Iran : ” Ho Any Amin'ny Amboara Eran-tany Amin'ny Baolina Kitra Izahay!” (Lahatsary maro)

Celebrating Iran Football Reach to World Cup, source:http://kosuf.com/archive/548.php

Fankalazana ny Fahazoan'i Iran ny Amboara Eran-tany amin'ny Baolina Kitra (avy amin'ny Kosuf.com)

Nahazo aina be ny Iraniana tamin'ny fankalazana natao ho an'ny fiovana. Ny Talata 18 Jona 2013 nameno fifaliana ny lalàmbe izy ireo taorian'ny nahatafakatra ny Ekipa nasionalin'ny baolina kitran'i Iran ho amin'ny Amboara Maneran-tanin'ny Baolina kitra 2014 izay atao ao Brezila tamin'ny nandreseny 1-0 an'i Korea Atsimo. Andro vitsivitsy talohan'io, efa nisy fifaliam-be sy fankalazana maro taorian'ny fanambaràna ilay fandresen'Ingahy Hassan Rouhani tamin'ny fifidianana Filoham-pirenena.

Fankalazana tao Laheh Park ao Tehran

http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=OviIceNKLU4

Fahatsiarovana ilay mpitarika iray avy ao amin'ny mpanohitra voasambotra

Nankalaza ilay fandresena ny mponina, fa tsy hadinon'izy ireo tao anatin'izany Ingahy Mir Hussein Mousavi, ilay mpitarika iray avy amin'ny mpanohitra any am-pigadràna. Hoy ny firedonan'izy ireo “Rouhani, Mir Hussein, Ho any amin'ny Amboara Maneran-tanin'ny Baolina Kitra izahay”.

Fankalazana tao Tabriz

Nanao izany fankalazana izany daholo ny olona nanerana ny tananàn'i Iran manontolo.

Fankalazana tao Isfahan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.