Mitokona Mitaky Fisondrotan-Karama Ny Oniversiten'I Venezoela

Fihetsiketsehana maro no natao tany amin'ireo tanàna ahitàna ireo Oniversitem-panjakana lehibe ao Venezuela ary taorian'ny fivoriana isan-karazany natao,  dia tapaka fa hanao fitokonana faobe.

Ny karaman'ireo mpampianatra ao amin'ny Oniversite no tena foto-dresaka tamin'izany hetsika izany, izay na dia eo aza ny fahaiza-manaon'izy ireo sy ny fianarana norantoviny, dia mbola eo amin'ny laharan'ireo manam-pahaizana marobe mijaly ara-bola hatrany no misy azy.

Araka izany, tsy tranga vaovao io. Indrindra koa moa fa miampy ireo  hetsika tsy marin-toeran'ny toekaren’ i Venezuela sy ireo fifandonana misy amin'ireo antoko politika, dia vao mainka mihasarotra hatrany ilay tolona  ataon'ny Oniversite.

Araka izany, eo an-dalàm-panoratana azy ny tohin'ilay fifandirana ela, noho ilay tsy fitovian-kevitra nisy teo amin'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta sy ny Oniversitem-panjakana taty anatin'ny volana vitsy.

Namahàna ny fitsitokotokoana ara-politika ihany koa ilay raharaha Oniversite. Mizarazara sy isan-karazany araka izany ny hevitra.  Voalaza mantsy fa misy tombontsoa ara-politika miafina ao ambadik'ireo fifanarahana nangatahana ireo, mampanahy ihany ny hahalavorarian'ilay hetsiky ny Oniversite, narangaranga ny filazana fa misy ny fisomparana ary nokarohana izao kazarana endri-panoherana samihafa rehetra izao.

Daniela Olivero [es] dia nizara sary avy ao amin'ny pejiny Facebook mampiseho ny fomba iray miparitaka indrindra entina hanaovanà hetsi-panoherana ao amin'izany Oniversite izany : any ivelan'ny trano fianarana no atao ny fampianarana.

Fotografía publicada por Daniela Olivero, usada con permiso

Sary nakarin'i Daniela Olivero, nahazoana alalàna

Torak'izay ihany, nizara sary sy adihevitra mikasika ilay hetsika ny pejy Facebook-n'i Central University ao Venezuela [es] :

UCV en asamblea estudiantil sobre el paro indefinido en el Aula Magna. Usada con permiso

Fivorian'ireo mpianatra tao amin'ny “Magna Auditorium” an'ny UCV momba ny tsy fisian'asa tsy hita fetra. Sary nozarain'ny Central University tao Venezuela ao amin'ny Facebook.

"From professors to poorfessors" photo shared by Universidad Central de Venezuela on Facebook.

“Mianga amin'ny  professors mankany amin'ny poorfessors” sary nozarain'ny Universidad Central de Venezuela tao amin'ny Facebook.

Nanakiana mafy ny governemanta sy nanasokajy ilay hetsiky ny mpampianatry ny Oniversite ho hetsika Nasionaly sy Maneran-tany i Gustavo Coronel [es] ho fanohanana ny fitokonan'ireo mpampianatra :

…a los profesores universitarios venezolanos, cuanto les pagan? Y cuando les pagan? Les pagan hoy, en bolívares constantes, la cuarta parte de lo que les pagaban en 1999 […] Por ello no es sorprendente que los profesores universitarios venezolanos se vayan a la huelga. Es que ese es un paso inevitable. Como debería serlo el de la huelga cívica indefinida por parte de una población que no tiene papel tualé […]

… ohatrinona ny karama omen-dry zareo ireo mpampianatry ny Oniversite ao Venezoela ? Ary rahoviana ? Ankehitriny ry zareo karamaina amin'ny bolívars [vola ao Venezuela], ny ampaha-efatry ny vola noraisiny tamin'ny taona 1999 […] tsy mahagaga noho izany raha mitokona ireo mpampianatra ao Venezoela ireo . Dingana iray tsy hay sakanana izany. Toy ny fitokonana sivily tsy misy fetra atao ho an'ireo vahoa tsy manana na dia taratasy hifirana aza […]

Hoy Coronel manohy izany :

Promover la gran protesta es golpista? Pedir al país que insurga es atentar contra la nación? O es, precisamente, tratar de evitar que la nación venezolana sea totalmente destruída por esta pandilla de hampones e ineptos enquistada en el poder? A muchos venezolanos esa lógica falsa del régimen los tiene bajo chantaje. La misma oposición organizada se ha visto obligada a actuar con cautela, temiendo ser tildada de golpista.

Fanonganam-panjakana ve ny fanohanana ilay hetsika ? Mampihorohoro ny firenena ve ny fangatahàna ny firenena hijoro? Sa kosa, ny tena marina, fisorohana ny firenena Venezoelana tsy ho potika tanteraka noho ny ataon'ity andian-jiolahimboto sy olona tsy mahavita azy mifikitra eo amin'ny fitondrana ireo ? Io lojika dison'ny fitondràna io no mihazona ireo vahoaka maro ao Venezoela eo ambanin'ny fanaovana azy ho takalon'aina. Io fanoherana mirindra io ihany araka izany no voatery nihetsika tam-pitandremana, satria matahotra ny ho ampangaina ho mpitarika fanonganam-panjakana.

Nanohy nitafatafa tamin'i Tatiana Lugo izay mpampianatra efa misotro ronono avy tao amin'ilay Central University ao Venezoela (UCV) no sady mpanoratra ao ain'ilay blaogy Vainas de Tatiana [es], i Raquel Aquino, ho an'ny  El Pretexto [es]. Niresaka mikasika ireo olona mandrafitra ny Oniversite izy ireo nandritra ilay tafatafa, indrindra fa ireo ao amin'ny Central University, ankoatran'ny antony sy ny fiantraikan'ny toe-draharahan'ireo mpampianatra sy ny hetsi-panoherana ataon'izy ireo.

Los profesores de la UCV son una especie rara: optan por un modo de vida que, por una parte, les da la satisfacción de transmitir conocimientos, les brinda el inmenso honor de ayudar a formar a los profesionales que Venezuela requiere pero por otra les impide tener estabilidad económica. Desgraciadamente, los gobiernos venezolanos a partir de la década de los 80 han decidido, erróneamente, ignorar la importancia de la formación académica […] los estudiantes carecen de laboratorios modernos, tecnología apropiada, por no hablar de becas y bibliotecas.

Karazany amin'ireo tsy fahita firy ny mpampianatra eny amin'ny UCV : nisafidy fomba fiaina iray ry zareo, izay manome fahafaham-po amin'ny fampitàny fahaizana, sy ny voninahitra afaka mamolavola  ireo matanina ilain'i Venezoela, amin'ny lafiny iray, kanefa amin'ny lafiny iray manakana azy ireo tsy hanana fahamarinan-toerana ara-bola. Mampalahelo, fa efa hatramin'ny taona 1980 ny governemanta ao Venezoela no diso fanapahan-kevitra, tamin'ny fanaovana tsinontsinona ny fampianarana ambony[…] tsy manana laboratoara ny mpianatra, tsy manana ny teknolojia mifanaraka amin'izay ilainy, tsy resahana intsony ny vatsim-pianarana sy ny trano famakiam-boky.

Navoakany tao amin'io lahatsoratra io koa ny vidin'ny entana ilaina amin'ny andavanandro ary dia nampitahainy tamin'ny karaman'ireo mpampianatra (ny loharanon'ireo antotan'isa ireo dia avy amin'ilay Fikambanan'ny Mpampianatra ao UCV [es], ny volana May 2013) :

Hevitra nitovy tamin'izay hita tao amin'ny bilaoginy, ven-educa, hitan'i Yonathan Ruiz [es] fa fampisehoana ny tsy fahaizan'ny tomponandraikitry ny fampianarana ambony io manjo ny Oniversite sy io fitokonana io ary mitarainy izy fa na dia eo aza ny fahafahana ara-toekaren'ny firenena manao izany, dia hita hatrany fa miady irery mba ho velona ny sehatry ny fampianarana :

Que los educadores de las universidades públicas tengan que dejar las aulas para salir a la calle a exigir y defender derechos inherentes a su alta investidura, es un síntoma inequívoco de mezquindad de quienes pudiendo haber evitado esto, no lo hicieron. […]

Si el país, concretamente el Estado, no trata y no valora suficientemente al talento de los educadores, difícilmente lograremos remontar la enorme cuesta que tenemos con la crisis sociocultural que nos ha traído hasta aquí.

Mampiseho ny tsy fahaiza-manaon'ireo tomponandraikitra izay tokony nisoroka ilay fitokonana kanefa tsy nanao izany ny fisian'ny fivoahan'ireo mpampianatry ny Oniversitem-panjakana ny trano fianarana sy ny fidinan'izy ireo an-dalàmbe hitaky ny zony eo amin'ny sehatra avo misy azy. […]

Raha tsy hain'ny firenentsika, indrindra ny fanjakana ny hiezaka sy hanome hasina ny fahaizan'ireo mpampianatra ireo dia ho tena sarotra amintsika ny hiatrika ny fitontonganan'ny sanda gavana zakaintsika avy amin'ny olana ara-sosialy sy kolotoraly izay nahatonga antsika ho amin'izao toerana izao.

Ary araka ilay nolazaintsika tetsy aloha dia mizarazara be ihany ny fironana. Amin'ny sehatra maro ao Venezoela, voalaza fa voaloto sy tsy mahomby io hetsika ataon'ny Oniversite io. David Da Silva [es], mpianatra mandalina ny Raharaha Iraisam-pirenena ao amin'ny UCV dia manazava sy maneho ny heviny mikasika ny toeran'ny Sendikà eo anivon'izany fifandroritana izany :

En mi opinión, los paros del sector universitario no tienen el mismo peso político y económico que, por poner un ejemplo, un paro de trabajadores en las empresas básicas de Guayana. Esto último conllevaría a una disminución en la producción de aluminio, acero y hierro, lo cual comprometería de manera importante la continuidad de la gran misión Vivienda Venezuela.

En cambio, los paros en la educación superior afectan principalmente a la misma comunidad universitaria.

Araka ny hevitro, tsy mitovy lanja amin'ny fitokonana eo amin'ny sehatry ny politika sy toekarena ny fitokonan'ny Oniversite, ohatra iray izao ny fitokonan'ny mpiasa tao amin'ilay Orinasa lehibe ao Guayana. Ity farany izao mety hampidina ny vokatra viraty (aluminium), ny varahina sy ny vy, izay manohintohina be ny fitohizan'ny asan'ny Vivienda Venezuela.

Kanefa ilay fitokonan'ny fampianarana ambony na izany aza dia ny Tontolon'ny Oniversite irery ihany no voatohina.

Ho fanajàna ny manjo ireo mpiasam-panjakana any amin'ny Oniversite ireo, milaza izy fa :

Algunos movimientos o grupos estudiantiles que se identifican con la izquierda política, y que por lo tanto mantienen una actitud pro-gobierno, han tratado de llevar la situación que vive el personal universitario al plano político, cuestión que no me parece correcta, ya que se desvirtúa una realidad gremial, sindical, laboral y entran en discusión otros temas que están totalmente fuera de contexto.

Misy ireo hetsika ataon'ireo vondrona na andianà mpianatra izay milaza azy ireo ho mpanohitra ny governemanta, kanefa manao fihetsika manohana ny governemanta, manao izay hampifandraisana ny zava-manjo ireo mpampianatra amin'ny politika, resaka izay tsy rariny tokoa amiko manokana, satria manova ny tanjona, ny firaisankina, sy ny zava-misy marina eo amin'ny sehatry ny asa sy ireo olana hafa izay resaka tsy misy hifandraisany mihitsy amin'ilay adihevitra.

Nisy fijoroana vavolombelona nataon'ireo mpampianatra marobe avy amin'ny Fampianarana Haisoratra Moderna (avy ao amin'ny Central University ao Venezuela) tao amin'ilay lahatsary nozarain'i Isabel Matos. Hazavain'izy ireo ao ny vola raisiny, ny zavatra vidiany avy amin'izay, sy ny asa hafa tsy maintsy ataon'izy ireo mba hivelomany hatramin'ny faran'ny volana ary ny fiatraikan'izany eo amin'ny fampianaran'izy ireo any amin'ny Oniversite.

Manome fomba fijery mampatahotra kokoa, manazava ny antony anoherany io fitokonan'ny Oniversite io ny Profesora Pablo Aure [es] na dia miombon-kevitra amin'ireo hevitra sasany noresahina tao sy nahazo fampitandremana aza, hoy izy, nitsipaka ilay fitokonana hoe :

Desaprovechamos la mejor tribuna que son las aulas de clases o los pasillos para conversar con nuestros estudiantes y colegas sobre la situación nacional.

Si piensan que parando la Universidad “le ablandaremos” el corazón a esta gente que deliberadamente tienen como objetivo exterminarnos: se equivocan.

Mi llamado es a la reflexión y pensar en esos miles de estudiantes que tienen su proyecto de vida, también a esos miles de familiares que hacen sacrificios para costear los estudios de sus muchachos.

An-dàlan'ny ho very ny sehatra tsara indrindra isika, dia tsy inona izany fa ny efitrano fianarana na eny an-dalantsara mba hiresahana mikasika ny zava-misy eto amin'ny firenentsika miaraka amin'ny mpianatra.

Raha mihevitra ianareo fa ny fampiatoana ny Oniversite no “hampahalefaka” ny fon'ireo olona izay mitady ny handripaka antsika ireo : Diso hevitra ianareo.

Ny antsoko dia ho amin'ny fijerena sy fijinjovana ireo mpianatra an'arivony izay manana tetikasa eo amin'ny fiainany, sy ireo fianakaviana nanao ny ainy tsy ho zavatra amin'ny fandoavana ny saram-pianaran'ny zanany.

Avy ao an-tanànan'i Mérida, avy ao Andrefana i Heriberto Gómez no manazava ny vokatry ny fitokonan'ny Oniversite amin'ny Aporrea [es] :

- Un día de clases que pierde un estudiante, no lo recuperará más nunca en su vida. Será un día perdido para siempre, así le den luego la clase.
– En la ULA [Universidad de Los Andes] por cada día laboral que se pierde por paro, se echan a la basura 4 millones de bolívares fuertes.[…]
– Para los estudiantes que son de afuera de Mérida o de las ciudades donde se localicen sus centros de estudios, un día de paro significa una importante pérdida económica para ellos y sus padres, pues igual deben pagar residencias, comidas y otros gastos de vida, a pesar de no estar en clases.

- Tsy ho voasolo mihitsy ny andro iray very ho an'ny mpianatra iray. Ho andro very mandrakizay eo amain'ny fiainan-dry zareo iny, na dia ho ampianarina ihany aza izany ao aoriana kely.

- Ao ULA [University of Los Andes], ny andro fiasàna iray very nohon'ny fitokonana, dia 4 lavitrisa bolivars no nariam-potsiny.

[…]

- Ho an'ireo mpianatra avy any ivelan'i Mérida na ireo tanàna any no toerana ahitàny ny fianarany, ny iray andro hanaovana fitokonana dia midika fahaverezam-bola be ho azy ireo sy ny ray aman-dreniny, satria tsy maintsy mandoa hofan-trano, sakafo sy ny fandaniana hafa ilainy, eny fa na tsy mandeha any am-dakilasy aza izy.

Anatin'ny lisitr'ireo anton-javatra, nofaritan'ilay mpanoratra tao ihany koa ny mety ho tanjona manosika ireo lazainy fa aorian'io fitokonana ataon'ny mpampianatra io:

Detrás del paro hay otros intereses ocultos, pues está dirigido por profesores con clara identificación político-partidista opositoras al gobierno nacional. Así se cumplan sus reivindicaciones salariales, sus intereses políticos y personales son otros.

Misy tombotsoa miafina ao ambadik'io fitonana io, satria tarihan'ireo mpampiantra manana firehan-kevitra politika mazava tsara fa manohitra ny governemantam-pirenena. Dia ho tanteraka ny fangatahana karama nataony, ary ho samy hafa ihany koa ny tombontsoa ara-politika sy ny tombontsoany manokana.

Tamin'ny fotoana namoahana ity lahatsoratra ity, namoaka filàzana fitokonana tsy voafetra ny Oniversite manerana ny firenena.

Ao anatin'izany, ny fifandraisana dia natao ampahibe maso, anaty filazam-baovao mahazatra sy amin'ny alalan'ireo median'olon-tsotra.

Mikatona tanteraka ny faritry ny Oniversite sy ny Oniversite, manao hetsi-panoherana na manao fampianarana mihisaka aty anaty vohikala na eny an-dalàmbe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.