Taokanto Maoderina Indiana Hita Tamin'ireo Lahatsary Fanadihadiana Miaraka Amin'ireo mpanakanto

Ny tetikasa Regarding India (Mitodika amin'ny Inde) dia andiana lahatsary fanadihadiana an'ireo mpanakanto Indiana mikasika ireo asany, izay tarihan'i Kathryn Myers, mpanao hosodoko sy mpampianatra ny taokanto amin'ny anjerimanontolon'i Connecticut.

Myers, nanao fikarohana mikasika ny taokanto sy ny kolotsaina any Inde, dia nanomboka ny tetikasa nandritra ny Fulbright Fellowship ny taona 2011. Regarding India dia niainga avy tamin'ireo fanadihadiana nojereny fony izy mbola mpianatra taokanto, ka voatendry handray anjara tamina lesona izay nampianarany mikasika ny taokanto Indiana sy ny kolotsaim-bahoaka. Natao ho loharanom-pahalalàna ihany koa izany ho an'ireo liana amin'ny taokanto maoderina Indiana.

Mpanakanto enimpolo no nametraham-panontaniana hatreto, ary izay lahatsary vita dia nampakarina avy hatrany tamin'ny vohikalan'ny “Regarding India”.

Sarnath Banerjee, mpanakanto sady mpanao sarimihetsika, dia fanta-daza amin'ny maha-voalohany azy amin'ny fanoratana tantara an-tsary lava any Inde:

Arpana Caur dia mpanao hosodoko mahakasika indrindra ny ara-panahy:

Mpaka sary fanta-daza i Dinesh Khanna:

Mpanao sary sikotra sy mpanakanto mpikarakara i Krishnaraj Chonat, izay mampiasa ireo fitaovana tsy ampoizina toy ny savony vita amin'ny ditin-kazo sy ireo potika fitaovana elektronika:

Sary famantarana: Sary avy amin'ny fanadihadiana miaraka amin'i Arpana Caur.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.