Famoronana Syriana: Radio SouriaLi Mampiely Ny Feo Amin'ny Aterineto

Miara-mivoaka ao amin'ny Syria Untold ity lahatsoratra ity ary nadikan'ny Global Voices teny Arabo.

Satria ny “fahaporetana no renin'ny famoronana”, hoy ny fomba fitenin'ny Arabo, tsy mitsaha-mamorona vahaolana vaovao hiatrehany ny vato misakana isan-karazany iainany isan'andro ny Syriana, na eo aza ny famoretana faratampony. Ny Radio SouriaLi, natsangan'andia-tanora Syriana avy amin'ny tontolo isan-karazany, dia iray amin'ireo tetikasa sy fandraisana an-tanana maro misongadina avy amin'ny filana haneho hevitra sy ny fikendrena hahapaka hatrany amin'ny Syriana rehetra, tsy ijerena foko, fahaizana na fivavahana niaviana.

Ny anarana “SouriaLi” dia avy amin'ny filalaovana ny voambolana “sourialia” (surrealisme = manoatra noho ny zavamisy mahazatra) sy “Souria lee” (izay midika hoe Syria-ko avy amin'ny teny Arabo) mba hampiarahana ny fanairana ny zavamisy misavorovoro tanteraka ao Syria, izay lasa manoatra noho ny zavamisy mahazatra amin'ny ankapobeny, sy ny filàn'ny Syriana rehetra hirotsaka ho amin'ny fananganany ny Syria-ny.

Nanomboka nampiely feo amin'ny maha-radio ao amin'ny aterineto azy ny Souriali tamin'ny Oktobra 2012, zay nokendrena ho tafahoatra ny sivana sy ho tafapaka amin'n Syriana maro, na ao anatiny na ivelan'ny firenena izany, na dia voafetra aza ny hoenti-manana.
Na dia tetikasa mifototra ao amin'ny aterineto aza izy dia tsy manakana azy hiatrika fanamby hatrany mba hahafahany mampiely feo tsy mitsahatra. Miverimberina hatrany ny fanakanan'ny fitondrana Syriana ny tranonkalany ao amin'ny firenena, ary tafiditra amin'izany ny [fanakanana] ny teny famantarana SouriaLi amin'ny mili-pikarohana, izany nanery ny mpihaino hampiasa ny teknolojiam-piodinana ahafahana mahazo ny votoatiny. Ankoatra izay, satria monina ao Syria ny ankamaroan'ny ekipan'i SouriaLi, nampanano-tsarotra hatrany ny asan-dry zareo isan'andro ny fahatapatapahan'ny jiro sy ny aterineto.

Radio Souriali

Radio Souriali

Tsy nisy nampitsahatra azy ireo tsy hampiely ny feo ireo sakana rehetra ireo. Ao amin'ny teny nataon'ny iray amin'ny mpanorina azy:

“Miteny izahay ahafahanay miaina. Miresaka amin'ny rehetra izahay ary mihaino ny olona rehetra. Miezaka ny hiroso hatrany izahay mandra-pahatongan'ny andro izay heverinay fa tonga amin'ny tanjona notratrarinay.”

Nampiany:

“Mihevitra izahay fa ny olontsika dia tsy mifampihaino isika. Ny hafatray dia tsy mikendry vondrona iray miohatra amin'ny hafa, fa miezaka aza izahay hahatratra ny fon'ny Syriana tsirairay indrindra fa ireo lazaina ho “maro an'isa tsy miteny”.

Miezaka ny mitafa amin'ny vondron'olona isan-karazany mandrafitra ny fiaraha-monina Syriana ny ekipan'i Sourial, sy miezaka ny hiresaka lohahevitra isan-karazany – miainga amin'ny zavakanto, kolontsaina sy fomban-drazana ka hatramin'ny zon'ny vehivavy sy ny zon'ny vitsy an'isa tahaka ny vahoaka Kiorda.

SouriaLi dia iray amin'ireo dingana samihafa andehanan'i Syria mankany amin'ny nofinofiny hanana firenena manaja ny rariny, fahafahana ary ny zon'olombelona fototra.

Miara-mivoaka ao amin'ny Syria Untold ity lahatsoratra ity ary nadikan'ny Global Voices teny Arabo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.