Radioteca – Fampiantranoana Rakipeo Maimaim-poana Sy Mivelatra

Mety ho raharaha sarotra ny mahita fialofana mifanaraka amin'ny rakipeonao ao anaty aterineto noho ny fidadasik'ireo safidy sy ireo fiasa azony atolotra. Na izany aza, mety ho safidy manintona ireo mpamokatra feo maro ny fahitàna toerana iray ahafahanao mizara maimaim-poana ny rakipeonao ary ampiasain'ny tambajotram-paritran'ireo tobin'onjam-peo mba hanatràrany mpihaino bebe kokoa.

Nandritra ireo enin-taona lasa, nanokatra ny varavarany ho an'ny rehetra ny vohikala firaketam-peo Radioteca, isan'izany ireo tobin'onjam-peo, sy ireo fikambanan'ny vondrom-piarahamonina mba hampiakaran'izy ireo maimaim-poana ny rakipeony. Mitàna ny mampiavaka azy ihany koa ny Radioteca amin'ny fanamoràna ny fitsanganana vondrom-piarahamonina amin'ireo foto-kevitry ny fifampizaràna sy ny fifanakalozana fahaizana ary fahalalana.

radioteca1

Ny zavatra fototra ilaina amin'ny fandraisana anjara anatin'io vondrom-piarahamonina io dia ny fanaovana ireo vokatra rehetra ho azo ampiasaina eo ambany ny fahazoan-dàlan'ny Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 Unported, izay midika fa afaka mampiasa ireo feo ao anatiny ireo mpikambana sy mpitsidika io vondrom-piarahamonina io raha toa ka marihana ny tompony ary zaraina amin'izany fomba izany ihany koa ilay vokatra.

Amin'izao fotoana, eo amin'ny 6.300 eo ireo mpampiasa voasoratra anarana, izay efa nampakatra rakipeo maherin'ny 20.000 tao amin'io sehatra io. Ao amin'ilay vohikala, afaka mikaroka rakipeo ny olona iray, izay voalamina ho anatinà sokajy, isan'izany ny zon'olombelona, fananahana sy mahakasika izany, ny fahasalamana, ary ny kolontsaina, ankoatr'ireo hafa. Miainga avy any amin'ny fanambarana tolotra fohy ho an'ny vahoaka ka hatrany amin'ireo fizaranà feno anatin'ireny fandaharana amin'ny onjam-peo ireny ity rakitra ity. Afaka mampakatra rakipeo iray manana hadiry hatramin'ny 80MB ireo mpikambana ao anatin'io vondrom-piarahamonina io, fa tsy misy fetrany kosa ny isan'ireo rakipeo avoakany. Ho fanampin'izay, io sehatra io ihany koa dia mampiantrano ireo loharanom-peo mifandray amin'ny fanofanana momba ny famokarana feo sy ny onjam-peo, ireo teknolojia ampiasana anatin'ny onjam-peo, sy ireo lohahevitra hafa mifandray amin'izay.

Tsy voafetra amin'ireo sokajy voalaza ireo ny karazana lohahevitra misy. Na eo aza izany, miady mafy ny Radioteca mba hanajan'ireo rakipeo rehetra nakarina ao aminy ny zon'olombelona sy ny fahasamihafan'ny kolontsaina, ary tsy manaiky rakipeo izay manandratra ny fanilikilihana, ny fanavakavaham-bolon-koditra, ny fanambaniana ny vehivavy na ny fankahalàna ireo tia ny mitovy fananahana aminy. Tsy ekena ihany koa ny rakipeo entina fanaovana fampielezan-kevitra politika na fanentanana hanaraka finoana iray.

Vantany vao manoratra ny anarany ireo mpampiasa, afaka miditra amin'ny pejy misy ny mombamomba azy izy ireo, izay mampiseho ireo rakipeo rehetra navoaka ary afaka ihany koa tehirizina any anatin'ireo vohikala hafa. Manome safidinà tolotra andoavam-bola hijerena mivantana sy fanohanana ireo onjam-peo ety anaty aterineto ihany koa ny Radioteca ho an'ireo mpikambana izay te-hanana fahafahana ambony mihoatra ny fahafahana omen'ireo tolotra maimaim-poana.

Ireo fikambanana Radialistas – Apasionadas y Apasionado sy ny Código Sur mipetraka any Quito, Ekoatora no mandrindra io vohikala io. Raha toa ka ny teny Espaniola no hita be indrindra ao anatin'io vohikala io, ary raha toa ka any Amerika Latina sy any Espana ny ankamaroan'ireo mpampiasa azy no mipetraka , misokatra ho an'ireo faritra rehetra eran-tany kosa io vohikala io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.