Baloch Mpitaky Fizakantena Nanototra Baomba Ny Tranobe Manan-Tantaran'Ilay Mpanorina An'i Pakistan

Baomba maro mitandahatra napetrak'ireo mpihoko nasionalista avy ao amin'ny faritra Atsimo andrefan’ i Pakistan no nandrava tanteraka ilay trano ben’ny taonjato faha-19 izay an'i Mohammad Ali Jinnah, ilay mpanorina ny firenena.

Ilay trano manan-tantaran'i Jinnah ao Ziarat, Balochistan, izay niarahany niaina farany tamin'ilay anabaviny Fatima Jinnah, ny taona 1948, taona iray taorian'ny nitondrany an'i Pakistan teo amin'ny fahaleovantena, dia lasa lavenona sisa ny 15 Jona 2013 taorian'ny fidarohana baomba nihatra tamin'ilay trano hazo. Natao ho mozea niaraka tamin'ireo fananan'i Jinnah io trano io ary iray amin'ireo vakoka malaza indrindra fitsidiky ny mpizaha tany ao Balochistan.

Fikambanana mpitaky fizakan-tena, Baloch Liberation Army (BLA), no nitonona ho tompon'andraikitra.

Nomelohan'ilay Parlemanta vao avy voafidy tao Pakistana  izany fidarohana izany. Nametraka vahaolana hiadiana amin'ny asa fampihorohoroana ao Balochistan mihitsy aza izy, raha toa ny governemanta ka nanao filazàna ilay tetikasa hanarenana ny tranoben'i Jinnah.

Funkor Childart Center participated in the Children's Literature festival in Quetta. in 2012 and painted the Ziarat Residency of Mohammad Ali Jinnah.

Nandray anjara tamin'ilay “Fetiben'ny Literatioran'Ankizy” tao Quetta ny taona 2012 ny Ivon-toerana “Funkor Childart” ary nandoko ilay  fonenan'i Mohammad Ali Jinnah tao Ziarat. Nahazoana alalàna ny fampiasàna azy.

Governora jeneraly voalohany tao Pakistan i Jinnah taorian'ny nahazoana ny fahaleovantena tamin'ny Inda Britanika ny taona 1947 ary teo amin'izany toerana izany nandritra ny herintaona nialohan'ny nodiany mandry. Tena nalaza be io tranony io, ary tafiditra ao amin'ireo sary famantarana ny vola 100 ropia izay an'ny firenena .

Navesatra tokoa ny fanehoan-kevitry ny olona tanaty filazam-baovao sosialy mikasika iny fidarohana baomba iny .

I Jamaluddin izao dia nanoratra tantara kely iray tao amin'ny bilaoginy nampitondrainy ny lohanteny hoe May ilay fonenan'i Jinnah tao Ziarat : Misy sombin'i Pakistan maty anio :

Ho tsaroana mandrakizay ny datin'ny 15 Jona 2013. Androany, nodorana sy nosimbain'ireo mpihoko taminà baomba ilay tranobe mahafatifatin'ny Jinnah tao Ziarat izay manaingo ny vola ropia zatontsika. Simba daholo ireo sary manan-tantara sy ireo fanaka. Toy ny mahazatra, tafatsoaka mora foana ireo mpanao asa feno herisetra ireo.

Blaogera iray sady mpiasa amin'ny onjam-peo i Yusra Askari (@YusraSAskari), nanoratra tao amin'ny Twitter hoe :

@YusraSAskari : Mialatsiny indrindra, Andriamatoa Jinnah, tsy afa-manoatra izahay afa-tsy ny miaina amin'ny henatra . #Ziarat

Adil Najam (@AdilNajam), blaogera sady “Vice Chancelier” an'ny Oniversiten'i Lahore “Oniversite-n'ny Siansan'ny Fitantanana” dia namelively tamin'ilay resaka fidarohana baomba iny :

@AdilNajam : Sahy ratsy. Kanosa. Mampalahelo. Nodarohana baomba ilay tranon'i Jinnah ao Ziarat. Fidarohana natao taminà hevitra iray iny. Ny hevitra avy amintsika rehetra. Hevitry ny Pakistan.

Mafana fo amin'ny fitakiana fahafahana sady mpandika teny, i Pashto Azad Pashtun (@AzadPashtun) no nanoratra hoe :

@AzadPashtun : Mila asiana fanavaozana ny sarin'ilay tranon'i Jinnah ao Ziarat izay hita ao amin'ny 100 Kaldaar . pic.twitter.com/YFNl2EIPHs

Ilay mpanao gazety & mpanolotra fandaharana Nadeem Farooq Paracha (@NadeemfParacha) aka NFP, mpanoratra ilay Smoker's Corner, dia nandefa bitsika hoe :

@NadeemfParacha : Angamba ireo BLA tsy misy saina ireo no nanapoaka ny tranon'i Jinnah satria tsapany fa tsy asian'ny fanjakana & governemanta hajany toy ny TTP izy ireo ?

Balochistan no faritany lehibe indrindra kanefa tsy mandroso indrindra ao Pakistana. Efa in-dimy izao izy hatramin'ny taona 1947 no tratran'ny setrasetran'ny mpitaky fizakan-tena ary araky ny fanambaran'ny The Economist, “ity tranga farany ity no mafy indrindra hatramin'izay.” Nampalahelo ny ankamaroan'ny mponina tao Pakistana iny fanapoahana iny, kanefa tsy ny olon-drehetra tao Balochistan akory.

Baloch Hal, ilay gazety voalohany ety anaty aterineto ao Pakistan avy ao Balochistan, dia nandroso hevitra hoe tsy tokony handray fanapahan-kevitra ankamehana amin'ireo Baloch ny governemanta, tao amin'ny gazetiny hoe “Fiafaran'i Jinnah ve ?”  :

Tokony hanangana vakoka iray vaovao aza ny governemanta ho fahatsiarovana ireo andianà tanora Baloch, mafàna fo ara-politika, mpanao gazety sy profesora namoy ny ainy tanatin'ilay fifandonana. Tsy misy dikany ny miaina amin'ny lasa sy mirehareha amin'ny ankehitriny sy ny ho avy. Raha toa ka te-hikirakira iny fifandirana iny amin'ny lafiny politika ny governemanta foibe, dia tokony ho jerena raha toa iny fidarohana Trano iny ka ala-olana iray hiadiana amin'ny Balochistan na koa hanamarinana ny famonoana olona sy ny bemidina ho fandiovana.

Voabahana ny Baloch Hal ao Pakistan. Malik Siraj Akbar, ilay tonian-dahatsoratra ao amin'ny Baloch Hal, dia mipetraka any Etazonia toy ireo manam-pahaizana maro ao amin'ny Baloch.

Mpanoratra iray Pakistani-kanadiana, mpanolotra fadaharana ary Silamo mafàna fo mpanohitra ny Islamista, Tarek Fatah (@TarekFatah) no nanoratra hoe :

@TarekFatah (Tarek Fatah) : Nodarohan'ireo Baloch mpiady anaty akata miady amin'ny fibodoana ao Pakistan tamin'ny baomba ny tranon'i MA Jinnah, ilay mpanorina ny firenena. Sary taloha-&-taoriana. pic.twitter.com/TMF5oe6OYX

Nilaza ilay mpitsoa-ponenana sady mpanao gazety avy ao Pakistan sady tompon'andraikitry ny famoahana lahatsoratra ao amin'ny The Baloch Hal, Malik Siraj Akbar (@MalikSirajAkbar) fa mety misy fihatsaram-belatsihy ihany amin'ireo fanehoan-kevitra mikasika ilay fidarohana bomba iny :

@MalikSirajAkbar (Malik Siraj Akbar) : Norovitina teo ivelan'ny Stadium tao Quetta ny taona 2006 ny sariben'i Jinnah : tsy nisy naneho hevitra. Tsy tranony akory aza iny tranobe iny

Fasih Ahmed (@therealfasih), ilay tompon'andraikitry ny famoahana ilay gazety Newsweek Pakistans ary voalohany nahazo ny Daniel Pearl Fellow 2003 dia nanoratra hoe :

@therealfasih (Fasih Ahmed) : Namono ankizy, nandroba fasana ireo Taliban, GHQ. Kanefa nijanona ho iny fidarohana ny trano nonenan'i Jinnah iny ve ny resaben'ny mponina nandritry ny volana vitsivitsy? #Hello

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.