Fasana Talohan'ny Fanjanahana Espaniola, Mbola Tsy Nisy Nipika, Hita Tao Peroa

@mitrataj : Voasongon'ireo arkeology mpamongatra ny rakitry ny ela avy ao Peroa ireo mpamaky fasana tamin'ny alalàn'ny fihazonany ho tsiambaratelo ny voka-pikarohany http://on.natgeo.com/17kshEo via @NatGeo #wari #huari

 


Toy izany ny bitsika nalefan'i Mitra Taj (@mitrataj) mikasika ilay vaovao momba ny fahitàna ilay efitra efa tany alohan'ny nahatongavan'ny Espaniola. Nifanindran-dalàna tamin'izay, namoaka iny vaovao iny ihany koa [es] ilay vohikala Scribd, ary nilaza fa nahitàna fitaovana misa 1200 niaraka tamin'io Efitra io, tao anatin'izany ireo silaka volamena sy volafotsy, tavoahangy vita amin'ny tanimanga tsara mahavariana, vazy maro, zinga, lovia boribory, kero iray vita amin'ny vato avy ao Huamanga [es], fihogo, fanjaitra ary kojakoja fanaingoana maro manaraka ny rafitry ny kolontsaina Wari, izay ao amin'ny faritr'i Ayacucho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.