VIDEO: Ny Fomba Mety Handratran'ilay Fifanarahana Trans-Pasifika Ireo Mpampiasa Aterineto

Mampitandrina ny lahatsary iray vaovao avy amin'ny vondrona miaro ny zo dizitaly “Electric Frontier Foundation“, fa mety hitera-boka-dratsiny mampanahy ho an'ireo mpampiasa Aterineto ny Trans-Pacific Partnership (TPP), fifanaraham-barotra goavana feno misitery nifanaovan'i Etazonia sy governemanta folo hafa avy any amin'ny faritra Pasifika.

Voatana ho tsiambaratelo ireo fifanarahana anatin'ilay fifanarahana, izay ahitana fandraisana anjara avy amin'ireo orinasa, nefa nisy volavolan'ilay fifanarahana [PDF] tamin'ny Febroary 2011 sy ireo naoty hafa nivoaka an-tsokosoko izay niteraka ahiahiahy ho an'ireo mpisolovava maro ny amin'ny fanamafisana ny fizakà-manana anatin'ny toko mirakitra izany ao anatin'ilay fifanarahana.

Araka io vondrona io, mety hanova ny Aterineto ho toerana maha-afa-baraka ho an'ny vahoaka sy ireo orinasa mampiasa azy io fifanarahana io. Mety hampirisika ireo mpaninjara tolotra Aterineto hijoro ho polisy amin'ny fihetsik'ireo mpampiasa aterineto ary hanakana ny zavatra ara-dalàna miaraka aminà fanamarihana manokana fotsiny avy amin'ilay lazaina ho mitàna ny fizakà-manana mba hiarovana azy ireo tsy ho voafatopatotra ho tompon'andraikitra.

Mety hamadika ho tsy ara-dalàna ny fialàn'ireo mpampiasa aterineto ireo fepetra teknika napetraka hisorohana ny fanitsakitsahna ny fizakà-manana ihany koa izany, tahaka ny fanalàna ny sakana anatinà finday iray mba hampifandraisana azy aminà tambajotra iray hafa na koa ny fanovàna ny endriky ny e-book iray mba hahatonga azy afaka hidirana kokoa ho an'ireo manana kilema.

Ilay lahatsary, antsoina hoe “TPP: Ilay Fandrahonana Goavana Indrindra Eo Amin'ny Aterineto Mety Mbola Tsy Fahenonao Hatrizay”, dia hita ao anaty YouTube ary afaka jerena eto:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.