Sempotry Ny Zavona i Singapore Sy Malezia

Nahatakatra haavony mampidi-doza ny kalitaon'ny rivotra any Singapore sy Malezia taorian'ny nandrakofan'ny setroky ny doro ala ny mpiray vodirindrina aminy, Indonezia.

Ny 21 Jona 2013 tamin'ny 12 ora alina, nahatratra 401 ny maridrefin'ny Fahalotoan'ny Rivotra any Singapore, izay marika avo indrindra teo amin'ny tantaran'ny firenena. Roa andro taorian'izay, anjaran'i Malezia no sempotra. Any amin'ny tanàna amorontsirak'i Muar izay roanjato kilometatra miala an'i Singapore, nahatratra 750 ny maridrefin'ny Fahalotoan'ny Rivotra ny 23 Jona.

Nitarika ireo Singaporeana maro hizotra mankany amin'ireo toeram-pisaboana sy fivarotam-panafody hilahatra tampim-bava io rivotra maloto io. Mitoraka bitsika ny junjie.wu:

Haze in Singapore. Photo by umiwurnell, Copyright @Demotix (6/20/2013)

Zavona any Singapore. Sary an'i umiwurnell, Fizakà-manana @Demotix (6/20/2013)

@bbeautifool Milahatra tampim-bava N95 ny vahoaka, jereo, voatery nandany ny faran'ny herinandroko niforitra nijery TV aho. Ny trano no toerana azo antoka indrindra amin'izany…

Raha mankalaza ny nahazoany iray ihany i Brian, Mr. SGAG, ny 22 Jona, taorian'ny nihatsaran'ny rivotra!

‏@SGAG_SG Ratsy vintana ianao ry Brian. Nahazo iray tamin'ireo tampim-bava N95 ihany aho taorian'ny nilaharana 5 ora teo alohan'ny trano fivarotam-panafody. Nisava ny zavona. #sghaze

Ny sasany kosa anefa, nialoha ny torohevitry ny governemanta ary nijanona an-trano. Nandany ny faran'ny herinandrony nisotro ronono sy nihinana mofo i “I’ve got a tummy” (Be kibo aho) mba hanatsarany ny toe-pahasalamany ary nijanona an-trano nijery TV:

…ny tena ratsy tamin'ilay izy, mbola tsy maintsy niseho tany ampiasana izahay na dia ratsy tahaka ny inona aza ny toetrandro. Raha ny mahakasika ahy, tsy mbola maintsy niasa aho na taorian'ny nanambaran'ny fiasana aza fa afaka miasa avy any an-trano ny mpiasa raha mamela izany ny asany. Noho izany toa maneso satria tena mifandray amin'ny toby ny faritra iasako, tsy maintsy miverina miasa aho amin'io andro io na ho inona na ho inona.

Nefa na izany na tsy izany, narary aho 3 andro taorian'ny niadiako tamin'io zavona io ary mandrak'androany, sady maina ny oroko no latsa-delo.

A Malay couple wears a face mask while celebrating their wedding day during haze in Muar, in Malaysia’s southern state of Johor bordering Singapore. Photo by Lens Hitam, Copyright @Demotix (6/22/2013)

Mpivady Malay nanao tampim-bava raha nankalaza ny tsingerintaonan'ny fanambadiany nandritra ny nisian'ny zavona tany Muar, any amin'ny fanjakan'i Johor ao Atsimon'i Malezia manasaraka azy amin'i Singapore. Sary an'i Lens Hitam, Fizakà-manana @Demotix (6/22/2013)

Raha mieritreritra an'ireo fisaintsainan'ny tia tanindrazana fatratra i B.L. Xu, momba ny zavatra tokony hataon'ny Singaporeana ho an'ny tontolo iainana:

Izaho manokana dia mihevitra fa ny zavatra tokony ho ankamamian'ny ankamaroantsika dia ny mifoka rivotra madio, fa tsy ny fanjavonan'ny zavona aterak'izy ireo. Mbola zava-dehibe noho ny fanondroana ny hafa sy ny fiezahana mamaha ny fototry ny olana kokoa ny fahazoana tanteraka sy ny fandraisana ny lesona amin'io tantara io

Mandritra izay fotoana izay, manohana hetsi-panoherana mangina i Patrick Low:

Mila mijoro ho toy ny vahoaka iray isika ary mandefa famantarana mazava any Indonezia fa tsy hanaiky ity fitsabahana manimba ny fahasalamantsika sy ny toekarenantsika  ity isika.

Koa satria manomboka lasa mampidi-doza ny fepetra iainana anaty zavona amin'izao fotoana izao dia miangavy anao hanao akanjo mainty, hanao tampim-bava ary hitondra rano mandritra ny fotoana fohy hankanesanao any.

Respromask – izay manaraka ny tranga tahaka izao – mitatitra fa nanambara fisian'ny hamehana any Muar sy Ledang i Malezia. Ho fepetra fitandremana, nanakatona ny sasany tamin'ireo fianarany ihany koa i Malezia.

Nefa iza no tompon'andraikitra ary iza no tokony hizaka izany? Nanomboka ny fikarohana ireo meloka. Niantso an'i Indonezia hanonona anarana sy hizara famaizana ny Minisitry ny Tontolo Iainana Singaporeana. Ho setrin'izay, niampanga an'i Singapore ho zaza saina ny Minisitra Misahana ny Raharaham-bahoaka any Indonezia. Nanantena ny mba hananan'i Indonezia fanahy tsara kokoa amin'ny mahapiray vodirindrina aminy ny Minisitra Manan-kajan'i Singapore taty aoriana.

Mandritra izany fotoana izany, miezaka manolotra fialantsiny sy ezaka ho fanonerana noho ny zava-nisy ireo olom-pirenena tsotra ao Indonezia tamin'ny alalan'ny fanehoany ny ahiahiny mikasika io zavona io.

Efa namoaka fialantsiny ofisialy ho an'i Singapore sy Malezia ny Filohan'i Indonezia Susilo Bambang Yudhoyono noho io zavona nateraky ny doro ala tany amin'ny faritra sasany tao Indonezia io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.