Fifidianana Tao Iran : Fankalazàna Ny Anio, Mbola Lalan-Davitra Sy Ankamatatra No Miandry Any Aloha

Nosoratan'i Tori Egherman

Vao tsy ela akory izay no nisy fandrahonana voarain'ireo fianakavian'ilay mpanao gazetin'i BBC. Nahisatra miadana kely ny Aterineto tao Iran. Nandefasan'ny “Tafiky ny Cyber” Iraniana fanafihana “botnet” ireo vohikala filazam-baovao toy ny BBC, Radio Farda, ary ny Radio Zamaneh. Novizavisain'ireo manam-pahaizana fa i Saeed Jalili no ho lany, tamin'ny fiantsoana azy ho ilay akaikin'ny fon'ny Mpitarika Ambony. Ny hafa namisavisa hoe hisy fihodinana faharoa eo amin'ilay Ben'ny tanàna mpitahiry ny nbentin-drazana ao Tehran, Mohammad Qalibaf sy ilay kandidàn'ny elanelam-panahy Hassan Rouhani.

Nandefa bitsika ilay mpilaza vaovao avy ao amin'ny VOA, Negar Mortazavi hoe :

Izany no nahatonga ny talen'ilay Foibem-pikarohan'ny Fiarovana ny Zon'olombelona tao Iran Gissou Nia nilaza hoe :

Izay izany…tsy nisy olona taitra mafy tamin'ilay valim-pifidianana afatsy ny Iraniana irery ihany (ankoatr’ i Gissou Nia). Ankehitriny, voafidy ho Filoha i Hassan Rouhani tamin'ny salan'isa maherin'ny 50%. Niverina feno sary sy lahatsary maron'i Iran indray ny ao amin'ny Aterineto.

Mpanao gazety ao amin'ny Financial Times, Borzou Daraghi, nanoratra tao amin'ny Facebook hoe nino tokoa ireo olona ireo fa tena “nandresy” tamin'ny fifidianana ny taona 2009 nefa avy eo gaga tanteraka tamin'ny valin'izany :

Rehefa manomboka mino ny lainganao ianao, dia lasa mora rebirebena ihany koa.

Khabar City nizara ny sarin'ireo mpifidy tao amin'ny blaoginy niaraka tamin'ity fandokafana ity :

به گزارش خبرنگار خبرگزاری فارس از شهرستان ساری، مردم ایران بار دیگر با نشان دادن شناسنامه و حضور در انتخابات لرزه بر اندام دشمنان انداختند. 90 درصد مردم مازندران در انتخابات شرکت کردند.

Ilay mpanangom-baovao miasa-tena Fars News avy ao amin'ny tanànan'i Sari dia nilaza fa tamin'ny alalan'ny fifidianana fotsiny dia efa nampangovitra ireo fahavalony i Iran. 90% n'ireo mpifidy tao Mazandaran no nandatsa-bato.

Celebrations of Election Results in Tehran taken by Instagram user roozbehonline

Fankalazana ny valim-pifidianana tao Tehran nalain'ilay mpampiasa Instagram roozbehonline

Ny Asabotsy 15 Jona, nidina an-dalàmbe daholo ny mponina rehetra nanerana an'i Iran hankalaza ilay valim-pifidianana. Mpanao gazety avy ao amin'ny New York Times, Thomas Erdbrink nandefa bitsika hoe :

Sary maro manodidina ilay fankalazana no nozaraina tanaty fotoana fohy tao amin'ny Instagram sy Facebook. Mehr News, izay miasa ao Iran, dia nanàna pejy iray manontolo manokana ahitàna sary, izay afaka jerena eto.

Photo from Instagram user alirezamalihi  of celebrations at Tehran's bazaar

Sary avy amin'ilay mpampiasa Instagram alirezamalihi tamin'ilay fankalazana tao amin'n bazarin'i Tehran

Nandritry ny fampielezan-kevitra, nanakoako tamin'ny fivoriana fampielezan-kevitr'i Rouhani ilay hiaka hoe “Tsy maintsy havotsotra ireo gadra Politika” “Mir Hussein, ya Hussein!” (ilay kandidà ny taona 2009, Mir Hussein Moussavi izay iharan'ny fanaraha-maso ny trano fonenany amin'izao fotoana izao). Nihiakiaka toy izany teny an-dalàmbe ny olona, taorian'ny famoahana ny valin'ny fifidianana.

Female=Male mitatitra hoe :

الان، خیابان های تهران: ای خواهر شهیدم، رای تو پس گرفتم

Amin'izao fotoana izao eny amin'ny lalàmben'i Tehran : Yo, ry rahavaviko maritiora isany, naverinay ny vatonareo.

Tehran Bureau manampy ity manaraka ity :

We miss Neda (referring to the young woman whose death during the 2009 demonstrations was caught on camera)

Malahelo an'i Neda izahay (miresaka ilay tovovavy izay azo tamin'ny “camera” ny fahafatesany nandritra ilay hetsika natao ny taona 2009)

Tao amin'ny blaoginy Sidewalk Lyrics, Pedestrian dia nanoratra mikasika ny ady eo amin'ny fanjakana sy ny vahoaka ao Iran, ny hetahetan'ireo Iraniana manerana izao tontolo izao mba handray anjara amin'ny fanavaozana misy ao amin'ny fireneny, ary ny fiaraha-mitantana sy ny antoka rehetra natao nahatonga ny fifidianana ho nisy .

Mihevitra aho fa androany isika dia vavolombelon'ny fotoana iray tahaka itony izay nahitàna fibatàna fandresena tsy hay refesina. Rehefa hita taratra eny amin'ny habaka hita maso sy ny fiainanay fanapahan-kevitry ny olona hitady ny filaminana sy foto-kevitra ‘asa fa tsy kabary’. Mbola mahavita mijery ny ho avy am-pahamendrehana, am-pahatoniana ary amin-toky  izy ireo na dia teo aza ny hirifiry nihatra tamin'izy ireo.

Maro no miezaka manazava ny dikan'ny valin'ilay fifidianana. Hitondra fanovana ve izany?, no fanontaniana iray miverimberina apetraky ny maro. Ilay Persiana Banoo no miteny amin'ny anaran'ny olona rehetra raha mibitsika ny hoe :

Tsy te-haheno vaovao ratsy na hiresaka amin'olona aho. Na marina izany na tsia, ny zava-misy dia ny hoe naneho ny safidiny ny ankamaroan'ny mponina, ary faly aho. Izany no atao hoe demokrasia.

Farany, ilay fikambanana iray ao an-toerana Havaar dia nizara ity lahatsoratra manaraka ity tao amin'ny pejy Facebook-ndry zareo :

Hassan Rouhani no nibata tamin'ny fomba ofisialy ny fandresena tamin'ilay fifidianana tao Iran tamin'ny vato 18 tapitrisa sy 6 hetsy . Maro ireo olona mankalaza izany eny an-dalàmbe amin'izao fotoana hitenenana izao. Mbola lalan-davitra sy ankamatatra no miandry any aloha, kanefa mbola misy ny fanantenana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.