizotra sy fihaonam-be manohana an'i Morsi koa dia nisy natao nandritra ny roa andro teo aloha ary mitohy mandraka ankehitriny. Ny atahorana dia ny fifandonana eo amin'ny mpomba an'i Morsi sy ireo mpanohitra azy, ny herisetra miharo fandatsahan-drà.

Tents put up at Tahrir Square last night in preparation for today's [June 30] anti-Morsi protests in Egypt. Photograph shared by @JanoCharbel on Twitter

Tranolay napetraka teo amin'ny kianjan'i Tahrir ny alin'ny fikarakarana ny andron'ny [30 Jona] fanoherana an'i Morsi tany Ejipta. Sary nozarain'i @JanoCharbel tao amin'ny Twitter

 Mizara ahiahy hafa ny mpanao bilaogy Zeinobia:

Nametraka fampitandremana mikasika ny fivahinianana any Ejipta ny departemantam-Panjakana amerikana. Mino aho fa rariny izany, indrindra taorian'ny namonoana ilay teratany amerikana iray, Andrew Pochter, nandritra  ireo fifandonana tany Alexandrie omaly. Ireo Tantsambo amerikana koa dia efa toy ny sahobakaka ambody riana any Eoropa Atsimo mba tsy hitranga indray ao Caire  izay nitranga tany Bengazi.

Tokony ho fantatrareo fa misy ireo antso avy amin'ny Fatra-pandàla ny Nasionalisma/Miaramila/Mpandàla ny foto-kevitr'i Nasser ho an'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hanohitra fotsiny fa koa haka an-keriny ny masoivoho amerikana. Ireo antso ireo izay vokatry ny toe-pò nahazo vahana amin'ny fankahalàna Amerikana amin'ireo tsy silamo satria mino izy ireo fa ny fanjakana Obama dia mitanila amin'ny MB. Tena hankahalaina fatratra ny ambasadaoro amerikana Anne Paterson ary maro ireo ejipsiana mihevitra azy ho dika amerikanin'i Lord Cromer.

Mino aho fa hankamamian'ny MB ny handravan'ireo mpanoa hetsi-panoherana ny ambasady amerikana, mitranga izany raha toa ka tsy manan-kantenaina amin'ny Washington intsony ireo mpanohitra azy ireo ara-politika sy ny tafika Ejipsiana .

Ratsy ho an'ireo vahoaka ejipsiana ny taona voalohany nitondran'i Morsi, vokatry ny tsy fisian'ny solika sy ny herinaratra, ankoatr'ireo fahasorenana maro. Manazava i Jasmine Elnadeem hoe:

@Selnadeem: Maro amin'ireo vahoaka no nilaza fa tsy misy solika ny fiarany, tsy afaka mandeha miasa izy ireo ary nanapa-kevitra ny hanatevina laharana ny fanoherana any #Tahrir. #Egypt #30_june

Mahery fò Ejipsiana iray sy mpanao bilaogy i Alaa Abd El Fattah no mizara izao rakitsoratra manaraka izao ao anaty Facebook [ar]:

حيث ان امي هزقتني على حالة الاكتئاب و اديتني درس في ازاي لما الشعب ينزل يشيل حكامه تبقى هي دي التفصيلة الوحيدة المهمة و كل خطط و مؤامرات الانتهازيين ولا تسوى أو تفرق، قررنا تفعيل خاصية التفاؤل. بكره احلى رغم كل شيئ.

و مساهمة مني في توحيد الصف الثوري هقول نقاط الاتفاق:
* يسقط كل اللي بيعذب و بيقتل و بيهين كرامة الناس
* يسقط كل اللي بيسرق قوت الناس و يدمر مساكنهم و صحتهم و بيئتهم
* يسقط كل اللي بيحرم الناس من فرجتهم او حلمهم او طموحهم، سواء بالقهر او بالافقار او بالوصاية الأخلاقية
* يسقط كل اللي بيتصالح او يتعاون مع الصهاينة
* يسقط كل اللي قراره تابع لأمريكا او غيرها
* يسقط كل اللي له سلطة من غير تفويض من الناس و كل اللي بيمارس سلطته بما يخالف تفويض الناس
* يسقط كل اللي ساهم في ان اللي عمل ايا مما سبق يفلت من المحاسبة

Raha nanadala ahy noho ny adin-tsaina nanjo ahy ny reniko ary nanome lesona ahy ny amin'izany, rehefa nidina andalam-be ny vahoaka mba hanongana ireo mpitondra azy, avy eo ity no hany tombony tokana tsy hampisy dikany intsony ny drafitra rehetra sy firaisana tsikombakomba nataon'ireo mpanararaotra tsy manana ny maha-izy azy, nanapa-kevitra ny haka ny lafin-tsarany aho. Rahampitso, ho tsara kokoa, n'inona n'inona mitranga.

Mba hampiraisana ny tsanganan'ireo mpitaky fanovàna, maniry ny hankatoavan-tsika an'ireto teboka manaraka ireto aho:
* mba hanongana ireo rehetra mampijaly sy mamono vahoaka, ary hanome henatra azy ireo
* mba hanonganana ireo rehetra izay mangalatra amin'ny vahoaka, manimba ireo fonenany, fahasalamana ary ny tontolo manodidina azy
* mba hanonganana ireo rehetra izay mandà ny fahasambaran'ny vahoaka, ireo nofinofiny ary ireo hetahetany, na izany avy amin'ny fangejana, ny fahantrana na ara-moraly
* mba hanonganana ireo rehetra izay miara-dalana na mifampiraharaha  amin'ireo Sionista
* mba hanonganana ireo rehetra izay manana  fanapahan-kevitra mifototra amin'ny fankatoavan'ny amerikana
* mba hanonganana ireo rehetra izay manam-pahefana tsy nankatoavin'ny vahoaka, ary ireo rehetra izay mitondra manohitra ny fankatoavan'ny vahoaka
* mba hanonganana ireo rehetra izay nanampy ny iray amin'ireo izay nanantanteraka heloba bevava etsy ambony ireo, handositra ny andraikiny

Maro ireo voasarika hanaraka ny fanoherana:

Nibitsika i Donia Iskandar fa [ar]:

كله ياخد دش ، يشرب الشاي أو القهوة ، يفطر ، يعد مع أهله شوية يصلي و يتكل علي الله و ينزل توكلنا علي الله ضد #مرسي و الإخوان

 @Donia_Iskandar: Mandro avokoa ny rehetra, misotro dite na kafe, mipetraka miaraka amin'ny fianakavianareo mandritra ny fotoana fohy, mivavaka, ary midinà andalam-be mba hanohitra an'i Morsi sy ny Firahalahiana Silamo.

Ireo hafa manome toro-marika ireo mpanohitra mba hitandrina ety anaty aterineto. Mibitsika i Lobna Darwish:

أقفل التحديث الذاتي في برنامج الإيميل على تليفونك على الشبكات المفتوحة حالوين القصر وما تدخلش أي كلمات سر على الشبكة, ولا https مش كفاية.

@lobna: Vonoy ny fanavaozam-baovao ara-potoana avy amin'ny mailakareo sy amin'ireo findainareo rehefa mampiasa ny tambajotra misokatra manodidina ny lapa ry zareo ary aza mampiditra ireo tenimiafina, na dia mampiasa https aza ianareo.

Manampy izy fa:

ما تبعتش على شبكة الإنترنت المفتوحة حوالين القصر أي معلومات مش هتبقى مبسوط لو أمن الدولة والجيش ومرسي ووالدتك عرفوها.

@lobna: Aza manome vaovao amin'ny aterineto raha toa tsy tianao ho azon'ny fiarovam-panjakana, ny miaramila, Morsi na ny reninao rehefa any amin'ny manodidina ny lapa ianao.

Ary nandràra ireo mpanohitra i Bassem Sabry mba tsy hihinana na hisotro zavatra omen'ireo vahiny, taorian'ny nanapoizinana ireo mpanao fihetsiketsehana tany Alexandrie rehefa nisotro rano voapoizina nandritra ny fihetsiketsehana:

محدش يأخد مياة أو لكل من أي مصدر غريب. فيه تقارير عن حالات تسمم بين المتظاهرين من زجاجات مياة وزعوها غرباء.

 @Bassem_Sabry: Tsy misy mahazo mandray sakafo sy rano avy amina olon-tsy fantatra. Misy ireo tatitra mikasika ny fanapozinana ireo mpanao fihetsiketsehana taorian'ny fizarana ireo tavoahangin-drano avy amin'olona tsy fantatra.

Morsi supporters carrying sticks and shields in Cairo today. Photograph shared by Kareem Fahim on Twitter.

Mpomba an'i Morsi mirongo ireo hazo sy fiarovana any Caire androany. Sary nozarain'i Kareem Fahim(@kfahim) tao amin'ny Twitter

Efa nanomboka ny andron'ny hetsika ary angamba mba tsy hilaozan'izay hisy zava-mitranga.

Nitatitra i Evan Hill mpanao gazety fa:

@evanchill: Big column of maybe 150 men jogging through rally with sticks and helmets, maybe half of them with matching metal sheet shields….. @evanchill: Tsanganan-daharana ankevitry ny ho lehilahy 150 mihazakazaka miaraka amin'ireo hazo sy satroby, ny antsasany amin'ireo angamba mitondra ampinga fiarovana.

Ny tatitra nataony dia mifandraika amin'ny sary izay nozarain'i Kareem Fahim tao amin'ny Twitter, izay mampiseho ireo mpomba an'i Morsi, mirongo hazo sy ampinga fiarovana ary satroby.

Mijanona mihaino mba hahazo tatitra bebe kokoa avy any Ejipta mikasika ny fizotry ny tontolo andro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.