Tsipahin'i Shina Ny Fiampangana An'i Edward Snowden Ho Mpitsikilo

Nitodika tao amin'ny gazety Guardian indray i Edward Snowden, mpanao ampamoaka nampahafantatra momba ilay fitsikilovana ankapobeny ny Aterineto nataon'ny governemanta Amerikana, ka hisahana ny famaliana ireo fanontaniana an-tserasera (fanontaniana-valiny) indray amin'ity indray mitoraka ity, taorian'ny filazan'i Shina fa tsy mpitsikilo ho an'io  firenena io izy.

Tsy nahateny nandritra ny nampalaza ny raharaha Snowden nandritra ny herinandro ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Shinoa. Tao anatin'ny vaovao mamaivay izay nilaza fa maro ireo mihevitra ity fitsikilovana ity ho goavana indrindra momba ny tantaran'i Etazonia no nilatsaka ny valin-teny efa tara nefa mbola —fanambarana notandremana fatratra —.

Notsipahin'ny mpitondra tenin'ny Minisitera, Hua Chunying ny fitsikilovan'i Snowden ho an'i Shina, izay nosokajiany ho “tena hevi-poana tanteraka”. Niantso an'i Etazonia hamaly ny ahiahin'ny firenena mikambana momba ny hetsika fitsikilovana ihany koa izy sy hitondra “fanazavana ampy”.

 

Daily News Briefing at Chinese Foreign Ministry( Pic by Owen)

Fandaharam-baovao isan'andro ao amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Shinoa. Sary: Owen.

Nandritra ny fotoan'ny fanontaniana sy valiny naharitra 90 minitra niarahana tamin'ny gazety Britanika Guardian tamin'ny 17 Jiona 2013, nofikirin'ilay mpiasa taloha tao amin'ny CIA, 29 taona ny fitondran-tenany tia milatsaka an-tsitrapo : “Ny hany azoko ambara androany dia tsy afaka hanafina izany amin'ny fanagadrana na famonoana ahy ny governemanta Amerikana. Tonga ny marina, ary tsy azo sakanana izany.” Noheverina fa nitarika adihevitra an-tserasera taminà toerana tsy voafaritra tsara tao Hong Kong i Snowden, toerana izay hialokalofany ankehitriny.

Mety hivadika ho olana ara-diplaomatika ho an'i Pekin ny adihevitra mafana momba ny fiainana manokana manohitra ny fiarovana avy amin'ny ampamoaka mamaivay nataon'i Snowden. Mitety onja am-pitandremana amin'ny fifandraisana Shina-Etazonia ny fitantanana vaovao ao Shina, ka nanjary anisan'ny olana lehibe ny fitantanana ny raharaha Snowden.

Niady ho amin'ny hamerenana any amin'ny fanjakana nialany an'i Snowden ho olo-meloka ny sasany tamin'ireo mpanao politika Amerikana mba hitondrana azy eo anoloan'ny fitsarana. Saingy nihevitra ny atsasaky ny mponina ao Hong Kong fa tsy tokony haverina hody hotsaraina i Snowden, araka ny fangalana ny hevi-bahoaka tao amin'ny Sunday Morning Post.

Na dia nitandrina aza ny governemanta, nangotrangotraka tao amin'ny aterineto Shinoa ny raharaha Snowden.

Monina ao Etazonia ankehitriny i Zui Mowen. Tao amin'ny bilaogy bitika Shinoa Sina Weibo, nisafoaka tamin'ireo vaovao tamin'ny media Amerikana izay nosokajiany ho mitanila izy :

 美国大部分媒体报道Snowden事件,几乎完全不提及Prism计划及其具体内容,多半以“泄漏国家重要文件”的方式报道。少数提及了泄露的是国家关于安全监控方面的计划……

Maro amin'ireo vaovao avoakan'ny media ao Etazonia momba an'i Snowden no tsy miresaka mihitsy momba ny fandaharan'asa Prism sy ny votoatin'izany, nanasokajy [ny raharaha] ho “famoahana tsiambaratelon'ny Fanjakana” izy ireo. Azo isaina amin'ny ratsa-tanana ireo nitatitra fa mifandraika amin'ny fandaharan'asa fitsikilovana ataon'ny fanjakana ny ampamoaka.

Nandefa ny valinteny ofisialy tao amin'ny kaontiny Weibo ny fahitalavi-panjakana CCTV

CCTV NEWS【斯诺登:我不是中国间谍】斯诺登昨日接受全球网友提问时,明确表示他不是中国间谍。他强调自己只与媒体合作,没有接触过中国政府。中国外交部发言人华春莹当日表示,说斯诺登可能与中方有合作,是中国的“间谍”,这完全是无稽之谈。美方应该给国际社会一个必要的解释

VAOVAO CCTV【Snowden: tsy mpitsikilo an'i Shina aho】Tamin'ny famaliana ireo fanontanian'ireo mpiserasera nanerana ny tany, nilaza i Snowden fa tsy mpitsikilo ho an'i shina izy. Nosoritany fa tsy miara-miasa afa-tsy amin'ny gazety ihany izy, ary tsy nifandray tamin'ny fitondrana shinoa. Tsy misy fotony ary diso tanteraka ny filazana an'i Snowden ho “mpitsikilon'i” Shina sy ny mety ho fifandraisany amin'ny fitondrana Shinoa, hoy ny mpitondratenin'ny Minisitera Shinoa misahana ny Raharaham-Bahiny nandritra io andro io. Nilaza ihany koa izy fa mila manazava amin'ny Firaisa-monina Iraisampirenena i Etazonia.

Nandrisika mba tsy  hanao fijery mitanila amin'ny fanadihadiana ny raharaha Snowden ilay mpitantana ny Google Shina teo aloha Kaifu Lee:

最近发了几条斯诺登和Prism的微博,批评美国政府,并讨论网络时代人权脆弱,惊见有人对我评论:“李开复打右灯向左拐,意欲如何?难道要走五毛的路?” 左右派的朋友们:我们都有思考能力,何不就事论事呢?无论美国中国,做得好的就赞赏;做得不好的就批评。不明事理站队,只能证明自己没有思考能力。

Nanoratra hafatra vitsivitsy momba an'i Snowden sy Prism aho ary nitsikera ny governemanta Amerikana, nanao vava manoloana ny fahalemen'ny zon'olombelona amin'ny vanim-potoanan'ny aterineto ihany koa aho. Nahatezitra ahy ny nahita ireo olona sasany namaly ahy hoe: “Mijery ny ankilany i Kaifu Lee kanefa mitodika any andaniny ihany koa? Inona no tena tiany atao? Mikasa hanandratra antserasera ny antoko komonista ve izy?”  Namana na avy amin'ny antoko ankavia na avy amin'ny ankavanana: Samy manana fahafahana mieritreritra isika rehetra, nahoana no tsy hitsara araka ny fisehoan-draharaha? Ho an'i Etazonia sy Shina, tokony hitehaka isika rehefa manao zavatra tsara izy ireo. Ary mila mitsikera isika rehefa manao ny tsy mety izy ireo. Mampiseho ny tsy fananana fahafahana mandinika ny misafidy ankolafy tsy misy fanadihadiana ny fandehan-draharaha rehetra.

Li Mu, mpanao matoandahatsoratra monina ao Kanada, nampiseho ny mokon-dohany:

斯诺登是卖国贼,可能是中国间谍——这是美国前副总统切尼的最新声讨。还以为美国人能骂出什么花样呢,也不过就这德性……

Mpamadika i Snowden, na mety mpitsikilo ho an'i Shina—Ireo no fiampangana farany nanenjehana azy nataon'ny Filoha lefitra Amerikana teo aloha, Cheney. Nihevitra aho fa hamoaka karazana fanevatevana hafa i Etazonia, jereo [amin'ny fitaratra] ny tenanao….

Jingying_Dong_Ras avy any Pékin nanoratra hoe:

斯诺登会不会成为下一个阿桑奇,北京和港府需要认真权衡得失利弊。华盛顿引渡斯回国的决心已定,能否促成还要看北京如何去考量这件事的短期和长远影响。目前能够看到的是,北京和香港一直在踢球。有意思的一点,足球场上成为笑柄的北京这次或许有可能在中美外交中真正“亮剑”。

Assange [hafa koa] ve i Snowden? Mila manao kajikajy tsara i Beijing sy i Hong Kong. Vonona hampamerina [azy] any amin'ny fanjakana nialany i Washington, na ho tanteraka izany na tsia, miankina amin'ny fanadihadiana ataon'i Beijing mikasika ny fiantraikan'izany ao anatin'ny fotoana fohy na maharitra. Ny hitantsika ankehitriny dia “mifanilaka” i Beijing sy i Hong Kong. Mahaliana, vao avy resy tamin'ny lalao baolina kitra i Beijing, saingy angamba mampiseho fahaizana diplaomasia eo amin'i Shina sy i Etazonia izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.