SARIPIKA: Anjatony Manohitra Ny Saran'ny Bus Nosamborina Tao Brezila

[Amin'ny teny portiogey avokoa ny rohy rehetra]

Nifanehatra tamin'ny famoretan'ny polisy tamin'ny endrika ranona dipoavatra atsifitra, bala fingotra ary baomba mandatsa-dranomaso ny fihetsiketsehana fahaefatry ny Hetsika ho amin'ny Sara malalaka, izay notontosaina tamin'ny alakamisy 13 jona tao São Paulo. Araka ny vaovao farany dia olona 235 farafahakeliny no voasambotra nandritra ny fihetsiketseha-panoherana.

Manakaiky ny dimy arivo ny mpanao fihetsiketsehana nivory nanoloana ny Teathra Monisipaly izay natao ho tohin'ny tolona hanoherana ny fiakaran'ny saran'ny bus izay niainga avy amin'ny 3,00 BRL  (1,40 USD) ho 3,20 BRL (1,50 USD). Efa nandeha ny hetsi-panoherana hatramin'ny 6 Jona ho setrin'ny fiakarana izay efa nampiharina efatra andro mialoha. Efa nahazo ny fifantohana iraisampirenena sahady ny tranga.

Efa nampiasa ny ny pejy Facebook ny hetsika ho fifandaminana, ary nanaraka nanao fihetsiketsehana ihany koa ny renivohi-panjakana breziliana hafa ho fanoherana ny fiakaran'ny saran-dalana ho an'ny fitateram-bahoaka miankina amin'ny fanjakana. Efa niady hevitra momba ny fiakaran'ny sara-pitaterana tany amin'ny fampitam-baovao ao amin'ny firenena ny mpanao gazety sy ny mpitari-kevitra, fa ny olo-pirenena kosa maneho ny heviny amin'ny alalan'ny aterineto. Ny mpanohitra, izay niaritra ny herisetran'ny polisy nandritra ny fihetsiketsehana, dia nolazain'ny Governora Geraldo Alckmin ho “mpandroba”, ary tsikerain'ny Ben'ny tanàna Fernando Haddad (any Paris amin'izao fotoana izao). Na izany aza, na ny fiadidian'ny fanjakana na ny fiadidian'ny tanàna dia samy nanamafy fa hitazona ho amin'ny fampakarana ny saran-dalana.

Ny lahatsary eto ambany dia mampiseho ny polisy midaroka ny mpikambana ao amin'ny gazety.

Sao Paulo

Ny fihetsiketseha-panoherana manerana ny Lalana Consolação dia azo jerena mivantana amin'ny alalan'ny fakantsary fanaraha-mason'ny fitandroana ny filaminana manara-maso ny lalamben'ny tanàna.

Mijery akaiky ny hetsi-panoherana ny tranonkalan'ny O que não sai na tv (Inona ny tsy asehon-dry zareo any amin'ny TV) ary mamoaka izay haingana dia haingana.

Foto retirada do site oquenãosainatv.

Mpanao fihetsiketsehana mitazona sora-baventy: “Izay tsy miady ho amin'izay tiany… Manaiky izay rehetra ho avy” Saripika: Vinicius Victorino/ oquenaosainatv.tumblr.com

Muitos manifestantes na foto retirada do site oquenaosainatv.com

Hetsi-panoherana mitarika olona an'anarivony ho eny an-dalambe. Saripika: Vinicius Victorino/ oquenaosainatv.tumblr.com

Bombas de efeito moral na Avenida Paulista Foto: Lais Peterlin/http://oquenaosainatv.tumblr.com

Baomba mandatsa-dranomaso manerana ny lalambe Paulista Saripika: Lais Peterlin/http:/oquenaosainatv.tumblr.com

Rio De Janeiro

Manifestantes ocupam todo o entorno da Assembléia Legislativa do Estado do Rio de Janeiro. Foto retirada do perfil no Facebook de Pedro Rajão.

Mpanao Fihetsiketsehana mibody ny toerana manodidina ny Lapam-panjakan'i Rio de Janeiro. Saripika: Pedro Rajão / Facebook.

Dipoavatra sy vinaingitra

Ny mpiserasera breziliana ao amin'ny Twitter dia manohitra amin'ny alalan'ny teny fifankafantarana #pimentavsvinagre (dipoavatra vs. vinaingitra). Ny voambolana dia manondro ny fampiasana ranona dipoavatra atsifitra tsy ankanavaka ataon'ny polisy na amin'iza na amin'iza sy ny fampiasana akanjo na saron-doha feno vinaingitra anaovan'ny mpanao fihetsiketsehana hiadiana amin'iza ho fiantraikan'izany.

Misy teny ifankafantarana hafa ihany koa malaza dia ny #Consolação, anaran'ny lalana izoran'ny hetsi-panoherana.

Misioka ny mponin'i Sao Paulo antsoina hoe Gabriela Reimberg ‏(@gabyreimberg) :

@gabyreimberg: Brasil mostra a tua cara #pimentavsvinagre

@gabyreimberg:Brezila misehoa ianao #peppervsvinegar

Miteny ny mpiasan'ny fanaovan-dokambarotra Luis Salsicha (‏@LuisSalsicha) :

@LuisSalsicha: e que esses manifestos não parem por aqui… hora de mostrar de quem é esse país! #pimentavsvinagre

@gabyreimberg: Manantena fa tsy ho tapitra eto ireny fihetsiketseha-panoherana ireny… izao no fotoana isehoana (amin'izao tontolo izao) hoe iza (tokoa) izao firenena izao! #peppervsvinegar

Milaza ny heviny ny bilaogera Rafael Takano (@telefone) :

@telefone: Bombas em direção de fotógrafos e do posto de gasolina no cruzamento entre consolação e Maria Antônia. Agora mais… http://fb.me/2SpxemWOX

@telefone: Baomba (mandatsa-dranomaso) nalefa tany amin'ny mpaka sary eo amin'ny masoivohon'ny etona fandrehitra manoloana ny lalana Consolação sy Maria Antonia. Ary mbola maro amin'izao fotoana izao…http://fb.me/2SpxemWOX

Milaza ny heviny amin'ny alalan'ny Passe Livre SP ny breziliana ho anjara fandraisana anjara fanoherana an-tserasera ao amin'ny Pejy facebook. Ny salan'isan'ny fanehoan-kevitra azo isaky ny zavatra nalefa ao amin'ilay eo amin'ny sehatry ny hetsika sosialy, tahaka ity iray miantso ny hanaovana fihetsiketsehana fahadimy amin'ny alatsinainy faha-17 jona ity.

Niaraha-niasa tamin'i Luis Henrique. novakiana (sy nahitsin’) i Melissa Mann

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.