Tsingerin'ny Tao Tiananmen, An'Aliny Nivory Ambany Orana Tany Hong Kong

Olona an'aliny no nisedra oram-baratra,tao amin'ny zaridaina Victoria tao Hong Kong ho fahatsiarovana ny faha-24 taona nisian'ny Fandripahana tao amin'ny kianjan'i Tiananmen tamin'ny alalan'ny fiareta-tory [mandrehitra labozia].

Ity fiareta-tory fanao isan-taona ity dia natao ho fahatsiarovana ny famoretana henjana sy nampandriaka ny ra nataon'ny fitondrana Shinoa tamin'ny hetsika mpankasitraka ny demaokrasia saiky naharitra roa volana notarihan'ny mpianatra tao amin'ny Kianjan'i Tiananmen tao Beijing nandritra ny lohataonan'ny 1989. Miaramila nirahina hanala ny olona teo amin'ny kianja tamin'izany fotoana izany no nitifitra sy nahafaty Shinoa an-jatony tamin'ny 4 Jona 1989.

Mbola mijanona ho lohahevitra tsy azo resahina any amin'i Shina Tanibe ny hetsi-panoherana tao amin'ny kianjan'i Tiananmen, ary manaisotra hatrany izay resaka rehetra mitady hiteny sompirana momba ny hetsika amin'ny aterineto ny Mpanao ny sivana karamain'ny fanjakana amin'ny aterineto.

Manodidina ny 54.000 sy 150.000 ny olona nandray anjara tamin'ny fiaretan-tory tamin'ity taona ity, izay nokarakarain'ny Firaisan-Kinan'i Hong Kong Amin'ny Hetsika Demaokratika sy Tia Tanindrazana, vondrona iray mampiroborobo an'i Shina demaokratika izay nanomana ny hetsika hatramin'ny 1990.

Heavy rains could not stop Hong Kong people from attending June 4 candlelight vigil. Photo by Joey Kwok via Housenews. Non-commercial use.

Tsy nahasakana ny olona hanatrika ny fiareta-torin'ny 4 jona ny orana nivatravatra. Saripikan'i Joey Kwok amin'ny alalan'ny Housenews. Tsy ampiasaina amin'ny zavatra amidy.

Saingy takon'ny adi-hevitra momba ny teny filamatra napetraka hiompanany tamin'ity taona ity ny fikarakana ilay fotoam-pahatsiarovana “Tiavo Ny Firenena. Tiavo ny Olony. Fanahin'i Hong Kong”, izay hitan'ny sasany ho mirona loatra amin'ny nasionalisma Miara-dia amin'i Shina. Misy ireo “teraka” Hong Kong sasantsasany, izay mieritreritra fa tokony hanapaka ny fifandraisana ara-politika amin'i Shina Tanibe i Hong Kong mba hitandroana ny fizakan-tenany, izay niantso mihitsy aza ny tsy hanatrehana ilay fiareta-tory, izay nanosika ny firaisan-kina hanaisotra ilay teny filamatra.

Niteraka tsikera maro hafa indray izany fanapaha-kevitra izany. Ohatra amin'izany ny mpisera “Wing” nanoratra tao amin'ny inmediahk.net, sehatry ny fifampitam-baovaon'olom-pirenena iray [zh] fa ny fandavana ny “fomba fiteny tia tanindrazana” amin'ny faha-4 jona dia fivadihana amin'ny fiara-mientan'ny vahoakan'i Hong Kong amin'ny tolona hanoherana ny fitondran'antoko tokana any amin'ny Shina Tanibe.

A mainland Chinese said thank you Hong Kong in his placard. P H Yang Photography | phyang.org

Shinoa avy amin'ny Shina Tanibe milanja sora-baventy manao hoe , “Misaotra anao ry Hong Kong”. P H Yang Photography | phyang.org

Na teo aza izany, maro ireo olona nahatsapa ho velom-panantenana rehefa vita ny fiareta-tory. Fung Ka Keung, mpanolo-tena iray tao amin'ny hetsika, no nanoratra [zh] tao amin'ny pejiny Facebook iza hitany:

今天一直在維園噴水池入口,市民從走行人路,到警察間歇封馬路市民走馬路,到警察全面封馬路。所有足球場爆滿,我再一次親眼目睹了。

下起大雨,大家全身濕透,見到有人避雨從糖街出口離開會場。但過了半小時,市民由離場多再一次變成進場多。足球場再次爆滿,警察跑來要求我們不要再叫人去足球場而改去草地。接著,告士打道就塞滿了去草地的人群,而且,他們縱使知道大會音響因惡劣天氣故障,仍然耐心等候,沒有半分投訴。

今天是感動的一天,最振奮人心的一天。縱使遇到巨大的挑戰,香港人仍然沒有離棄六四死難者,證明了香港人的良心不滅。

Androany aho nijoro teo akaikin'ny fatsakana tamin'ny fidirana iray. Tamin'ny voalohany nandeha an-tongotra ny olona niditra tao amin'ny zaridaina, ka indraindray aza ny polisy no nanakana ny fiara mba hahafahan'ny olona miditra. Maro dia maro tokoa ny olona nirohotra hany ka voatery ny polisy nanapaka ny lalana manakaiky ny zaridaina. Feno olona ny kianja filalaovana baolina fandaka. Vavolombelon'izany indray aho.

Tampoka teo nivatravatra ny olona ary kotsa ny olona, niala ny kianja nizotra ho any amin'ny Arabe Sugar ny olona sasany hitady fialofana. Saingy, tao anatin'ny atsasakadiny niverina nankeny amin'ny zaridaina indray ny olona ary feno indray ny kianja filalaovam-baolina. Niangavy anay ny polisy hitari-dalana ny olona any amin'ny bozaka mbola malalaka. Feno olona notarihana hankeny amin'ireny toerana ireny ny lalana Gloucester manontolo. na dia ratsy tokoa aza ny andro ar tsy niasa ny fanamafisam-peo dia niandry am-paharetana tsy nisy fimenomenonana ny olona.

Nampientanentana sy nampihetsi-po tokoa iny andro iny. Na dia maro aza ny fanamby vaventy natrehana, tsy manadino ny niharam-boina tamin'ny 4 jona ny vahoakan'i Hong Kong. Velona mandrakizay ny fahatsiarovan-tenan'ny vahoakan'i Hong Kong.

150,000 people brave thunderstorms and torrential rain for the 24th June 4 Candlelight Vigil at Victoria Park in Hong Kong. Photo by PH Yang.

Nihaika ny oram-baratra nivatravatra hiatrika ny fiareta-tory tao amin'ny Zaridainan'i Victoria ny olona 150.000 tao Hong Kong hanamarika ny tsingerina faha-24 taona nisian'ny fandripahan'olona tao an-kianjan'i Tiananmen. P H Yang Photography | phyang.org

Alexander Yan nanonona hiram-panoherana iray [zh], ny “Voninkazom-Pahafahana”, izay azo nohenoina teny amin'ny zoro rehetra tao amin'ny zaridaina:

但有一個夢,不會死,記著吧!無論雨怎麼打,自由仍是會開花,但有一個夢,不會死,記著吧!來自你我的心,記著吧!

Saingy manana nofy tsy ho faty mandrakizay aho, tsarovy azafady! Tsy maninona izay orana mifafy aminay, hivelatra ny fahafahana. Saingy manana nofy tsy ho faty mandrakizay aho, tsarovy azafady! Avy ao ampoko sy amponao izany, tsarovy azafady!
Sea of candles in Victoria Park, June 4 2013. By PH Yang. Non-commercial use.

Ranomasim-dabozia mirehitra tao amin'ny Kianja Victoria tao Hong Kong tamin'ny 4 Jona 2013. P H Yang Photography | phyang.org

“H4 Ruby” nanoratra [zh] tao amin'ny inmediahk.net vantany vao tonga tao an-trano izy ary nifanao fotoana tamin'ireo namany hiverina indray amin'ny herintaona toy izao:

今年的六四晚會,很特別。 […] 相信在場人士也不會忘記那場雨。「無論雨怎麼打,自由仍是會開花」這一句唱得特別投入﹑特別激昂﹑特別應景。因為我們都明白「遇強愈強」的道理:只要我們仍堅信自己的信念,知道要捍衛真相,無論天氣如何惡劣﹑政治的局面如何險要也好,在這段路上也不應動搖。可能我只懂唸口號,唱歌還要看著歌詞。但我仍然堅持唸著守候著,是因為我知道在二十四年前,有一群與我年紀相約的學生,勇於的站出來。我做的雖然微不足道,但我仍希望由衷地表達心中的敬意和謝意。即使我不是在二十四年前的現場,但面對對今天道德﹑是非顛倒的社會,我只想以一點燭光表達不平則鳴。即使我不是在二十四年前的現場,但我也明白到作為父母親看著坦克下的孩子,那種無奈﹑心痛的感覺。雖然事隔廿四年,但感受仍是這樣的接近。[…] 明年今天,再次約會。

Tena andro manokana ny fiareta-torin'ny 4 jona tamin'ity taona ity. […] Ho an'ireo izay nanatrika tany, tsy hanadino mandrakiza ny orana ry zareo. Rehefa nihira ny “Tsy maninona izay orana mifafy amintsika fa hivelatra ny fahafahana” isika, dia nihira tamin'ny fontsika manontolo sy tamin'ny fihetsehampo. Azontsika fa raha miatrika fahavalo mahery, dia tsy maintsy mba mahery kokoa isika: Mila mifahatra tsara amin'izay inoantsika isika hiarovana ny marina, tsy maninona izay halozan'ny toetr'andro sy ny faharatsian'ny toe-draharaha politika, tsy tokony hiala amin'ny lalana izorantsika isika. Angamba ny hany haiko dia ny mihiaka teny filamatra, tsy mahatadidy tononkira aza aho, saingy matoky aho fa hihiaka ary ho tonga indray satria fantatro fa 24 taona lasa izay, nisy ny tanora nanana izao taonako izao nahasahy nijoro tamin-kerimpo. Kely loatra iray vitako, fa izany no fanehoako ny fanajako sy ny fankasitrahako azy ireo. Na tsy tany aza aho 24 taona lasa izay, ankehitriny aho miatrika fiaraha-monina mahavalaketraka izay toa mifangaroharo ny marina sy ny diso, maneho ny firaisankinako amin'ny alalan'ny fiareta-tory aho. Na dia tsy tany aza aho 24 taona lasa izay, tsapako ny fangirifiriana sy ny fangidiam-panahin'ireo ray aman-dreny izay nohosihosen'ny fiara mifono vy ny zanany. 24 taona izay no nandalo, fa mbola eo hatrany ny fahatsapana. […] Amin'ny herintaona indray ry zareo a, andro mitovy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.